{"id":4144,"date":"2022-03-17T13:25:23","date_gmt":"2022-03-17T12:25:23","guid":{"rendered":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/?p=4144"},"modified":"2022-03-21T12:20:21","modified_gmt":"2022-03-21T11:20:21","slug":"na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/","title":{"rendered":"Na oviana na oviana tsy  ho vorona maty intsony  no  mariky ny loza mahazo"},"content":{"rendered":"<p>Nisy toe-javatra iray nitranga\u00a0 tamin&#8217;ny fahazazako<br \/>\ntena nitondra akony lalina teo amin&#8217;ny fiainako.<br \/>\nTamin&#8217;ny fotoana nisian&#8217;ny fahoriana nianjady taminay.<br \/>\nInona no antony?<br \/>\nTsy fantatro ankehitriny :<br \/>\nefa milevina miaraka amina fahatsiarovana maro hafa<br \/>\nao anatin&#8217;ny saiko amin&#8217;ny maha olombelona ahy izy,<br \/>\nary mandrary an&#8217;ireo zavatra maro be<br \/>\nmifamahofaho ao amintsika ao,<br \/>\nizay antsoina hoe alahelo, fahoriana, hagagana, hakiviana.<\/p>\n<p>Fa ny mbola tavela ary matetika mitsinkafona indray,<br \/>\nka mampahatsiahy ny tebitebin&#8217;ny fahazazako, dia ilay vorona maty.<br \/>\nVolamena finch ilay izy<br \/>\nIzahay sy ny rahalahiko no namonjy azy<br \/>\nindray maraina rehefa avy niservia lamesa aho,<br \/>\nnanomboka tamin&#8217;izaho dimy taona, na ririnina na fahavaratra,<br \/>\nteny ambanin&#8217;ny lalana Brault,<br \/>\nteo amin&#8217;ilay toerana izay iandronan&#8217; ny ranomaimbo<br \/>\nrehefa miakatra ny ranon&#8217;i la Maine<br \/>\nka mahatondraka ny zaridaina sy ny trano ivaivan&#8217;ny Bon Pasteur.<\/p>\n<p>Tsy isalasalana fa nandositra ny tranony io vorona io.<br \/>\nNaratra ilay izy, ary tsy nandositra akory rehefa nalainay.<br \/>\nNanjary sakaizanay ilay izy, tsy nisy fanehoam-pitiavana azy tafahoatra,<br \/>\ntahaka ny fihetsiky ny mahantra nomena zavatra ka tsy mahay<br \/>\nizay fanao rehefa miteny hoe misaotra.<\/p>\n<p>Tonga \u00e0ry ny andro\u00a0\u00a0 naha fadiranovana anay mianakavy.<br \/>\nTsy vitan&#8217;i neny intsony ny nandamina ny tokantranonay<br \/>\nnefa hatrizay tsy nekeny mihitsy ny hahatonga azy ho fisoko<br \/>\n\u201cAmpirimo ity, ampirimo itsy, fafao, mikisaha ianao hamafako ny latabatra&#8230;\u201d<br \/>\nLatabatra tokana no\u00a0 anamboaran&#8217;i neny ny legioma,\u00a0 anomanany ny\u00a0 sakafo,<br \/>\nametrahany ny fitaovam-pihinanana, andaharany ny vilia sy sotro,<br \/>\nanaovanay ny entimodinay ny hariva,<br \/>\namakianay boky, -izay mahasorena azy:<br \/>\nMbola tsy vita foana ve ny vakiteninao nefa ny asa betsaka e!\u201d<\/p>\n<p>Mampalahelo i Neny! Aorian&#8217;ny sakafo hariva sy ny alakamisy,<br \/>\ndia vitainay ny fampidirana ao anatin&#8217;ny baoritra itoerany<br \/>\nny anjara taratasin-tsigara Zig-Zag-nay<br \/>\namin&#8217;izay mba samy mahazo vola kely.<br \/>\nIzany fotoana izany ve no nahatonga ahy tsy hahatanty sigara<br \/>\nsy ny mikasika azy rehetra?<\/p>\n<p>Tamin&#8217;ireny fotoana ireny anefa tsy nanao io asa io intsony izahay.<br \/>\nNy hariva, nipetraka fotsiny teo izahay,<br \/>\ntalohan&#8217;ny hatory, tsy misy sahy miteny,<br \/>\ntahaka ireny ilay hoe hitera-doza hafa ireny indray ny feonay.<br \/>\nMbola ho any am-pianarana ve izahay? Asa, tsy fantatro intsony!<br \/>\nTsaroako i Martin kely zandriko<br \/>\nizay tsy nanao afa-tsy nitomany.<br \/>\nTahaka ireny ilay nitsaha-nihodina ireny fotoana ho anay,<br \/>\ntsy nisy zavatra nisy vidiny intsony.<br \/>\nTahaka ireny maty ireny izahay.<br \/>\nNitrongy vao homana isan&#8217;andro izahay.<\/p>\n<p>Hafiriana no naharetan&#8217;izany?<br \/>\nFotoana fohy ihany angamba, saingy navesatra loatra ka tena loza<br \/>\nka niraikitra ao amin&#8217;ny fahatsiarovako<br \/>\nary maka toerana faran&#8217;izay lehibe ao.<br \/>\nEny, angamba tsy naharitra afa-tsy andro vitsivitsy izy ireny.<br \/>\nRaha tsy izany dia tsy maintsy ho potika izahay ankizy na ahoana na ahoana,<br \/>\nary afaka nandositra ny fahorian&#8217;i neny.<br \/>\nAngamba mihitsy moa<br \/>\nefa nisy fotoana nandosiranay azy.<\/p>\n<p>Nefa indray andro dia niverina ny masoandro,<br \/>\ntao amin&#8217;ilay efitrano fonenanay<br \/>\nvao amin&#8217;ny efatra ao, na dia amin&#8217;ny fahavaratra aza , dia rakotry ny aloka.<br \/>\nNanao ahoana ny fiposany?<br \/>\nTamin&#8217;ny alalan&#8217;ny vaovao tsara ve, sa fanomezana,\u00a0 sa teny mamy?<br \/>\nTsy fantatro intsony.<br \/>\nFa nizotra ara-dal\u00e0na indray ny fandehan&#8217;ny fotoana,<br \/>\nnody tsikelikely ny aina,niverina tamin&#8217;ny laoniny &#8211; toy ny taloha &#8211; ny zava-drehetra.<\/p>\n<p>Tsikaritray tamin&#8217;izay fotoana izay<br \/>\nfa tsy nihirahira intsony ilay vorona.<br \/>\nNatopinay moramora tany amin&#8217;ny tranony ny masonay,<br \/>\nmeloka izahay satria tsy nikarakara ilay sakaizany.<br \/>\nNaninona \u00e0ry izahay no tsy niraharaha azy?<br \/>\nSatria ve tamin&#8217;ireny fotoan-tsarotra ireny<br \/>\ndia tsy mba afaka nanampy anay izy?<br \/>\nFa angamba kosa aloha<br \/>\nsatria navesatra loatra ny fahoriana<br \/>\nka niato daholo ny zava-drehetra, ny fotoana, ny fihetsehampo, Andriamanitra:<br \/>\n\u201cRaha nisy Izy ! Tsia, aleo kokoa Izy tsy misy,<br \/>\nsatria tokony ho nompainay.\u201d<br \/>\nHoy Rtoa Duburguois tamiko.<\/p>\n<p>Fa ilay vorona aloha dia maty.<br \/>\nMatin&#8217;ny hanoanana,<br \/>\nHo azy dia vita teo ny fiainana, hadinonay izy.<br \/>\nTahaka ny nanadinoanay ny misasa,<br \/>\nny mihinana, ny miteny, ny mivavaka.<\/p>\n<p>Raha ny fahitana azy dia dila ilay oran&#8217;ny fahoriana,<br \/>\nsaingy tsy maintsy maka ny toerany daholo indray ny zava-drehetra.<br \/>\nTsy maintsy niverina tsikelikely<br \/>\nnandray ny andraikitra maha reny azy i neny, reny tsy manana ahiahy, reny matoky tena.<br \/>\nTsy maintsy miverina maka ny toerany ny manana aina sy ny zavatra.<br \/>\nNy fifandraisana amin&#8217;ny mpiara-monina,<br \/>\nny tafahoatra loatra mety ho nataon&#8217;ny reninay,<br \/>\ntsy maintsy notsoahiny tsikelikely ireny.<br \/>\nAry indrindra manoloana ny naterany , tsy maintsy hadinoina<br \/>\nny fahasorenana, ny fifandisoan-kevitra<br \/>\nizay teraka tamin&#8217;ireny fotoana ireny.<\/p>\n<p>Izahay koa mba tafaverina indray tany an-tsekoly,<br \/>\nniverina namonjy lamesa maraina be.<br \/>\nNanao ny Zig-Zag indray izahay.<br \/>\nTsy mahazo manadino mivavaka intsony izahay.<br \/>\nTsy maintsy nisasa izahay,\u00a0 tsy nahazo nametraka korontana teo amin&#8217;ny latabatra.<br \/>\nTsy maintsy naverinay ilay fomba fiainanay fahiny.<\/p>\n<p>Fa mety ho vita ve ny mamerina tahaka izany,<br \/>\nrehefa diso sesimototra loatra ireny toe-javatra ireny<br \/>\ntahaka ny mahazo ny mahantra?<br \/>\nAhoana no ahafahana miainga indray hatrany<br \/>\naorian&#8217;ireny fotoana niatoana ireny<br \/>\nary mbola tsy mety kosehina ao an-tsaiko ny marika<br \/>\nnavelan&#8217;ilay vorona maty tao an-tranony,<br \/>\nny rantsan-tongony kely miforitra manondro lanitra,<br \/>\ntahaka ny porofo mivaingan&#8217;ireo fahoriana<br \/>\nmbola tsy nanakom-pery akory dia efa miverina sahady.<\/p>\n<p>Refa mijanona tampoka lava izao ny fotoana,<br \/>\nrehefa mamela marika lalim-paka ny toe-javatra,<br \/>\nmety ho vita ve ny hijery ny\u00a0 zavatra sy ny manana aina<br \/>\ntahaka ny fijerin&#8217;ny olon-drehetra,<br \/>\nny hamonjy ny fotoana very,<br \/>\nny handamina sy hametraka indray ny zava-dehetra amin&#8217;ny toerany?<\/p>\n<p>Ho vita ve ny hino fa misy lamim-piainana,<br \/>\nfa azo aorina ny fiainana, azo atao ny miaina?<br \/>\nTsy matoky izany aho,<br \/>\nafa-tsy raha ohatra angaha ka sendra fitiavan-dehibe manodidina ny tena.<\/p>\n<p>Eo am-panoratana ireo teny farany ireo aho dia tsy afaka ny tsy hieritreritra<br \/>\nny fitiavana nomen&#8217;i Kristy ny tsy misy mpiahy.<br \/>\nMba hizaran&#8217;izy ireo io fitiavana io miaraka Aminy, dia naka ny toetran&#8217;izy ireo Izy,<br \/>\nnataony tonga teo amin&#8217;ny fiainany Izy,<br \/>\nniaina ny fiainan&#8217;izy ireo Izy.<br \/>\nIzany no nahatonga azy Ilay Mandrakizay nanjary nanam-petra.<br \/>\nIzy koa dia niaina ireny fotoana niato ireny,<br \/>\nnaaton&#8217;ny loza, ny antambo,<br \/>\nny tebiteby tsy misy farany.<\/p>\n<p>Dia lasa ohatra ny maty Izy ao amin&#8217;ny ankehitrinin&#8221;ny mahantra.<br \/>\nIsaky ny misy loza, isaky ny misy antambo,<br \/>\nnoho ny fanenjehana sy famelezana am-pitaka,<br \/>\ndia mainka koa Izy nitovy tamin&#8217;ny mahantra,<br \/>\nmandra-pahatongany teny Golgota,<br \/>\nnanjary Izy no ilay faran&#8217;izay nijaly indrindra.<br \/>\nTamin&#8217;io ora io ny fitiavana no nandresy ny fahantrana<br \/>\nary tafiditra any amin&#8217;ny Mandrakizay ny mahantra.<\/p>\n<p>Noho izany nanomboka teo &#8211; ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra -,<br \/>\ntsy ho irery intsony mihitsy i Kristy:<br \/>\nraha mandray Azy dia mandray ny mahantra rehetra,<br \/>\nraha manampy Azy dia manampy azy rehetra, raha tia Azy dia tia azy rehetra.<\/p>\n<p>Ry namako, na iza na iza isika dia mitory fitiavana.<br \/>\nFantatsika fa ny fitiavana ihany no hany hamorona<br \/>\nfotoana vaovao ho an&#8217;ny mahantra,<br \/>\nary, noho ny fitiavana,\u00a0 dia tsy hisy intsony na iray aza, olona efa antitra,<br \/>\nhanadino fa indray andro nahasafotry ny fahoriana<br \/>\ndia ohatra ny niato ny fotoana ho azy sy ny ankohonany,<br \/>\nary ny marik&#8217;io fiatoana io dia vorona maty.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Nisy toe-javatra iray nitranga\u00a0 tamin&#8217;ny fahazazako tena nitondra akony lalina teo amin&#8217;ny fiainako. Tamin&#8217;ny fotoana nisian&#8217;ny fahoriana nianjady taminay. Inona (&#8230;) <a class=\"more-link\" href=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/\">Read more <span class=\"meta-nav\">&rarr;<\/span><\/a><\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":4140,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"_acf_changed":false,"ep_exclude_from_search":false,"footnotes":""},"categories":[134,57,159],"tags":[],"class_list":["post-4144","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-ecrits-malgache","category-malagasy","category-other-languages"],"acf":[],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.5 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Na oviana na oviana tsy ho vorona maty intsony no mariky ny loza mahazo - Joseph Wresinski EN<\/title>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Na oviana na oviana tsy ho vorona maty intsony no mariky ny loza mahazo - Joseph Wresinski EN\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Nisy toe-javatra iray nitranga\u00a0 tamin&#8217;ny fahazazako tena nitondra akony lalina teo amin&#8217;ny fiainako. Tamin&#8217;ny fotoana nisian&#8217;ny fahoriana nianjady taminay. Inona (...) Read more &rarr;\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Joseph Wresinski EN\" \/>\n<meta property=\"article:published_time\" content=\"2022-03-17T12:25:23+00:00\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2022-03-21T11:20:21+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2022\/03\/Female-American-Goldfinch-in-moulting-plumage.-Photo-by-Craig-Houghton.jpg\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"795\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"1065\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/jpeg\" \/>\n<meta name=\"author\" content=\"Jean Tonglet\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Written by\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"Jean Tonglet\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:label2\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data2\" content=\"5 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"Article\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\\\/#article\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\\\/\"},\"author\":{\"name\":\"Jean Tonglet\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\"},\"headline\":\"Na oviana na oviana tsy ho vorona maty intsony no mariky ny loza mahazo\",\"datePublished\":\"2022-03-17T12:25:23+00:00\",\"dateModified\":\"2022-03-21T11:20:21+00:00\",\"mainEntityOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\\\/\"},\"wordCount\":1165,\"commentCount\":0,\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2022\\\/03\\\/Female-American-Goldfinch-in-moulting-plumage.-Photo-by-Craig-Houghton.jpg\",\"articleSection\":[\"Asasoratra\",\"MALAGASY\",\"Other languages\"],\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"CommentAction\",\"name\":\"Comment\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\\\/#respond\"]}]},{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\\\/\",\"name\":\"Na oviana na oviana tsy ho vorona maty intsony no mariky ny loza mahazo - Joseph Wresinski EN\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2022\\\/03\\\/Female-American-Goldfinch-in-moulting-plumage.-Photo-by-Craig-Houghton.jpg\",\"datePublished\":\"2022-03-17T12:25:23+00:00\",\"dateModified\":\"2022-03-21T11:20:21+00:00\",\"author\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\"},\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2022\\\/03\\\/Female-American-Goldfinch-in-moulting-plumage.-Photo-by-Craig-Houghton.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2022\\\/03\\\/Female-American-Goldfinch-in-moulting-plumage.-Photo-by-Craig-Houghton.jpg\",\"width\":795,\"height\":1065},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Home\",\"item\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Na oviana na oviana tsy ho vorona maty intsony no mariky ny loza mahazo\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/\",\"name\":\"Joseph Wresinski EN\",\"description\":\"A website coordinated by the Joseph Wresinski Centre\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Person\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\",\"name\":\"Jean Tonglet\",\"image\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"url\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"caption\":\"Jean Tonglet\"},\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/author\\\/jean\\\/\"}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Na oviana na oviana tsy ho vorona maty intsony no mariky ny loza mahazo - Joseph Wresinski EN","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Na oviana na oviana tsy ho vorona maty intsony no mariky ny loza mahazo - Joseph Wresinski EN","og_description":"Nisy toe-javatra iray nitranga\u00a0 tamin&#8217;ny fahazazako tena nitondra akony lalina teo amin&#8217;ny fiainako. Tamin&#8217;ny fotoana nisian&#8217;ny fahoriana nianjady taminay. Inona (...) Read more &rarr;","og_url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/","og_site_name":"Joseph Wresinski EN","article_published_time":"2022-03-17T12:25:23+00:00","article_modified_time":"2022-03-21T11:20:21+00:00","og_image":[{"width":795,"height":1065,"url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2022\/03\/Female-American-Goldfinch-in-moulting-plumage.-Photo-by-Craig-Houghton.jpg","type":"image\/jpeg"}],"author":"Jean Tonglet","twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Written by":"Jean Tonglet","Est. reading time":"5 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"Article","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/#article","isPartOf":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/"},"author":{"name":"Jean Tonglet","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0"},"headline":"Na oviana na oviana tsy ho vorona maty intsony no mariky ny loza mahazo","datePublished":"2022-03-17T12:25:23+00:00","dateModified":"2022-03-21T11:20:21+00:00","mainEntityOfPage":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/"},"wordCount":1165,"commentCount":0,"image":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2022\/03\/Female-American-Goldfinch-in-moulting-plumage.-Photo-by-Craig-Houghton.jpg","articleSection":["Asasoratra","MALAGASY","Other languages"],"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"CommentAction","name":"Comment","target":["https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/#respond"]}]},{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/","name":"Na oviana na oviana tsy ho vorona maty intsony no mariky ny loza mahazo - Joseph Wresinski EN","isPartOf":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2022\/03\/Female-American-Goldfinch-in-moulting-plumage.-Photo-by-Craig-Houghton.jpg","datePublished":"2022-03-17T12:25:23+00:00","dateModified":"2022-03-21T11:20:21+00:00","author":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0"},"breadcrumb":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/#primaryimage","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2022\/03\/Female-American-Goldfinch-in-moulting-plumage.-Photo-by-Craig-Houghton.jpg","contentUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2022\/03\/Female-American-Goldfinch-in-moulting-plumage.-Photo-by-Craig-Houghton.jpg","width":795,"height":1065},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/na-oviana-na-oviana-tsy-ho-vorona-maty-intsony-no-mariky-ny-loza-mahazo\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Home","item":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Na oviana na oviana tsy ho vorona maty intsony no mariky ny loza mahazo"}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#website","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/","name":"Joseph Wresinski EN","description":"A website coordinated by the Joseph Wresinski Centre","potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Person","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0","name":"Jean Tonglet","image":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","url":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","contentUrl":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","caption":"Jean Tonglet"},"url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/author\/jean\/"}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/4144","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=4144"}],"version-history":[{"count":5,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/4144\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":4154,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/4144\/revisions\/4154"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/media\/4140"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=4144"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=4144"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=4144"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}