Antso Ho An’ny Firaisan-Kina

Nataon’i mompera Joseph Wrésinski Novambra 1977

Notsongaina tamin’ny « Rehefa ahitsy ny tantara-the restoration of history » Igloos lah 97-98, enimbolana 1° 1978 Famoahana Quart Monde

ALEFA HO AN’NY FANJAKANA

Any amin’ny Fanjakana aloha no itodihako, satria ny adidin’ny Fanjakana voalohany indrindra dia ny manainga ny safidy politika handrava hatrany ifotony ny fahantrana lalina, ny Fanjakana izay nanilihan’ny vahoaka tsikelikely, efa an-taonany maro izay taorian’ny ady, ny fiahiana ny olona tena sahirana. Io politikan’ny fanilihana andraikitra ankapobeny io dia nahatonga koa ny Fanjakana hanilika ny andraikiny any amin’ny ministeran’ny Raharaha Sosialy irery monja. Inona moa no azon’ity farany natao afa-tsy ny nanolotra ny fiahiana ny fahantrana lalina ho an’ny sampan-draharaha misahana ny Asa Sosialy?

Ny vokatr’izany fandavan’ny vahoaka izany dia matetika no manirery ny olona tena sahirana, tsy misy mpijery, miatrika ny sampan-draharaha tsy refesi-mandidy amin’ny mponina tsy afa-miaro tena satria tsy afa-miteny ary tsy manana mpisolo tena eo amin’ny sehatra politika. Ankoatra ny Minisitry ny Fonenana, iza tamin’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta no mba nilaza ampahibemaso fa miombona andraikitra ary miray hina amin’ireny mponina ireny? Oviana moa no mba tafiditra ho lohahevitra nodinihin’ny Filankevitry ny Minisitra sy ny Governemanta manontolo ny Quart Monde? Nefa, ireo delegasiona nohenointsika androany hariva dia nilaza ary namerimberina fa tena tsy zaka ary tsy rariny ny fisian’olon tsy raharahaina, atao an-jorom-bala, tsy rariny ny mahita fa ny fitondrana irery fotsiny no misahana ny fahorian’izy ireny fa tsy mba ny safidy sy ny tolo-tanana avy amin’ny rehetra. Hangataka inona amin’ny Fanjakana isika ka tonga mampahatsiahy izany?

Angatahintsika aloha ny Filohany, izany hoe ny Prezidàn’ny Repoblika, hanaiky ampahibemaso fa hiantoka ny fiarovana ny tombon-tsoan’ny vitsy an’isa voaililkilika; fa hanao izay hahazoan’ny Quart Monde haingana dia haingana ny FITAOVANA ho an’ny fahafahany ara-tsosialy, ara-toe-karena, ara-kolontsaina sy ara-politika; fa indrindra hahatonga ny Quart Monde ho voasolotena any amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra ahafahan’ny olom-pirenena milaza ny heviny. Inona koa no mbola angatahintsika amin’ny Fanjakana?

Angatahintsika ny hahazoan’ny Filoham-Panjakana manatontosa tsy misy tomika io andraikitra io ka hanendreny olona iray ao amin’ny Prezidansin’ny Repoblika hanara-maso sy handajalanja tsy an-kijanona ny faminavinana sy ny fanatontosana ny tetik’asa mandritra ny dimy taona hoenti-mamongotra ny fahantrana sy ny fanilikilihana ato amin’ny demokrasia frantsay. Tsy hidirantsika anio hariva ny antsipiriany amin’ny fangatahana lalàna, didy fampiharana na fitsipika manokana. Ny Fikambanana ATD Quart Monde dia tsy nitsahatra namelabelatra sy nanolotra sady nanamarina azy ireny hatramin’ny niforonany, 20 taona lasa izay.

Ny hitrikitrihintsika mafy anio hariva dia ny fiaraha-midinika izay efa nambaran’ny ATD Quart Monde hatrany hatrany fa vonona izy hizara ny traikefany sy ny fahalalany mikasika an’izany. Io fiaraha-midinika io no hampitsahatra ilay fahantrana miverimberina tsy misy farany.

Ny angatahintsika farany amin’ny Fanjakana dia ny handray sy ny hanamora dia hanamora ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena vonona hiady amin’ny fanilikilihana ary hanome, raha ilaina, ny vola tokony hanatontosana asa tsy sahanin’ny fanjakana.

Ny manohana ny fahafahan’ny olom-pirenena hanavao, dia midika ho mandrisika ny fitondrana sy miantoka ny fahaiza-manavao ny rafi-panjakana; midika koa izany fa voaantoka ny fahafahan’ny Fanjakana mandrafitra karazana demokrasia vaovao izay tsy manaiky intsony ny hanampenam-bava sy hampahantrana ny vitsy an’isa tsy misy lanjany ara-politika.

ALEFA HO AN’NY MPIFARIMBONA (Alliés)

Manaraka ny Fanjakana dia mitodika any amin’ny olom-pirenena rehetra aho, satria rehefa dinihina dia izy ireo no mametra ny safidy sy ny lalan-kizoran’ny fiaraha-monina manontolo. Manoloana ny fanilikilihana, ny Quart Monde dia mampahatsiahy antsika, isika izay efa ekena ho olom-pirenena, fa misy fiarahana vaovao tsy maintsy ajoro: FIARAHAN’ny VOAILIKA sy ny TSY VOAILIKA.

Fiarahana tsy maintsy manova ny zava-misy politika, ny fihevitry ny olona ankehitriny, ny toe-tsain’ny fitondrana sy ny lalàna, ary ny fiainan’ny Fiangonana. Tsy maintsy mifanaraka amin’ny Quart Monde isika hanangana fiarahana vaovao mba hiarovana hatrany sy na aiza na aiza ny olona atao ambin-javatra.

Ary mba tsy hivadihantsika amin’io fiarahana io dia hovitaintsika hatramin’ny farany ny fandavantsika ny fiarahamonina manilikilika ny madinika, ary hotakiantsika ny hidiran’ny olona sahirana indrindra any amin’ny sehatra rehetra. Ny mamita hatramin’ny farany mantsy dia ny mamotsipotsitra izay rehetra mamarina ny olona ho ambany ka mahavoaililkilika azy.

Io fandavana io dia hataontsika ao amin’ny sehatry ny fianakaviantsika aloha, ao amin’ny fiarahamonina misy antsika, na dia voatery hiala amin’ny hevitra mampilamina ny saintsika aza isika noho izany na hiala koa amin’ny tombontsoa efa eo am-pelatanantsika.

Io fandavana io dia hotohizintsika any an-tsekoly sy ny kolejy ianaran’ny zanatsika; io no antony tsy hanekentsika ny tsy hiraharahana ny zaza tsy dia mahay loatra, ny zaza voatsindrin’ny vesatry ny fahorian’ny fianakaviany. Io fandavantsika io dia hoentintsika any amin’ny orinasa ka hotakiantsika ny handraisana ho mpiasa ny olona tsy nahazo fiofanana araka asa manokana. Amin’izao fotoanan’ny krizy izao dia ataontsika izay hisakanana mba tsy ho izy no halàna voalohany amin’ny asany, mba ho izy no hahian’ny firaisankinan’ny mpiasa voalohany indrindra.

Io fandavana io no manosika antsika hitarika ny olona hiahy ny mahantra fadiranovana, any amin’ny fikambanana samy hafa misy antsika any: fikambanana mpiasa, fikambanam-pianakaviana, fikambanana sosialy, fikambanana fanatanjahan-tena…

Raha atao bango tokana dia tsy ekentsika intsony ny hanadinoana sy tsy hiraharahana ny olona niangaran’ny vintana na aiza izany na aiza.

Ny antoko politika nosafidiantsika hidirana dia tarihintsika hampitodika ny tetik’asany hitondra any amin’ny fiarahamonina tsy misy fanilikilihana Takiantsika ny Fanjakana hankatoa ny vinam-piarahamonina hatolotsika azy ka ny satany dia ny fiarovana ny mahantra sy ny fanajana ny zony.

Ho an’izay mino an’Andriamanitra, aoka ny fahavitrihany sy ny finoany no hahatonga ny Fiangonana handray ny mahantra alohan’ny olon-kafa rehetra. Sady ireny Fiangonana ireny anie nandritra ny taonjato maro no efa sehatra nivavahana sy nanoherana ny ady, nanoherana ny fahantrana, nanoherana ny habadoana, nanoherana ny hetraketraky ny be fahefana sy ny be saina.

Enga anie izy ireny ka hiverina ho ny Fiangonan’ny tsy manam-piahy, ny bado sy ny niharam-boina noho ny asan’ny mpino; enga anie izy ho lasa sehatry ny fanantenany, sehatry ny fahaiza-mizara sy mahafoy ho an’ny matanjaka, nefa koa ho sehatry ny fandavan’Andriamanitra ny hisian’ny tsindry hazo lena, ny tsy rariny ary ny fankahalana.

Ny tolona ataontsika any amin’ny fikambanana manohitra ny ady, ny hanoanana, mba hiarovana ny zon’ny olombelona, dia mifandray amin’io fandavana ny fanilikilihana io satria raha zohina ity farany ity dia tsy inona akory fa ny dingana farany indrindra amin’ny fanitsakitsahana ny hasina maha olona sy ny haja tokony homena azy.

Ambonin’izany, raha azontsika atao, dia hahafoy fotoana isika hiadiana amin’ny habadoana ato amin’ny Quart Monde ihany, ka hitarika ny olona sahirana ho tia vaky boky, hanoratra, hanovo fahalalana, hankamamy zavakanto, tononkalo, mozika. Noho izany, isika izay mpanabe, mpampianatra, dia hiaraka amin’ireo mampanao vaky boky an-dalam-be ato amin’ny Fikambanana na manentana ny “Pivots culturels” ( Foto-Pahalalana).

Mpandinika ny fiarahamonina, mpahay ara-toekarena, psykology, afaka mandray anjara amin’ny fikarohana ataon’ny Ivom-pikarohan’ny Fikambanana efa ho 15 taona izay mba hanorenana fahalalana siantifika ho an’ny Fikambanana Quart Monde Ny mpahay lalàna dia afaka dia manohana ny komity miaro ny tombontsoa sy ny zon’ny mahantra. Solontenam-pirenena, rehefa mety ho tompon’andraikitry ny firaisankinan’ny mponina hataontsika izay mety ho vitan’ny fahefantsika mba hahazoan’ny fikambanana misolo tena ny vahoaka sahirana ny toerana sahaza azy eo amin’ny firenena amin’ny maha mpiara-miombona antoka azy. Mpitsabo mpanampy, dokotera, hiaro ny marary sahirana isika any amin’ny hopitaly, ny foibe fandrindram-piterahana, sns…Ny mpanoratra, ny mpanao gazety, hiezaka hanamboatra fiteny mora azon’ny olona tsy nandia fianarana; isika no hamotsipotsitra ny fanilikilihana. Isika rehetra tsy an-kanavaka dia afaka ary tsy maintsy manohana ara-bola. Isika rehetra dia tsy maintsy manome hasina ny toky nomen’ny Fikambanana ka hanatanteraka hatramin’ny farany ny fitakiantsika, ny rariny amintsika, ny fitiavantsika ka :
- hiady tsy misy indra fo amin’ny fahantrana
- hamotsipotsitra ny toe-javatra rehetra mety hampandrorona ny olona.

Amin’izay ny fitakiantsika dia ho lasa ilay safidin’ny firenena hamongotra ny fari-piainana mitrongy vao homana.

ALEFA HO AN’NY MPIROTSAKA AN-TSITRAPO

Ny ady ataon’ny ATD Quart Monde ho an’ny fahafahana dia miankina aminareo mpirotsaka an-tsitrapo matihanina ato amin’ny ATD satria ianareo no nanomboka azy voalohany. Raha tsy ianareo tsy ho tafiditra na oviana na oviana tao amin’ny tantara ny mpitrongy vao homana, mbola ho fianakaviana “olana”, “fianakavina manahirana” hatrany ny fianakaviana mpitrongy vao homana. Ianareo no namelona ny fanantenana tao amin’ny tontolo efa natahotra hatramin’ny fahasambarana.

Fa niteraka andraikitra ho anareo io nidiran’ny Quart Monde ao amin’ny tantara io, ary tsy afa-miala amin’izany ny Fikambanana raha mbola tsy te hivadi-belirano.

N’inona n’inona nitranga, manoloana ny Fanjakana tsy rototra, manoloana ny fitondrana tsy te hahalala, manoloana ny olona rehetra tsy niraika, manoloana ny olona maro naniratsira, ary nandritra ny taona maro manoloana ny Quart Monde mihitsy koa izay tsy nankasitraka, dia naorinareo ihany ity fikambanana ity.

Amin’izao fotoana izao, efa manomboka mahajoro ny vahoaka mitrongy vao homana, efa nahatefy mpikatroka avy tao amin-dry zareo tao ihany izy. Tsy maintsy havadika ho politika tsikelikely manomboka izao ny asanareo miaraka aminy. Nefa koa ianareo dia tsy maintsy milona kokoa hatrany miaraka amin’ny olona vaovao hafa voaililkilika, tsy maitsy mikaroka hatrany hatrany ny olona hafa tsy misy mpiraharaha. Ny safidin’ny Fikambanana dia tsy hiova fa ny hamongotra ny fari-piainana mitrongy vao homana, na inona na inona endrika isehoany. Hitohy ny asany hanomana ny Quart Monde hifandray amin’ilay tontolo iray hafa.

Atao ahoana anefa ny hifandray amin’ny tsy fantatra? Ahoana no hifandraisana amina fiarahamonina nosarahin’ny tantara tamintsika? Ianareo mpirotsaka an-tsitrapo no tsy maintsy ho toy ilay efa mivava eo amin’ny rindrin’ny fanilikilihana. Olom-pirenena tanteraka ianareo, ianareo no nanatona izay voailikilika ao amin’ny fiarahamoninareo, niaraka taminy ianareo nanjohy ny lalana mifanohitra amin’ny azy. Dia hotohizinareo hatrany izany miaraka amin’izay ho voailikilika hafa indray mandra-pahafongana azy tsy hisy intsony na iray aza.

Nisafidy ny hiombona anjara amin’ny vahoaka mitrongy vao homana ianareo.Vavolombelona ary ho vavolombelona eo anivon’ny vahoaka ianareo fa tsy manantena tsy misy izy, fa tsy meloka izy, ary ny traikefany aza tena misy vidiny ho an’ny olona rehetra.

Nalaim-baraka ary halaim-baraka ianareo. Tahaka ny tany aloha dia ho mpiray petsapetsa amin’ny olona melohin’ny Fanjakana sy ny vahoaka ianareo satria hopotsipotsirinareo daholo izay ratsy rehetra na dia hampifanandrina anareo amin’izy ireo aza izany.

Navondronareo hanontrona ny mponina mitrongy vao homana ny namana, tsy maintsy miofana amin’ny ady sy ny firaisankina ianareo, hampita izay nampianarin’ny vahoaka mahantra anareo, izay tra azy, izay nampandroso azy.

Ianareo no fitaratra, ianareo no mampiray. Ianareo no mahita ny sehatra vaovao tokony hitondrana ny asa, ny endrika vaovao tokony homena ny tolona mba hahombiazany, Ianareo no miantoka fa ny voailikilika no hahazo ny tombontsoa voalohany amin’ny fanovana, ary ho tena tsara fototra tokoa io fanovana io ka tsy hisy olona na iray aza ho hadino.

Tsy maintsy iantohanareo ny hahatafita hatramin’ny farany ny fitakiana, fa tsy hariana an-dalana ny tena sahirana indrindra.

Iza indray fa tsy ianareo no hiantoka ny mpitrongy vao homana tafarina mba hitarika miaraka aminy ireo izay efa tena lanaky ny lasa feno fahoriana. Rehefa atambatsika amin’ny famotehana tanteraka ny fahoriana ny fiainantsika, dia ho vavolombelon’ny fiarahamonina miray hina amin’ny niangaran’ny vintana isika. Fifanekem-piainana no nataontsika, nekentsika ny vesatr’izany, ny fahavoazana mety haterany sy ny tsy fahampiana rehetra, satria ny fahombiazan’ny tolona ataontsika dia ny fisondrotan’io vahoaka io, isika dia ho difotra tanteraka fa mpitarika an-dry zareo no haka ny toerana.

ALEFA HO AN’NY MPIKATROKA SY NY SOLONTENAN’NY QUART MONDE

Mitodika aminareo aho izao ry mpikatroka sy solontenan’ny Quart monde. Mihoatra noho ny hafa rehatra dia ianareo no tena voakasiky ny fehinkevitra horaisina androany hariva momba anareo sy ny zanakareo. Ny fandavanareo ny fiainana tsy misy fanantenana, ny fandavanareo ny fiheverana anareo ho tompon’andraikitry ny fahorianareo, ny fandavanareo ny fiheverana anareo ho toy ny tsy misy sy tsy ilaina, izany rehetra izany no nalain’ny Fikambanana. Fa inona moa ny Fikambanana fa tsy ny hiakan’ny fandavanareo sy ny antsoantsonareo. Fantatrareo tsara anefa fatsy misy olona afaka hanafaka anareo tsy miaraka aminareo. Traikefa mahazatra anareo loatra ny nilaozana sy napetrapetraka. Fantatrareo fa tsy mitovy amin’ny anareo ny tombontsoa sy ny hevitra ary ny fikasan’ilay fiarahamonina iray hafa.

Noho izany, ny fahafahanareo dia ianareo ihany no miantoka azy voalohany; ny fiovan’ny fiainanareo dia ianareo no miandraikitra azy voalohany.

Ny hoe tompon’andraikitra, ho anareo, dia ny manohy hatrany ny fiofanana, ny fanovozam-pahalalana, ny fivondronana mba hiara-mandinika ny fiainanareo, , hitaky sekoly mifanentana amin’ny zanakareo, hitaky asa mahatonaga anareo hahaleo tena sy hiantoka fiainana vanona ho an’ny ankohonanareo, hitaky fiofanana araka asa mety ho vitan’ny faritra misy anareo, ary hitaky ny fitaovana hikoloana ny saina amam-panahy.

Ho fanajana ny fianakavianareo, mba hananan’’ny zanakareo ny zo hotiavinareo,mba hananany ny zo hanana antoka fa hobeazinareo, ny tanjontsika ho an’ny taona folo manaraka dia ny tsy hisian’ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra intsony amintsika, ny tsy hisian’ny ankizy tsy hoe tsy mahazo sekoly fotsiny intsony fa hoe tsy misy na iray aza tsy mahomby. Tsy lavina fa mila ny hafa isika amin’izany, nefa afaka mi ondra ny anjara birikintsika koa isika. Izay mahay mamaky teny sy manoratra dia tokony hampianatra mamaky teny sy manoratra ny namany; ny tsirairay amintsika dia tokony hihevi-tena ho tompon’andraikitry ny fanofanana araka asa ny tenany sy ny manodidina azy. Misorata anarana hanaraka fiofanana mitohy, tariho ny zanatsika efa lehibe hanao FPA( Fiofanana araka Asa ho an’ny Lehibe).

Ny tompon’andraikitra ianao dia tsy maintsy mirotsaka amin’ny fikambanam-pianakaviana, ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ny komitin’ny mpanofa trano, ny sendikà, ny antoko politika. Manana zo koa ianao hiady ho an’ny fampanjakana ny rariny, ny fandriampahalemana, ny zon’ny olombelona.

Ny tompon’andraikitra dia miombona anjara amin’ny ady tokony hatrehin’ny olombelona rehetra voalohany indrindra. Tsy maintsy resenareo lahatra ny rehetra hiady amin’ny fahantrana.

Isika tsy afaka hitondra fahalalana lalina, tsy afaka hitondra vola na volamena, saingy kosa, manana ny tsy ananan’ny hafa isika nefa tokony ho fantany, dia ny traikefantsika momba ny fanilikilihana. Isika no mahalala lavitra noho ny hafa ny tena fahafahana marina, isika izay niaina lalandava teo ambany vahohon’ny hafa sy ny fiankinan-doha taminy.

Ny fitoviana, fantatsika tsara ny tsy fisiany noho isika ambaniana, heverina ho parasy homana tsy misy liana azy. Ny hasina maha olona, fantatsika tsara ny vidiny noho isika mivesatra ny fanamavoana

Efa niainantsika daholo ny zavatra rehetra manambany sy mampijaly ny olona, ny fianakaviana, ny tontolo anankiray, koa matoa isika miatrika ady hafa dia satria tiantsika ny olona hihevitra an’ireo izay tena mijaly indrindra, tena voahosihosy indrindra, tena iharam-pahavoazana mafy indrindra, tena mamoy fo indrindra.

FAMARANANA

Ny fiombonan’ny mpitrongy vao homana sy ny fiarahamonina izay angatahiko aminareo mba hajoro androany hariva izany dia ny fiombonan’ny voailikilika sy ny tsy voailikilika, fiombonana tokony hanova ny fifandraisan’ny olona, ny fiainana politika, ny hevi-baventy iainantsika amin’izao fotoana izao. Tena fifanekena mihitsy no angatahiko hifanaovanareo androany hariva, fifanekena ifanaovan’ny mponina mitrongy vao homana sy ny Fanjakana ary ny olom-pirenena. Ny fanambin’ity fifanekena ity dia ny hanangana demokrasia nahazo fampianarana avy amin’ny tsy rariny nihatra tamin’ny olona sahirana ka mamerina aminy ny andraikitra maha olom-pirenena azy.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.