{"id":3874,"date":"2021-10-04T16:57:11","date_gmt":"2021-10-04T14:57:11","guid":{"rendered":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/?p=3874"},"modified":"2021-10-06T14:28:15","modified_gmt":"2021-10-06T12:28:15","slug":"tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/","title":{"rendered":"Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tenanay izahay."},"content":{"rendered":"<p><em>Izao kosa indray no fomba nilazan\u2019i Mompera Joseph tamin\u2019ny teny fohy<br \/>\nny anton\u2019ny\u00a0\u00a0 Firohotana ATD-Quart Monde.<\/em><\/p>\n<p>Tsy mpamorona izahay fa mpandova fotsiny. Efa nisy nanomboka, ao anatin\u2019ny Eglizy ankehitriny, eto Frantsa sy manerana ny tany, nanangana Firohotana manatona ny mahantra sy ny vahoaka voailikilika. Olona tahaka ny Abb\u00e9 Godin, i mompera Depierre, ny Abb\u00e9 Pierre izay nanokatra varavarana, nitsofoka tany amin\u2019ny totolon\u2019ny fahantrana lalina. Izahay dia tafiditra ao anatin\u2019ny rivo-panahy sy rivo-pisainana baikoin\u2019ny fo, fa tsy rivo-pisainana fotsiny loatra, izay tafahaona tamin\u2019ny mahantra sy ny olon\u2019ny fahantrana lalina. Firohotana miady ho an\u2019ny fiadanana, ho an\u2019ny sakafo, ho an\u2019ny rariny, ireny tolona sy asa ireny dia mifandray any amin\u2019ny toerana miahy ny olona faran\u2019izay voahitsakitsaka. Tsy mpamorona izahay, na dia tarihin\u2019ny fahantrana lalina ho amin\u2019izany aza, mpampivoatra angamba izahay.<\/p>\n<p>Aiza no misy ny tena mampiavaka anay ? Tamin\u2019ny fotoana niantombohan\u2019ny Firohotana Fanampiana ny Voina Rehetra \u2013 Quart Monde dia natoky tena ny fiarahamonina ; nihevitra ny rehetra fa ny fandrosoana miaraka amin\u2019ny fanampiana dia hanafoana ny fahantrana lalina ary handeha ho azy izany ka tsy ho azo ihodivirana, tsy nisalasalana ny fandresena. Ahoana moa no hahafahana mino ny teninay, any amin\u2019ny ambaratonga rehetra any, ao anatin\u2019ny rivo-piainana toy zany ? Io ny olana goavana tsy maintsy nosedrainay. Tao anatin\u2019io rivo-piainana io ny Abb\u00e9 Pierre no nampivoitra ny zava-misy iainana\u2019reo faran\u2019izay mijaly ; ny an\u2019ny ATD-Quart Monde io dia nafantony tamin\u2019ny fianakaviana. Fahasahiana izany satria fotoana nanombohan\u2019ny fiarahamonina tsy niraharaha ny fianakaviana ; na ny mpanao asa sosialy na ny fahefam-panjakana dia mbola tsy nahazo foana ny antony anomezanay lanja manokana ny fianakaviana. Naninona izahay no mamikitra mafy amin\u2019ny fianakaviana ? Ny fianakaviana no hany fialokalofan\u2019ny olona rehefa tonga ny tsy fisiana ; ao sisa no mbola misy olona handray azy, ao sisa izy no mbola olona. Ao anatin\u2019ny fianakaviana izy no manana ny maha izy azy. Ny havany, ny zanany, ny vadiny, ny namany&#8230;ho azy dia ireny sisa no sehatra farany ho an\u2019ny fahafahany. Na dia esorina aminy aza ny zanany, ny lehilahy sy ny vehivavy dia mitodika hatrany amin\u2019ny olona naterany. Raha manome lanja an\u2019izany zava-misy iainan\u2019ny fianakaviana izany izahay dia lazaina fa olon\u2019ny taloha, nijaly izahay noho izany nefa tsy nanaiky ho voahozongozona.<\/p>\n<p>Fa ny tena andry niankinan\u2019ny Firohotana hatrany am-piandohana dia izahay izay tsy nanan- katolotra afa-tsy ny tenanay. Tsy tompon\u2019inona na inona izahay, tsy fikambanan\u2019ny HLM izahay, tsy mpiasa ara-tsosialy avy amin\u2019ny sampan-draharaha iray. Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tratranay sy ny fo nitempo tao anatiny tao. Tena faran\u2019izay tsy kitay tsy vary maina izahay, noho izahay tena tsy ampy fitaovana tanteraka no nahatonga ny fianakaviana faran\u2019izay sahirana handrayanay. Tsy nanana fahefana izahay na iray aza, tsy nanana fahefana ara-politika na ara-tsosialy, tsy nahazo fanohanana na fiantohana avy amin\u2019 antokom-pinoana. Tanam-polo sy tongotra tsy mikiraro no nentinay niditra tany amin\u2019ny atin\u2019ny fahantrana lalina. Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny maha izy anay izahay, vehivavy sy lehilahy tapa-kevitra ny hanokana ny fiainany hiara-miady amin\u2019ireo nakifika ho any anaty fahantrana lalina. Ny olona, ny fanandratana ny olona no tanjona tokana ho anay. Ireo fianakaviana miaina ao anatin\u2019ny fahantrana lalina, hatrany am-boalohany no efa nokasainay ho lasa mpiaro ny havany.Niainga avy lavitra izahay, tsy nanana olom-pantatra, voafatotry ny fiainan\u2019ny fianakaviana tsy manana na inona na inona. Maro be tamin\u2019izy ireo no tsy nahalala afa-tsy fahasahiranana, habadoana, aretina, tsy fananana asa, ary tsy maintsy koa voatositosika sy voailikilika. Ny notadiavinay dia ny hahatonga ny tolona ataony ho lasa antoky ny hamerenan\u2019ny fiarahamonina azy ho ao anatiny indray ka ho tompon\u2019andraikitry ny tenany manokana, ny zanany, ny fiainany, ny teniny. Ny kendrena amin\u2019io tolona io dia ny hijoro ho vavolombelona fa rehefa mety ho olona dia mahavita zavatra daholo : tsy misy olona na iray aza azo lazaina ho tsy misy ilana azy intsony. Raha afaka mivelona ao anatina firaisam-po sy firaisankina ny mahantra, na dia hodidin\u2019ny fahantrana lalina hatraiza hatraiza aza izy, raha vitan\u2019ny madinika ny manambara fa tsy ny fandaniana sy ny tombontsoa ihany akory no hany hery manosika ny fiainana sy ny fiarahamonina, dia tontolo vaovao araka izany no atolotra ny olona rehetra, fanovana hatrany ifotony ny fijery. Fifandraisana manana endrika hafa sy tolona manana tanjona hafa no natolotray.<\/p>\n<p>Tsy tambo isaina ny fahasahiranana manoloana ny tetikasa toy izany. Fahasahiranana avy amin\u2019ny fiarahamonina mpanankarena, mpanefohefo, tsy te hijery na tsy afa-mijery intsony ny fahantrana lalina lazainy fa efa voaravany. Voatery izahay nijoro ho vavolombelon\u2019izay renay, izay hitanay,<\/p>\n<p>izay niainanay. Tsy ampy ny nanambara tamin\u2019ny fo io fijoroana ho vavolombelona io ; tsy maintsy natao izay hahazoan\u2019ny sain\u2019ny olona tamin\u2019izany manakatra azy. Izany no nanery ny Firohotana hanangana ilay Foibe Fikarohana. Nambaranay mazava niaraka tamin\u2019ny porofo teo am- pelatananay : tsy hoe mbola misy foana fotsiny ny faran\u2019izay mahantra, indreo izy eo afovoantsika, fa noho ny zavatra asainareo hiainany dia izy ireo no vavolombelon\u2019ny tsy nanarahanareo ny zavatra naharesy lahatra anareo manokana, ny fanambarana nataonareo, ny filamatrareo.Ny namoronana ny Foibe Fikarohana dia asa politika amin\u2019ny heviny feno ; nanakiana miaraka amin\u2019ny porofo izy ary nanolo-kevitra. Nanamarina koa izy fa ny mponina etsy an-daniny dia mahavita mampivondrona ny olona avy amin\u2019ny tontolo rehetra hanohana izay hevitra mitombina ka hahafahan\u2019izay faraidiny misahana ny andraikiny. Noporofoiny fa tena manohitra tanteraka ny zony ny misakana an\u2019ireny fianakaviana ireny tsy handray ny andraikiny amin\u2019ny fianakaviana, amin\u2019ny fiarahamonina amin\u2019ny politika ary amin\u2019ny finoana.<\/p>\n<p>Lafiny iray hafa tsara marihina dia izao : manoloana io fiarahamonina manankarena izay mitady tsy hijery ny fahantrana lalina, ny Firohotana hatrany am-piandohany dia efa nisafidy ny hisokatra amin\u2019ny finoana rehetra, hisokatra amin\u2019ny politika rehetra&#8230; fa tsy hoe hand\u00e0 ny finoana na hand\u00e0 ny politika ; tena samy hafa be izany. Efa niainako ny tombontsoa azon\u2019ny katolika, sy ny mpino amin\u2019ny ankapobeny ; nitarika azy hitia ny hafa ny fanabeazana azony. Rehefa tojo Firohotana maro tsy nahavita niady ho an\u2019ny fanafahana ny mahantra indrindra aho, na dia izany aza ny faniriany, dia noheveriko fa adidintsika mpino ny tsy maintsy manolotra ho an\u2019ny olona rehetra ny tombontsoa azontsika. Ho ahy, ny olona rehetra, na iza izy na iza, na inona finoany, na inona heviny, na inona kolontsainy, dia zo sady rariny sy hitsiny ho azy ny ho afaka midina amin\u2019ny zanatohatra farany ambany indrindra eo amin\u2019ny fiarahamonina. Sarotra ny mieritreritra ny fahasahiranam-be aterak\u2019izany ho an\u2019ny olona tsy nahazo ny tombontsoa manokana azontsika izay miaina ao anatin\u2019ny sehatra misy antsika, isika izay zanaky ny Eglizy iray. Rehefa mety ho olona dia tokony hahavita mamadika ny fianakaviana iray faran\u2019izay mahantra ho lasa sehatra ifanatonana, ho mpitandro ny fanafahana ny olona hafa, ho fianakaviana mamonjy ny namany. Sarotra ho antsika ny manakatra ny fahorian\u2019ireo izay tsy mba nahalala hatramin\u2019ny fahazazany ny fijery mitodika any amin\u2019ny hafa, any amin\u2019ny mbola mahantra kokoa, izay manana fari-piainananofidian\u2019i Kristy manontolo tsy nisy tavela, rehefa manoloana ny fahantrana lalina izy ireny. Momba izany koa dia tsy azontsika an-tsaina matetika ny zava-bitan\u2019ny Eglizy amintsika.<\/p>\n<p>Ilay mpirotsaka an-tsitrapo voalohany, frantsay, tsy mino an\u2019Andriamanitra, hatramin\u2019izao dia tsy manana, manoloana ny fahantrana lalina, afa-tsy ny rariny sy ny fitiavan\u2019 olona lalim-paka Mikiky sy manimba azy ny tsy fahombiazan\u2019ny fianakaviana. Tsy afaka mihoatra an\u2019izany izy, tsy vitany ny hanaiky ny tsy fahombiazana, satria ho azy dia tsy misy ny mihoatra ny tsy fahombiazana. Raha milaza aho fa rariny ny fisokafana amin\u2019ny finoana rehetra ho an\u2019ireo izay tsy mba nahazo tombontsoa ka voataiza hanana fijery mitodika any amin\u2019ny hafa, tsy mirakitra fahafahampo velively izany teny izany. Ao amin\u2019ny olona rehetra dia misy toerana ho an\u2019ny hamoram-po, izay tokony haseho masoandro, hasaina miasa, ary tokony hokolokoloina dieny mbola zaza bodo io hamoram-po io. Avy amin\u2019ny fanabeazana na ny fibebahana no hahazoana ny fanaovana asa fiantrana izay midika ho fitia te hifampizara amin\u2019ny hafa, te hanjary ho ny hafa ka hijaly mafy, hizaka ao anaty izay mampijaly ny hafa, hanova izany fijaliana izany ho fanantenana.<\/p>\n<p>Ato amin\u2019ny Firohotana, mifamatotra avy hatrany amin\u2019ny olona izahay, tsy misy sampan-draharaha na rafitra manelanelana. Rehefa tsy voafetra na voahidy ao anaty Firohotana dia afaka mivelona amina tetikasam-piarahamonina miankina amin\u2019ny hafa, ilay tiana hizarana azy. Amin\u2019izay dia azonao atao ny mametraka ny fianakaviana faran\u2019izay mahantra eo anivon\u2019izao tontolo izao, eo amin\u2019ny foiben\u2019izao tontolo izao. Ny manao izay hahatonga ny olona faran\u2019izay sahirana ho foibe, dia manambatra ny olombelona\u00a0 rehetra\u00a0 ao anatin\u2019ny olona anankiray , tsy manodina ny fijery, tsy maneritery ny fahitana, fa mandefa azy hatrany amin\u2019ny fara fitiavana\u00a0; ny fitavana anefa tsy misy fetrany, tsy mihiboka izy, tsy azo fehezina, hadalana foana.<\/p>\n<p>Avy hatrany dia tsy maintsy an-kasahiana no ampifandraisina ny olona mahantra indrindra amin\u2019i Jesoa Kristy\u00a0: iray ihany izy ireo. Avy hatrany dia tsy misy olona na iray aza azo atosika, na manana izy na mahantra, na tompon\u2019andraikitry ny fahantrana mahazo azy izy na voatery miaritra azy. Ao amin\u2019ny Fitiavana dia tsy mba misy\u00a0 fetra. Samy zanak\u2019olombelona daholo ny rehetra, samy natao hitovy anjara daholo.<\/p>\n<p>Tonga tao amin\u2019ny Tobin\u2019i Noisy-le-Grand aho rehefa ela ny ela ka nanao anakampo hoe\u00a0:\u00a0\u00bbTsy ho tafavoaka ny fahantrana lalina samirery na oviana na oviana ireto fianakaviana ireto\u00a0: hasaiko miakatra ny tohatry ny Elys\u00e9e, ny Vatikana, ny ONU sy ny Firohotana goavam-be iraisam-pirenena\u00a0 ireo. Tsy maintsy atao izay hahatonga azy ho mpiara-miombona antoka tanteraka. Vinany tsy misy fotony, hoy ny eritreritry ny sasany, teraka teo amin\u2019io lembalemba ngazana io tamin\u2019ny fisasahan\u2019ny fahavaratra 1956. I Kristy tao\u00a0 Golgotha dia nijery an\u2019izao tontolo izao ary nanambara fa nandresy azy. Na iza na iza olona mametraka ny olona faran\u2019izay mahantra eo\u00a0 afovoan\u2019izay hitan\u2019ny masony dia tsy afaka ny tsy hahita ny zava-drehetra, tsya afaka ny tsy hampiditra ny olona rehetra, tsy ho vitany ny hanao an-jorom-bala na dia olona iray aza. Tahaka ny mba nandresy an\u2019izao tontolo izao koa izy.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Izao kosa indray no fomba nilazan\u2019i Mompera Joseph tamin\u2019ny teny fohy ny anton\u2019ny\u00a0\u00a0 Firohotana ATD-Quart Monde. Tsy mpamorona izahay fa (&#8230;) <a class=\"more-link\" href=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/\">Read more <span class=\"meta-nav\">&rarr;<\/span><\/a><\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":3089,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"_acf_changed":false,"ep_exclude_from_search":false,"footnotes":""},"categories":[134,57,159],"tags":[],"class_list":["post-3874","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-ecrits-malgache","category-malagasy","category-other-languages"],"acf":[],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.5 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tenanay izahay. - Joseph Wresinski EN<\/title>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tenanay izahay. - Joseph Wresinski EN\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Izao kosa indray no fomba nilazan\u2019i Mompera Joseph tamin\u2019ny teny fohy ny anton\u2019ny\u00a0\u00a0 Firohotana ATD-Quart Monde. Tsy mpamorona izahay fa (...) Read more &rarr;\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Joseph Wresinski EN\" \/>\n<meta property=\"article:published_time\" content=\"2021-10-04T14:57:11+00:00\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2021-10-06T12:28:15+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2020\/10\/Lets-Move-Forward3.jpg\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"708\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"368\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/jpeg\" \/>\n<meta name=\"author\" content=\"Jean Tonglet\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Written by\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"Jean Tonglet\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:label2\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data2\" content=\"7 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"Article\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\\\/#article\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\\\/\"},\"author\":{\"name\":\"Jean Tonglet\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\"},\"headline\":\"Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tenanay izahay.\",\"datePublished\":\"2021-10-04T14:57:11+00:00\",\"dateModified\":\"2021-10-06T12:28:15+00:00\",\"mainEntityOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\\\/\"},\"wordCount\":1704,\"commentCount\":0,\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2020\\\/10\\\/Lets-Move-Forward3.jpg\",\"articleSection\":[\"Asasoratra\",\"MALAGASY\",\"Other languages\"],\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"CommentAction\",\"name\":\"Comment\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\\\/#respond\"]}]},{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\\\/\",\"name\":\"Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tenanay izahay. - Joseph Wresinski EN\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2020\\\/10\\\/Lets-Move-Forward3.jpg\",\"datePublished\":\"2021-10-04T14:57:11+00:00\",\"dateModified\":\"2021-10-06T12:28:15+00:00\",\"author\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\"},\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2020\\\/10\\\/Lets-Move-Forward3.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2020\\\/10\\\/Lets-Move-Forward3.jpg\",\"width\":708,\"height\":368},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Home\",\"item\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tenanay izahay.\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/\",\"name\":\"Joseph Wresinski EN\",\"description\":\"A website coordinated by the Joseph Wresinski Centre\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Person\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\",\"name\":\"Jean Tonglet\",\"image\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"url\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"caption\":\"Jean Tonglet\"},\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/author\\\/jean\\\/\"}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tenanay izahay. - Joseph Wresinski EN","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tenanay izahay. - Joseph Wresinski EN","og_description":"Izao kosa indray no fomba nilazan\u2019i Mompera Joseph tamin\u2019ny teny fohy ny anton\u2019ny\u00a0\u00a0 Firohotana ATD-Quart Monde. Tsy mpamorona izahay fa (...) Read more &rarr;","og_url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/","og_site_name":"Joseph Wresinski EN","article_published_time":"2021-10-04T14:57:11+00:00","article_modified_time":"2021-10-06T12:28:15+00:00","og_image":[{"width":708,"height":368,"url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2020\/10\/Lets-Move-Forward3.jpg","type":"image\/jpeg"}],"author":"Jean Tonglet","twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Written by":"Jean Tonglet","Est. reading time":"7 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"Article","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/#article","isPartOf":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/"},"author":{"name":"Jean Tonglet","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0"},"headline":"Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tenanay izahay.","datePublished":"2021-10-04T14:57:11+00:00","dateModified":"2021-10-06T12:28:15+00:00","mainEntityOfPage":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/"},"wordCount":1704,"commentCount":0,"image":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2020\/10\/Lets-Move-Forward3.jpg","articleSection":["Asasoratra","MALAGASY","Other languages"],"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"CommentAction","name":"Comment","target":["https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/#respond"]}]},{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/","name":"Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tenanay izahay. - Joseph Wresinski EN","isPartOf":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2020\/10\/Lets-Move-Forward3.jpg","datePublished":"2021-10-04T14:57:11+00:00","dateModified":"2021-10-06T12:28:15+00:00","author":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0"},"breadcrumb":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/#primaryimage","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2020\/10\/Lets-Move-Forward3.jpg","contentUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2020\/10\/Lets-Move-Forward3.jpg","width":708,"height":368},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tsy-nanan-katolotra-afa-tsy-ny-tenanay-izahay\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Home","item":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Tsy nanan-katolotra afa-tsy ny tenanay izahay."}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#website","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/","name":"Joseph Wresinski EN","description":"A website coordinated by the Joseph Wresinski Centre","potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Person","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0","name":"Jean Tonglet","image":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","url":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","contentUrl":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","caption":"Jean Tonglet"},"url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/author\/jean\/"}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/3874","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=3874"}],"version-history":[{"count":2,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/3874\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":3905,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/3874\/revisions\/3905"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/media\/3089"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=3874"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=3874"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=3874"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}