{"id":4370,"date":"2022-12-22T00:00:55","date_gmt":"2022-12-21T23:00:55","guid":{"rendered":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/?p=4370"},"modified":"2022-12-21T19:05:26","modified_gmt":"2022-12-21T18:05:26","slug":"rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/","title":{"rendered":"Rehefa tafaray amin\u2019ny rariny ny fitiavana."},"content":{"rendered":"<p>Ry namana,<\/p>\n<p>30 taona lasa izay no nahitako ny tobin\u2019i Noisy-le-Grand. Fianakaviana 252 no noraisina tao. Tsy nisy mpiraharaha ry zareo tao, nilona tao anaty fahantrana lalina, nihiboka tanteraka, hany ka tonga hatrany amin\u2019ny Ravensbr\u00fcck ny sain\u2019 i Genevi\u00e8ve de Gaulle raha vao niditra tao.<\/p>\n<p>Ho ahy manokana, ny nanaitra ahy dia ny fandavan\u2019ny fianakaviana ny fari-piainana noterena hiantsorohany. Namorona izao tetika rehetra izao izy mba handresena ny tsy fahombiazana sy ny faniratsirana isan-karazany , saingy aim-bery foana! Tamin\u2019izany no nahitako fa ny fahantrana lalina dia homamiadana tsy nety resin\u2019ny fianakaviana mihitsy na inona na inona herimpony sy ezaka nataony.<br \/>\nVery maina mantsy ny fandavany ny fanavakavahana ny zanany any amin\u2019ny toerana fanabeazana ny ankizy. Very maina toy izany koa ny fiezahan\u2019ny lehilahy hahita asa fivelomana. Na inona na inona fikirizany sy fikaratahany dia tsy tafavoaka ny fahasahiranana ara-bola foana ny fianakaviana. Kivy izy tsy mba afaka manome fanantenana ny tanora sy mamboly fitiavana ao am-pon\u2019ny ankizy. Mifarimbona ny zava-drehetra mba hahatonga azy tsy hatoky ny hoavy.<\/p>\n<p>Izany rehetra izany no nibahana tao am-poko raha vao niditra an\u2019io toby nanirahan\u2019ny evekeko ahy io aho, mandritra ny volana vitsivitsy ihany.<\/p>\n<p>Amin\u2019izao fotoana izao, 30 taona aty aoriana, dia manontany tena aho hoe : \u201cNahoana aho no nijanona niaraka tamin\u2019ireo fianakaviana ireo, na dia teo aza ny tsy hadisoan-kevitra sy ny faniratsirana tsy nitsahatra niarahanay nizaka\u201d?<\/p>\n<p>Tany am-piandohana dia ny ankizy no nahatazona ahy; izy ireo no nampahalala ahy fa raha tiana hifarana ny fahantrana lalina dia tanana, fo sy saina no ilaina. Toy izany i Nono izay nomeko sokol\u00e0 ary lasa haingana nizara ilay izy tamin\u2019ny zandriny vavy. Mpitevy ala izy ankehitriny. Tsy fantany akory angamba fa noho izy dia takatro fa ny fitiavana dia ny mitia ny hafa mihoatra ny tena. Na dia eo aza ny hanoanana, ny hatsiaka sy ny tahotra.<\/p>\n<p>Toy izany koa i G\u00e9rard izay nikiakiaka noho ny tahotra tao anaty haizina, noho ny toerana tsy nisy herinaratra, izy no nitantana ahy ho any amin\u2019ny hazavana. Izy no nahafahako nahalala fa tokony hambabo ny fontsika ny rariny.<br \/>\nToy izany koa i Jacques, katita kely vao 10 taona, maty vao tsy ela ny osivaviny. Izy no nampahatsiahy ahy ny ankizy rehetra maneran-tany matin\u2019ny hanoanana. Izy no nampahatsiahy ahy ilay osivavy nentiko isan\u2019andro tany an-tsaha, tany am-pitan\u2019ny lalana Brault, fony izaho 4 taona, amin\u2019izay ny zandriko vavy kely mba mahazo ronono.<br \/>\nInona no ataonao raha misy zaza milaza aminao hoe :\u201d Maty ny osivaviko, tsy hanana ronono intsony izahay\u201d, tsy ny manome azy osivavy ve?<br \/>\n\u201cTe hitendry lokanga aho\u201d, hoy i Marcel tamiko, indray andro.<br \/>\nMitady lokanga ho azy, mangataka ny namana hampianatra azy. Ho ahy dia mandeha ho azy izany, satria i Marcel dia sarin\u2019ireo mahantra izay mangataka ny ho afaka mitia izay tiavintsika.<br \/>\nTia mandihy be i Mathilde. Entiko any Paris izy , tsy lavitra ny Trocad\u00e9ro, manaraka fampianarana isan\u2019alarobia. I Jocelyne te ho lasa mpianjaika, nasaiko noraisina tao amin\u2019ny lalana Royal izy, tao amin\u2019i Jacques Griff. Te hanana bisikileta i Jacques; ny an\u2019i Nathalie loko sy latabatra fanaovana hosodoko; ny an\u2019ny iray hafa famantaranandro, . Ny an\u2019ny ankamaroany mofo, vola kely; ho an\u2019ny vavikely sasany akanjo vaovao misy voninkazo tsara tarehy\u2026<\/p>\n<p>Nofinofisiko izany amin\u2019ny alina. Tsaroako ilay izaho mbola zaza izay be zavatra tsy nananana. Fa noho ny nataon\u2019i neny dia mba afaka niditra an-tsekoly aho. Izaho koa mba naniry ny hidiran\u2019ny ankizy rehetra an-tsekoly, ny hianarany, ary izany no nijanonako niaraka tamin\u2019ny fianakaviany.<br \/>\nNitady boky vaovao be ho an\u2019ny zanak\u2019izy ireo aho, nampianariko katesizy sy ny fanoharana ao amin\u2019ny evanjely izy ireo, tao amin\u2019ny kitranotrano kely iray nasaiko nohavaozina ny noravahan\u2019ny mpiasa soedoa.<\/p>\n<p>Nisy ny nahatakatra ny tao an-tsaiko. Saingy maro be no tsy nankasitraka ny nataoko. Nefa dia ireo ankizy rehetra nitady ahy sy nangataka tamiko zavatra tsy nampoiziko velively ireo no namaritra ny lalam-piainako amin\u2019ny maha lehilahy sy amin\u2019ny maha pretra ahy.<\/p>\n<p>Isaky ny mibaliakan\u2019ny hafaliana ny ankizy, ny hasambarako dia ny mahita ny ray aman-dreny milamin-tsaina. Tsapako ohatra ny misy rivodrivo-pahasambarana izany tafiditra ao amin\u2019ny toby Io hasambarana io ihany no ivelomako nandritra ny 30 taona rehefa nihemotra ny fahantrana lalina ka naka ny toerany ny fandriampahalemana sy ny fifaliana,tany Bangkok, tany Londres, tany NewYork, tany Marseille, tany Bangui, tany Port-au-Prince.<\/p>\n<p>Omaly, maro be ireo tsy nitsahatra namerimberina tamiko hoe : ny tena ilaina dia ny mampianatra an-dry zareo hahalala fomba. Tsy ho sambatra mihitsy na oviana na oviana izy miaraka amin\u2019ireo ray aman-dreny ireo. Maninona izy raha tsoahina amin\u2019ny fianakaviany?\u201d<br \/>\nOmaly tahaka ny androany, fantatro fa mendrika ary te ho tompon\u2019andraikitra ny ray aman-dreny. Izany no antony iarovako azy, hazavaiko any amin\u2019ny firaisana, any amin\u2019ny polisy, any amin\u2019ny fikambanana iraisam-pirenena, any amin\u2019ny Fiangonana, amin\u2019ny rehetra rehetra, fa tena be herimpo izy ireo ary tsy iadiany varotra ny fahoriany.<\/p>\n<p>Mazava loatra, nandritra izay 30 taona izay dia tsy tambo isaina ny fahasahiranana mampiditra ny rariny- ao am-pon\u2019ny olombelona. Nanampy ahy mafy tamin\u2019izany ny fianakaviana. Tahaka an-dRamatoa Thommeret dia naverimberin-dry zareo tamiko ny hoe : \u201cIanao no namerina taminay ny hajanay\u201d<br \/>\nNisy mpirotsaka an-tsitrapo nentanin\u2019io idealy io koa nanaraka ahy. Ary ianareo, ry namako, ianareo no niantoka fa ny tolona omaly dia ho tolon\u2019ny rahampitso.Tsapanareo fa niainantsika ilay lalan-davitra be ho fanajana ny zon\u2019ny mahantra. Tsy ho maso manao tsinontsinona azy na oviana na oviana intsony no hijerena ny fianakaviana, tsy horaisina na oviana na oviana intsony ho toy ny mpiangavy izy.Noho isika dia tsy isalasalana fa sambany hisy ray sy reny hahita indray fahatokisan-tena, hivondrona, hanangana fiainana mendrika ho an\u2019ny taranany.<br \/>\nRaha fintinina, noho isika rehetra, manankarena sy mahantra, ny ady amin\u2019ny fahantrana lalina dia nanjary ady ho an\u2019ny haja amam-boninahitra.<\/p>\n<p>Ry namana, nandritra ny 30 taona, betsaka ny Noely niainantsika, ny Noely tsara indsrindra maneran-tany!<br \/>\nManomboka izao, ny olona rehetra, na inona na inona fari-piainany, dia hamela ny fony ho tia ny rariny.Misy lalana misokatra io, avelaontsika ny hafa mba handeha eo, amin\u2019izay any aoriana any, dia ho nofy ratsy sisa izany hoe fahantrana lalina izany.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Ry namana, 30 taona lasa izay no nahitako ny tobin\u2019i Noisy-le-Grand. Fianakaviana 252 no noraisina tao. Tsy nisy mpiraharaha ry (&#8230;) <a class=\"more-link\" href=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/\">Read more <span class=\"meta-nav\">&rarr;<\/span><\/a><\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":4357,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"_acf_changed":false,"ep_exclude_from_search":false,"footnotes":""},"categories":[57,159],"tags":[],"class_list":["post-4370","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-malagasy","category-other-languages"],"acf":[],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.5 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Rehefa tafaray amin\u2019ny rariny ny fitiavana. - Joseph Wresinski EN<\/title>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Rehefa tafaray amin\u2019ny rariny ny fitiavana. - Joseph Wresinski EN\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Ry namana, 30 taona lasa izay no nahitako ny tobin\u2019i Noisy-le-Grand. Fianakaviana 252 no noraisina tao. Tsy nisy mpiraharaha ry (...) Read more &rarr;\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Joseph Wresinski EN\" \/>\n<meta property=\"article:published_time\" content=\"2022-12-21T23:00:55+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2022\/12\/05beaun2.jpg\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"523\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"653\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/jpeg\" \/>\n<meta name=\"author\" content=\"Jean Tonglet\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Written by\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"Jean Tonglet\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:label2\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data2\" content=\"5 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"Article\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\\\/#article\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\\\/\"},\"author\":{\"name\":\"Jean Tonglet\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\"},\"headline\":\"Rehefa tafaray amin\u2019ny rariny ny fitiavana.\",\"datePublished\":\"2022-12-21T23:00:55+00:00\",\"mainEntityOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\\\/\"},\"wordCount\":1041,\"commentCount\":0,\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2022\\\/12\\\/05beaun2.jpg\",\"articleSection\":[\"MALAGASY\",\"Other languages\"],\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"CommentAction\",\"name\":\"Comment\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\\\/#respond\"]}]},{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\\\/\",\"name\":\"Rehefa tafaray amin\u2019ny rariny ny fitiavana. - Joseph Wresinski EN\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2022\\\/12\\\/05beaun2.jpg\",\"datePublished\":\"2022-12-21T23:00:55+00:00\",\"author\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\"},\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2022\\\/12\\\/05beaun2.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2022\\\/12\\\/05beaun2.jpg\",\"width\":523,\"height\":653},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Home\",\"item\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Rehefa tafaray amin\u2019ny rariny ny fitiavana.\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/\",\"name\":\"Joseph Wresinski EN\",\"description\":\"A website coordinated by the Joseph Wresinski Centre\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Person\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\",\"name\":\"Jean Tonglet\",\"image\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"url\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"caption\":\"Jean Tonglet\"},\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/author\\\/jean\\\/\"}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Rehefa tafaray amin\u2019ny rariny ny fitiavana. - Joseph Wresinski EN","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Rehefa tafaray amin\u2019ny rariny ny fitiavana. - Joseph Wresinski EN","og_description":"Ry namana, 30 taona lasa izay no nahitako ny tobin\u2019i Noisy-le-Grand. Fianakaviana 252 no noraisina tao. Tsy nisy mpiraharaha ry (...) Read more &rarr;","og_url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/","og_site_name":"Joseph Wresinski EN","article_published_time":"2022-12-21T23:00:55+00:00","og_image":[{"width":523,"height":653,"url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2022\/12\/05beaun2.jpg","type":"image\/jpeg"}],"author":"Jean Tonglet","twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Written by":"Jean Tonglet","Est. reading time":"5 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"Article","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/#article","isPartOf":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/"},"author":{"name":"Jean Tonglet","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0"},"headline":"Rehefa tafaray amin\u2019ny rariny ny fitiavana.","datePublished":"2022-12-21T23:00:55+00:00","mainEntityOfPage":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/"},"wordCount":1041,"commentCount":0,"image":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2022\/12\/05beaun2.jpg","articleSection":["MALAGASY","Other languages"],"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"CommentAction","name":"Comment","target":["https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/#respond"]}]},{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/","name":"Rehefa tafaray amin\u2019ny rariny ny fitiavana. - Joseph Wresinski EN","isPartOf":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2022\/12\/05beaun2.jpg","datePublished":"2022-12-21T23:00:55+00:00","author":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0"},"breadcrumb":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/#primaryimage","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2022\/12\/05beaun2.jpg","contentUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2022\/12\/05beaun2.jpg","width":523,"height":653},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/rehefa-tafaray-aminny-rariny-ny-fitiavana\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Home","item":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Rehefa tafaray amin\u2019ny rariny ny fitiavana."}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#website","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/","name":"Joseph Wresinski EN","description":"A website coordinated by the Joseph Wresinski Centre","potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Person","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0","name":"Jean Tonglet","image":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","url":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","contentUrl":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","caption":"Jean Tonglet"},"url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/author\/jean\/"}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/4370","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=4370"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/4370\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":4371,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/4370\/revisions\/4371"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/media\/4357"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=4370"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=4370"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=4370"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}