{"id":3654,"date":"2021-05-21T12:05:36","date_gmt":"2021-05-21T10:05:36","guid":{"rendered":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/?p=3654"},"modified":"2021-05-21T12:09:42","modified_gmt":"2021-05-21T10:09:42","slug":"voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/","title":{"rendered":"Voahodidina herisetra tsy misy farany"},"content":{"rendered":"<p>Raha mitodika any amin\u2019ny lavitra indrindra amin\u2019ny fahazazako aho, ny tadidiko dia efitrano lava be iray tao amin\u2019ny hopitaly, ary ny reniko nivazavaza tamin\u2019ilay relijiozy vavy niambina anay. Satria lahikely saozanina aho ka nampidirina hopitaly mba hanitsiana ny ranjoko.<\/p>\n<p>Tamin\u2019io andro io, nolazaiko an\u2019i neny fa tsy nomen&#8211;dry Masera ahy ilay entana naterina ny alahady teo. Tsy maintsy efa nisahirana mafy angamba i neny vao nahavory ireo vatomamy vitsivitsy ireo ka nisafoaka. Teo no ho eo ihany dia notsoahiny tao amin-dry masera aho ary nentiny nody tany an-trano.<\/p>\n<p>Nanomboka teo dia nijanona ho bingo tongotra aho, ary nandritra ny hatanorako manontolo, tsy maintsy niaritra ny fanarabiana sy ny fanesoana naterak\u2019io kilema io, nanahirana ahy koa ilay nikotringa kely, indrindra fony aho adolantsento.<\/p>\n<p>Araka izany, ny fifampikasohako voalohany indrindra tamin\u2019ny hafa ka mbola tsaroako, dia ny tsy rariny sy ny fahavoazana hanamarika ny vatako mandritra ny fiainako manontolo. Tsy isalasalana fa izany no nahatonga ahy tsy hahatanty ny orona misy lelo, ny ranjo bingo, ny vatana mbola tanora efa feno rangotra sahady manodidina ahy androany any amin\u2019ny tan\u00e0na vonjy taitra, ny fivangongoan\u2019ny trano baoritra, ny kartie tsizarizay.<\/p>\n<p>Nivazavaza tamin-dry masera ny reniko, tsy nahagaga ahy izany. Ny vazavaza, efa nahazatra ahy izany. Tao an-trano nivazavaza foana i dada. Nokapohiny ny zokinay lahimatoa, ary kivy mihitsy ny reniko satria any amin\u2019ny lohany foana no namelezany azy. Nompainy koa i neny ary niaina tsy an- kijanona tao anatin\u2019ny tahotra izahay.<\/p>\n<p>Efa taty aoriana ela, efa tonga tamin\u2019ny taonan\u2019ny lehilahy lehibe izy ka nizara ny fiainan\u2019ny lehilahy tahaka azy sy ny an\u2019ny fianakaviana tahaka ny anay, vao nazava tamiko fa hay ny raiko dia lehilahy nohitsakitsahina. Nijaly izy fa tsy nahatontosa ny fiainany : nokoboniny tao anatiny tao ny henatra tsy mba afaka nanome fiadanana sy fahasambarana ny vady aman-janany.<\/p>\n<p>Io ilay ratsy amin\u2019ny fahantrana. Tsy misy olona afaka mivelona voahitsakitsaka tahaka izany ka tsy hitroatra. Ny olona mahantra, na androany na taloha, dia mitroatra an-kerisetra toy izany foana.<\/p>\n<p>Nefa, ho an\u2019ilay izaho mbola lahikely, dia io no nampiditra ahy tanatin\u2019ny herisetra mavaivay tsy misy farany. Ny herisetra no fomba navaly ny sakantsakana, ny fahasahiranana isan-karazany sy isan\u2019andro. Ary tsy azoko an-tsaina akory fa ho ahy ny herisetra, tsy misy hafa amin\u2019ny an\u2019ny raiko, dia nanjary fanadiovako tena amin\u2019ny fanitsakitsahana tsy hita isa\u00a0\u00a0\u00a0 nasain\u2019ny fahantranay lalina nozakaina.<\/p>\n<p>Ny mbola mahavariana ahy foana , na efa be aza ny taona nivalona, dia ireto ray aman-dreniko tsy niresaka afa-tsy vola. Ry zareo tsy nanam-bola, nefa dia miady mivady tsy an-kijanona noho ny vola. Raha mba misy vola kely tafiditra ao an-trano, ny fomba handaniana azy no mampiady azy ireo.<\/p>\n<p>Taty aoriana, rehefa irery sisa i neny, dia mbola vola ihany no horesahiny aminay. Rehefa hiresaka momba ny olona nifanerasera taminay noho ny antony samihafa izy dia tsy maintsy miteny foana hoe mpanankarena izy ireny. Ny pretra ao amin\u2019ny paroasy dia holazainy hoe \u00abmpanankarena ireny\u00bb. Na dia ilay ramatoa fohy kely mpivarotra enta-madinika tao an-tan\u00e0na azy dia ho mpanankarena eo imasony. Tsy hoe nialona akory i neny. Fa rehefa noana ny manana aina ka teren\u2019ny tsy fisiana dia izay mahafeno ny banga ihany sisa no misy vidiny. Tahaka izany foana, ary any amin\u2019ny faritra malotoloto manodidina ny tan\u00e0nantsika any, ny tombontsoa, ny adiady, ny fifamelezana raha fehezina dia mandrakariva resa-bola foana.<\/p>\n<p>Mbola zaza bodo aho dia efa nalefa tamin\u2019io ady ho an\u2019ny sakafo io. Efa-taona aho, ary izaho no no nandroaka ilay osy vavy hankeny an-tsaha teny ambany. Io osy vavy io no namelona anay, ilay zandrinay faravavy vao teraka sy izahay ankizy rehetra.Rehefa nandroaka azy aho dia nandalo teo anoloan\u2019ny vavahadiben\u2019ny tranon-dry masera Bon Pasteur, ary nisy masera iray nanipy teny tamiko teo indraindray. Indray andro, nanotaniany aho raha te hiservia lamesa isa-maraina. Tamin\u2019io andro io aho no voaray hiasa voalohany. Satria dia tena fampidirana hiasa mihitsy ilay izy ho ahy. Mamaly aho amin\u2019ny lamesa dia hahazo kafe misy ronono eran\u2019ny zinga be isa-maraina, miaraka amin\u2019ny mofo, konfitiora, ary amin\u2019ny andro fety, dibera. Ambonin\u2019izany dia homena ariary roa isan-kerinandro aho. Ireo ariary roa ireo no nahatapa-kevitra ahy.<\/p>\n<p>Tamin\u2019izany aho no nanomboka niandraikitra ny fianakaviana, talohan\u2019ny fahadimy taonako. Isa-maraina, efa ho nahatratra iraika ambin\u2019ny folo taona, antsoin\u2019i neny aho ho an\u2019ny lamesa amin\u2019ny fito . Mila folo miniotra raha kely indrindra ny mihazakazaka mankany amin\u2019ilay lasapely, ao ambadiky ny tambohoben\u2019ny tranon-dry masera. Nangatsiaka aho rehefa ririnina, natahotra aho taoanatin\u2019ny haizina. Fa na mandrivotra na manorana, mitambonkona aho, mamon-torimaso, nefa koa mivazavaza romotra, mizotra amin\u2019ny lalana Saint-Jacques, midina ny lalana Brault, mangingina mampatahotra, mankany an-tsaha, handeha hiservia lamesa ao amin-dry masera mba hanomezana efapolo (40 sous) an\u2019i neny. Mino aho fa mbola tsy tapaka tamin\u2019io fihaonana isa-maraina io mihitsy, ary heveriko fa ny fahazazako rehetra dia niorina nanodidina an\u2019io avokoa.<\/p>\n<p>Tsy maintsy tena noana mafy ho anay i neny matoa nanaiky ny handefa ahy toy izany, zazalahy kely, eny an-dalana, isa-maraina. Tsy maintsy azoko an-tsaina koa ny fahasahiranany matoa aho nanaiky io fanompoana io, tsy nivonto fo na nanozona an\u2019Andriamanitra.<\/p>\n<p>Tsy ela akory koa anefa aho dia tsy maintsy miverina mandeha amin&#8217;io lalana io indray ny antoandro. Satria izahay no nahantra indrindra tao an-tan\u00e0na, tsy mahagaga raha,\u00a0 isaky ny mirava ny sekoly, dia mbola mihazakazaka mankany amin&#8217;ny tranon-dry masera\u00a0 aho, fa amin&#8217;ity kosa dia mba haka sakafo, mitovy amin&#8217;izay nohanin-dry zareo, amina lovia be na\u00a0 boaty vifotsy. Petipo\u00e0, voanemba, ovy, indraindray misy hena kely , izany no nomen-dry Masera Madeleine,\u00a0 tsy hadino koa ny mofo dipaina ngeza be izay hany fototry ny sakafonay mianakavy.<\/p>\n<p>Araka izany, ny andron&#8217;ny fahatanorako rehetra dia voasariky ny fiainan-dry maseran&#8217;ny Bon Pasteur avokoa, noho ny vavaka nataony sy ny sakafo nomeny, mba tsy hahatsiaro noana ny tao aminay .<\/p>\n<p>Mahatsiaro an\u2019izany aho amin&#8217;izao fotoana izao rehefa mandinika ny ankizy mihanika ny fanariam-pako, na manaraka ny saretin&#8217;ny rainy, eny an-dalana hitaona entana avy any anaty lakavy naefitra ambanin\u2019ny tafo nodiovina. Ry zareo manao brokantera, mikaroka fatim-by\u00a0;\u00a0 izaho niservia lamesa, niandry ny sakafonay teo am-bavahadin-dry masera. Androany tahaka ny tamin&#8217;izany, ny zaza mahantra tsy mba manam-pahazazana,\u00a0 vao mitsangan-drery izy dia ampandraisina andraikitra.<\/p>\n<p>Tsy isalasalana , fa tahaka ny ankizy mahantra ankehitriny, dia mba nisy koa fotoana nilalaovako sy nihomehezako. Dia\u00a0 namorona toerana ho ahy aho, fiereko, lalana falehako tsy ampopoizina, any amin&#8217;ny kartie ntaolontaolon&#8217;i Angers izay nanamboaranay sy ny namako lalana misampantsampana. Saingy efa nisy ilay lalana mankany amin-dry masera tsy maintsy natao isan&#8217;andro, lalan&#8217;ny henatry ny fahazazako\u00a0; io no nikosoka tao amin\u2019ny fahatsiarovako izay mba nety ho fiononana ho ahy.<\/p>\n<p>Lalan&#8217;ny henatra, ary mbola nisy hafa koa, mifandray foana amin&#8217;ny fitadiavana sakafo tsy misy farany. Azoko an-tsaina ny tenako, zazalahy kely, mamerina ny tavoahangina mena-boanjo\u00a0 tany amin&#8217;ilay ramatoa mpivarotra enta-madinika izay nasaiko nofenoina nandoavako dimampolo santima. Raha tsy nofenoina hatreny hatendakeliny mifampikasika amin\u2019ny\u00a0 bosoa ilay izy\u00a0 dia nasain&#8217;i neny naveriko mba hofenoina menaka kely atete vistivitsy: ady tsy misy farany sady mahamenatra ataon\u2019ny\u00a0 mahantra mba hihinanany sy hahavoky azy.<\/p>\n<p>Taty aoriana, tsy maintsy naverina tany amin&#8217;ny mpivarokena ireo henan-tsoavaly mafy loatra. Satria nahita asa hafa aho rehefa feno fito taona\u00a0 \u00a0: izaho no niantsena ho an&#8217;i Marie-Louise, vadin&#8217;ny mpivarokena\u00a0; ho setrin&#8217;izany izy dia nanome ahy saika isan&#8217;andro henan-tsoavaly mitentina ariary roa. Notakian&#8217;i neny ho tsy maintsy hena vaovao sy malemy izy io. Tsy nihambahamba izy naniraka ahy hiverina raha ilaina, nasainy nosoloina\u00a0 tsaratsara kokoa ilay izy, miaraka amin&#8217;ny porofo eny am-pelantanana, ho an&#8217;ny sakafonay mianakavy.<\/p>\n<p>Fa ny henatra kosa koa, natanjaka izahay noho io ary lasa ho azy ny totohondriko nataoko sandan\u2019ny fanandevozana nanery ahy hamelona ny fianakaviako. Tsaroako, fony izaho enin-taona, fa nisy bitika kely nifanandrina tamiko nopotehiko totohondry tao anaty fefy.<\/p>\n<p>Raha tonga tany amin\u2019ilay relijiozy vavy nisahana ny garabola ny reniko, mba hahalala raha afaka miditra any amin\u2019ny sekoly lehibe aho \u00ab mazava loatra, hoy ilay masera, alefaso any izy, eto izy,vonoiny daholo ny ankizy rehetra \u00bb.<\/p>\n<p>Araka izany, vao voatavo tsy mifandraka dia efa mifamatotra ny tsy fahampiam-bola sy ny henatra ary ny herisetra.<\/p>\n<p>Mbola tsy tsaroako mihitsy izany hoe niverina avy nianatra ka nahita an\u2019i neny mba miramirana izany. Nilaozana izy, ary tsy nahonon-tena amin\u2019ny fizakana samirery ny lanjan\u2019ankizy efatra. Teo koa ny vaovao avy amin\u2019ny raiko, indrindra ny vola tokony ho nalefany, izay tsy tsy tonga. Ny gazy tsy maintsy naloa, ny saribao rehefa ririnina, ny fatana fanafanana tsy maintsy soloina&#8230;<\/p>\n<p>Saika nangatsiaka foana tao aminay. Ilay trano fanefena vy nipetrahanay taloha feno rivotra miady. Mitsofoka avy ao ambany varavarana ny rivotra, eny anelanelan\u2019ny rindrina. Kesika nofonosina taratasy no nanaovana ny iray tamin\u2019ireny rindrina ireny . Rehefa rovitra ny taratasy, mifafy aminay ny rivotra.<\/p>\n<p>Nangatsiaka ihany koa satria ny efitrano fonenana rehetra tany ambonin\u2019ny anay tany dia nampifandraisin\u2019ny lalan-drivotry ny fatana tokana monja.Tentsina mtetika io lalan-drivotra io, hany ka rehefa mandrehitra afo izahay, i Th\u00e9r\u00e8se, ilay zanaky ny mpanjaitra, dia midina hanompa ny reniko, satria tafiditra any aminy ny setroka. Mba tsy hampisy olana, notsoahin\u2019i neny tamin\u2019ny fatana ny ny saribao nalainay teny amin\u2019ny fanariam-pakon\u2019ny orinasa mpanao gazy. Nanahirana mafy anay ny nitsimpona an\u2019ireny poti-tsaribao ireny, , nefa noho ny fahantrany angamba dia mainka koa nampihombo fa tsy niady velively tamin\u2019ny hatsiaka nanjaka tao an-trano.<\/p>\n<p>Ahoana ny hanazavana io reniko tsy miraika io, ary io no mbola tsikaritro ankehitriny amin\u2019ny reny mahantra maro be hitako any amin\u2019ny toerana misy fahantrana lalina ? Ny tsy fahasahiany mifanolana amin\u2019ny mpiara-monina dia tsy isalasalana fa avy amin\u2019ny harerahana, fa indrindra indrindra koa avy amin\u2019ny tahotra. Fantatr\u2019i neny fa vahiny izy ary tsy nitsahatra natahotra ny hampodiana any Espana tany niaviany, ny hahatogavan\u2019ny polisy hisambotra anay izay Andriamanitra irery no mahalala ny antony. Tahaka ny reny any amin\u2019ny tan\u00e0na vonjy maika izay manahy foana ny hahatongavan\u2019olona hanisy ratsy azy.<\/p>\n<p>Momba an\u2019i Th\u00e9r\u00e8se, ilay zanaky ny mpanjaitra, izay tonga namingavinga azy, mbola kely mihitsy aho tamin\u2019ilay andro nandraisako ilay sotroafo narangarangako taminy sady nikiakiaka aho. Asa loatra izy noteneniko taminy tao anatin\u2019ny hatezeran-jaza, fa nanomboka tamin\u2019izay, ilay afo mahantranay dia afaka niotrika tao anatin\u2019ilay fatana antitra izay efa vaky ny atiny ka notsentsenanay tamin\u2019ny tanimanga nalainay teny amin\u2019ny saha manodidina teny izay nitresatresaka.<\/p>\n<p>Mitaraina any amin\u2019ny hafa foana ny reniko ny amin\u2019izay manahirana azy rehetra, momba ahy, momba ny ahiahiny noho izaho, momba ny maha tratra aoriana ahy any an-tsekoly, momba ahy mbola mam\u00e0ny am-pandriana. Mbola vesatry ny henatra iray eo an-tsoroko koa io satria fantatry nytao amin\u2019ny kartie rehetra. Tsy mba nafenin\u2019ny mahantra ny feriny. Tsy mahatahiry hery hoentina manafina ny fahasahiranan\u2019ny fiainana mandreraka azy izy.<\/p>\n<p>Nefa dia noho ny reniko no nahafahako niatrika ny fanadinana CEPE. Vitsy\u00a0\u00a0 kely taminay, tao amin\u2019ilay sekoly tsy miankina, no tsy nahaloa ny sandan\u2019ny fampianarana, sady izahay no gisitra tao am-pianarana. Noho izany, tamin\u2019ny fanadinana faran\u2019ny taona, dia tsy nety hidi-kizo hanoratra anarana ahy ny tale. Efa tsy nanoratra anarana ny zokiko izy ary tsy nampaninona ny reniko iizany. Saingy rehefa tonga ny anjarako dia tsy nanaiky mora foana intsony izy. Fantany aho fa tsy dondrona, fantany aho fa niantsoroka andraikitra be dia be loatra, be loatra koa ny fahoriako sady miantraika lalina amiko ny tsy rariny. Ho anay izay nandray fanampiana, fa tsy mba izay maintsy nomena anay na oviana na oviana, ny tsy rariny dia mpahazo anay isan\u2019andro vaky. Tsy neken\u2019ny reniko ny mbola hanampiana anankiray indray an\u2019izany. Izy no nampanoratra anarana ahy sy nitondra ahy hanala CEPE.<\/p>\n<p>Ankehitriny vao fantatro ny fanafintohinana sy ny herimpo tsy maintsy\u00a0 voatahirin\u2019ny reniko mba hiarovana tahaka izany ny zanany. Mbola narovany foana aho, efa tsy hita intsony izay hevitra, nanaovana di-doha, rehefa nanipy teny ny vehivavy mpanao asa soa tao amin\u2019ny paroasy ny\u00a0hampidirana ahy tao amin\u2019ny Orphelins d\u2019Auteuil. Vinavina ohatra ny mba hendry ihany, saingy ho an\u2019ny ankizy teraka tao anatin\u2019ny fahantrana sy ho an\u2019ny reniny dia manala bar\u00e0ka izany fikasana hanabe azy tsy miaraka amin\u2019ny hafa izany.<\/p>\n<p>Nentin\u2019ny anankiray tamin\u2019ireny fientanam-po ho manan-kambo efa nahalalako azy tsara ireny ny reniko ka nand\u00e0. Naleony nafoy ny hamoram-pon\u2019ny mpanao asa soa tao amin\u2019ny paroasy<\/p>\n<p>Tsy miaraka amin\u2019ny hafa, efa toy izany izahay. Mahantra loatraizahay ka efa \u00ab natokana \u00bb tao amin\u2019ilay kartien\u2019ny madinika, natambatry ny fangatahana, fa tsy ny fifankatiavana.<\/p>\n<p>Tsy izahay irery anefa. Tadidiko ilay ilay reny mamo lava sy ilay zanany lahy tsy misy ray. Rehefa mody izy ny hariva, hitany mitsirara ao an-dakozia ny reniny, sintominy hankeny ambony fandriany dia ampatoriany. Indraindray, tonga ao aminay izy dia asain\u2019i neny miray latabatra aminay mba hiara-mihinana mofo sy lasopy.<\/p>\n<p>Mbola nisy koa ilay mpamosavy. Tsy tiany hijanona teo ambany varavarankeliny ny alika. Izahay ankizy kosa dia nampiasa ny rindriny ho toeram-pamanizana ary nobedesiny izahay. Tianay izy, ary izany no nanadalanay azy. Tsy mba ho nanadala an\u2019i R\u00e9tif mpivarokena izahay, na i Cesbron mpandrafitra. Ireny no ngeza tao amin\u2019ny kartie, tsy tao amin\u2019ny tontolonay ireny.<\/p>\n<p>Indray andro, hita maty noho ny hanoanana tao amin\u2019ny tranony tsizarizary ilay mpamosavy. Nandrittra ny dimy ambin\u2019ny folo andro, tsy olona niraharaha azy. Io hariva io, nitomany i neny, satria nety ho nahazo anay izany. \u00abIza moa no hiraharaha antsika, hoy izy, tahaka an\u2019io koa no hahafatesako.\u00bb<\/p>\n<p>Avy aminy ve no nianarako niady, tsy ho valifatin\u2019ny fanambaniana intsony fa ho fanafahana ny vahoaka voailikilika?<\/p>\n<p>Indray andro, anankiray lehibe indrindra tamin\u2019ny zazalahy tao an-tsekoly \u2013 Sich\u00e9 no anarany&#8211; tezitra be tamina zazalahy kely aina noho izy.Naankiny teo amin\u2019ny rindrin\u2019ny kabone ilay izy ,dia nasiany totohondry sy daka. Inona no nahazo ahy? Avy hatrany aho dia nitsambikina teny aminy, dia mba nasiako daka sy totohondry koa izy. Norangotiko ny tarehiny, mandra-pahatongan\u2019ny mpampianatra nisintona ahy mafy teo.<\/p>\n<p>Inona no nanaovana izany ? Tsinontsinoko velively ilay zazalahy kely endaka, inona ny antony niarovako azy ? Nefa dia izy no voarakitry ny fitadidiako fa tsy ny sazy azoko. Voaroaka ny sekoly aho ; fa zara raha misy tsaroako izay nitranga rehetra taorian\u2019io ady io. Fa ny voarakitra ato an- tsaiko tahaka ny fiovan-javatra dia ilay lahikely nodarohin\u2019i Clich\u00e9 izay matanjaka lavitra noho izy. Io, araka ny fahitako azy, no fotoana niantombohan\u2019ny ady izay mbola hotohiziko hatrany mandritra ny fiainako manontolo na dia azo antoka aza fa tsy ho tafavoaka mpandresy ahy amin\u2019izany.<\/p>\n<p>Tsy mora velively anefa izay manjary mpiady ho an\u2019ny voailikilika izany, satria tsy ho an\u2019 olona mitsitokotoko no irotsahana ho mpiady: reny mamo lava, mpamosavy, lahikely farofy, etsy sy eroa. Tsy maintsyatambatra ho vahoaka tokana izy mba hihaonako aminy, tsy maintsy mahatsiaro tena hoanisan\u2019io vahoaka io aho, tsy maintsy lasa ohatra ireo kilongan\u2019ny kartie fanariam-pako manodidina ny tan\u00e0n-dehibentsika ireo ity izaho efa olon-dehibe ity, oahtra ireo tanora tsy an\u2019asa mitomany noho ny haromotany. Izy ireny no manohy tsy misy farany ny fahantrana lalina niainako fahazaza, ary manambara amiko ny tsy fitsaharan\u2019ny fisian\u2019ny vahoaka misaringo-borodamba.<\/p>\n<p>Ananantsika ny fahefana hampitsahatra an\u2019io fitohizana tsy misy farany io. Tsy hisy intsony ny fahantrana lalina, rahampitso, raha ekentsika ny hanampy an\u2019ireny tanora ireny ho tonga saina manoloana an\u2019 io vahoaka misy azy io, hanova ny herisetrany ho ady voasaina, hampiasa ny fitiavana, ny fanantenana sy ny fahalalana ho fitaovam-piadiana, mba hanatontosa hatramin\u2019ny farany ny ady amin\u2019ny tsy fahalalana, ny hanoanana, ny fangatahana ary ny fanilikilihana.<\/p>\n<p>Tsy ho raharahan\u2019ny fitondram-panjakana fotsiny izany, fa ho raharahan\u2019olona manaiky ny hiara- dalana amin\u2019ny olona voailikilika, ny hampifamatotra ny fiainany amin\u2019ny azy, indraindray manaiky ny handao ny zavatra rehetra mba hiombona anjara aminy.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Raha mitodika any amin\u2019ny lavitra indrindra amin\u2019ny fahazazako aho, ny tadidiko dia efitrano lava be iray tao amin\u2019ny hopitaly, ary (&#8230;) <a class=\"more-link\" href=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/\">Read more <span class=\"meta-nav\">&rarr;<\/span><\/a><\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":3007,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"_acf_changed":false,"ep_exclude_from_search":false,"footnotes":""},"categories":[134,57],"tags":[],"class_list":["post-3654","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-ecrits-malgache","category-malagasy"],"acf":[],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.5 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Voahodidina herisetra tsy misy farany - Joseph Wresinski EN<\/title>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Voahodidina herisetra tsy misy farany - Joseph Wresinski EN\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Raha mitodika any amin\u2019ny lavitra indrindra amin\u2019ny fahazazako aho, ny tadidiko dia efitrano lava be iray tao amin\u2019ny hopitaly, ary (...) Read more &rarr;\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Joseph Wresinski EN\" \/>\n<meta property=\"article:published_time\" content=\"2021-05-21T10:05:36+00:00\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2021-05-21T10:09:42+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2020\/10\/Adventures_of_Tom_Sawyer-pg044-417x400-1.jpg\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"417\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"400\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/jpeg\" \/>\n<meta name=\"author\" content=\"Jean Tonglet\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Written by\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"Jean Tonglet\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:label2\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data2\" content=\"11 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"Article\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\\\/#article\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\\\/\"},\"author\":{\"name\":\"Jean Tonglet\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\"},\"headline\":\"Voahodidina herisetra tsy misy farany\",\"datePublished\":\"2021-05-21T10:05:36+00:00\",\"dateModified\":\"2021-05-21T10:09:42+00:00\",\"mainEntityOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\\\/\"},\"wordCount\":2672,\"commentCount\":0,\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2020\\\/10\\\/Adventures_of_Tom_Sawyer-pg044-417x400-1.jpg\",\"articleSection\":[\"Asasoratra\",\"MALAGASY\"],\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"CommentAction\",\"name\":\"Comment\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\\\/#respond\"]}]},{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\\\/\",\"name\":\"Voahodidina herisetra tsy misy farany - Joseph Wresinski EN\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2020\\\/10\\\/Adventures_of_Tom_Sawyer-pg044-417x400-1.jpg\",\"datePublished\":\"2021-05-21T10:05:36+00:00\",\"dateModified\":\"2021-05-21T10:09:42+00:00\",\"author\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\"},\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2020\\\/10\\\/Adventures_of_Tom_Sawyer-pg044-417x400-1.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2020\\\/10\\\/Adventures_of_Tom_Sawyer-pg044-417x400-1.jpg\",\"width\":417,\"height\":400},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Home\",\"item\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Voahodidina herisetra tsy misy farany\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/\",\"name\":\"Joseph Wresinski EN\",\"description\":\"A website coordinated by the Joseph Wresinski Centre\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Person\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\",\"name\":\"Jean Tonglet\",\"image\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"url\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"caption\":\"Jean Tonglet\"},\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/author\\\/jean\\\/\"}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Voahodidina herisetra tsy misy farany - Joseph Wresinski EN","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Voahodidina herisetra tsy misy farany - Joseph Wresinski EN","og_description":"Raha mitodika any amin\u2019ny lavitra indrindra amin\u2019ny fahazazako aho, ny tadidiko dia efitrano lava be iray tao amin\u2019ny hopitaly, ary (...) Read more &rarr;","og_url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/","og_site_name":"Joseph Wresinski EN","article_published_time":"2021-05-21T10:05:36+00:00","article_modified_time":"2021-05-21T10:09:42+00:00","og_image":[{"width":417,"height":400,"url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2020\/10\/Adventures_of_Tom_Sawyer-pg044-417x400-1.jpg","type":"image\/jpeg"}],"author":"Jean Tonglet","twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Written by":"Jean Tonglet","Est. reading time":"11 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"Article","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/#article","isPartOf":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/"},"author":{"name":"Jean Tonglet","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0"},"headline":"Voahodidina herisetra tsy misy farany","datePublished":"2021-05-21T10:05:36+00:00","dateModified":"2021-05-21T10:09:42+00:00","mainEntityOfPage":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/"},"wordCount":2672,"commentCount":0,"image":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2020\/10\/Adventures_of_Tom_Sawyer-pg044-417x400-1.jpg","articleSection":["Asasoratra","MALAGASY"],"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"CommentAction","name":"Comment","target":["https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/#respond"]}]},{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/","name":"Voahodidina herisetra tsy misy farany - Joseph Wresinski EN","isPartOf":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2020\/10\/Adventures_of_Tom_Sawyer-pg044-417x400-1.jpg","datePublished":"2021-05-21T10:05:36+00:00","dateModified":"2021-05-21T10:09:42+00:00","author":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0"},"breadcrumb":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/#primaryimage","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2020\/10\/Adventures_of_Tom_Sawyer-pg044-417x400-1.jpg","contentUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2020\/10\/Adventures_of_Tom_Sawyer-pg044-417x400-1.jpg","width":417,"height":400},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/voahodidina-herisetra-tsy-misy-farany\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Home","item":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Voahodidina herisetra tsy misy farany"}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#website","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/","name":"Joseph Wresinski EN","description":"A website coordinated by the Joseph Wresinski Centre","potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Person","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0","name":"Jean Tonglet","image":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","url":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","contentUrl":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","caption":"Jean Tonglet"},"url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/author\/jean\/"}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/3654","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=3654"}],"version-history":[{"count":3,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/3654\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":3658,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/3654\/revisions\/3658"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/media\/3007"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=3654"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=3654"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=3654"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}