{"id":5205,"date":"2025-11-20T18:00:14","date_gmt":"2025-11-20T17:00:14","guid":{"rendered":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/?p=5205"},"modified":"2025-11-24T09:24:56","modified_gmt":"2025-11-24T08:24:56","slug":"tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/","title":{"rendered":"Tompondakan\u2019ny fitiavana ny ankizy!"},"content":{"rendered":"<p>Misy foana ny zavatra tsy ampoizina rehefa miresaka momba ny ankizy . Toa hitako indray\u00a0 i Patricia; mpikarakara faty ny rainy, ary mahatsiravina be \u00a0ny tao an-tranon\u2019izy ireo satria rakotra lambam-paty \u00a0avokoa ny zavatra rehetra tao! Lambam-paty \u00a0ny lamban-databatra, lambam-paty \u00a0ny\u00a0 lamba famaohana. Lasa ny reniny, \u00a0nisy ankizy enina anefa \u00a0tao an-trano ankoatran&#8217;i Patricia. Teo amin\u2019ny fandrian-drainy izy no natory amin\u2019 ny alina \u00a0ary nasiany paingotra nampiraikitra azy tamin\u2019ny\u00a0 rainy\u00a0\u00a0 tamin&#8217;izany \u00a0mba tsy ho avy haka azy sy ny mpiray tampo aminy ny p\u00f4lisy. Nandritra io ady tamin&#8217;ny p\u00f4lisy io koa, dia niafina teo anelanelan&#8217;ny tafo sy ny valindrihan&#8217;ny \u00a0akanin-jaza izy sy ireo mpiray tampo aminy, niray\u00a0 tsikombakomba \u00a0taminy aho \u00a0tamin\u2019izany, ary \u00a0indraindray dia\u00a0 maharitra \u00a0alina maromaro \u00a0mihitsy izy ireo no \u00a0niafina tao mba tsy hakan\u2019ny p\u00f4lisy\u00a0 azy. \u00a0Ary indray andro taty taorian\u2019 izany rehetra izany, dia niverina ny reniny, ary\u00a0 nisy\u00a0 masoandro \u00a0indray.\u00a0 Taty aoriana ela be, rehefa \u00a0tafahaona tamin\u2019ny fiainana \u00a0tamin\u2019i Patricia indray aho\u00a0 dia hoy izy : &#8221; Tena nahafinaritra \u00a0tamin\u2019izaho mbola zaza ireny ,\u00a0 tena\u00a0 faly ery\u00a0 aho, \u00a0nandray an-tanana ny zavatra rehetra i dada&#8221;<\/p>\n<p>Mino aho\u00a0 fa izay\u00a0 no maha- ankizy ny ankizy.\u00a0 Ataony lasa \u00a0hasambarana kely avokoa ny zavatra rehetra , ary izany no hafaliana ho an&#8217;ny lehibe satria rehefa\u00a0 ekena\u00a0 ny hasambarana\u00a0 kelin&#8217;ny ankizy\u00a0, dia tsy vitan&#8217;ny hoe te-hanome \u00a0hasambarana\u00a0 lehibe ho azy ireo fotsiny \u00a0\u00a0fa \u00a0mahazo toky koa fa tsy\u00a0 misy marika izy ireo, tsy\u00a0 manana fankahalana eo amin&#8217;ny fiainana.\u00a0 Nahatsikaritra foana koa aho \u00a0\u2014ary tena mahavariana tokoa\u2014fa nihalehibe \u00a0tsy nisy fankahalana ny ankizin\u2019ny fahantrana lalina.<\/p>\n<p>Angamba satria mavesatra loatra ny mitondra izany? Angamba koa satria nanao ezaka tena \u00a0mafy ireo ray sy ireo reny, ary neken\u2019ireo ankizy \u00a0ireo\u00a0 ny ezaka nataon\u2019 izy rehetra\u00a0 tsirairay. Angamba vokatr\u2019izany koa\u00a0 no\u00a0 nahatonga\u00a0 ireo ankizin\u2019ny fahantrana lalina\u00a0 niraiki-po tanteraka\u00a0 tamin&#8217;ny ray aman-drenin\u2019izy ireo. Matetika, \u00a0dia gaga ny olona ary miteny hoe: &#8221; Kanefa\u00a0 dia\u00a0 mijanona eo izy ireo, tsy\u00a0 lasa mandeha!\u00a0\u00bbLazaina izy ireo fa mivangongo eo saingy tsy marina izany. Ny\u00a0 tena izy dia satria tsapan\u2019izy ireo \u00a0tsara fa niharan\u2019ny kapoka maro \u00a0ho azy ireo ny rainy sy ny reniny. Tsia, tsy ampinga nanarona \u00a0fotsiny izy ireo, fa mihoatra lavitra noho izany aza , izy ireo no fo \u00a0nandrakotra ny fon\u2019izy ireo.\u00a0 Tena mahavariana tokoa.<\/p>\n<p>Raha \u00a0ankizy no resahina \u00a0dia ireo ankizy izay, indray hariva tena nangatsiaka ny volana Febroary iny, tamin\u2019ny rivotra mamanala be iny no lasa izy ireo\u00a0 nandeha nivarotra \u00a0tapakila\u00a0 noho ny fetin\u2019ny ren.. Efa tsy nisy mofo \u00a0intsony tao an-trano nandritra ny andro maromaro izay, ary tsy nisy hanina\u00a0 hohanina mihintsy. Tonga\u00a0 tany amiko \u00a0izy ireo, saingy tsy nanana na inona na inona koa aho. Lasa aho \u00a0nangataka\u00a0 tetsy sy teroa, mofo efa nialin\u2019andro no azoko , dia\u00a0 nomeko azy ireo . Fa tamin&#8217;io andro io, dia \u00a0nifampiresaka izy ireo hoe : &#8221; Fetin\u2019ny reny\u00a0 izao, inona no homentsika \u00a0\u00a0an&#8217;i Neny?&#8221; Dia \u00a0lasa \u00a0izy ireo nivarotra tapakila \u00a0\u00a0ary nitondra mofo ho an&#8217;ny reniny ny hariva.<\/p>\n<p>Izany ny ankizy. Tsy misy na inona na inona mihintsy\u00a0 ao amin\u2019ny \u00a0ankizin\u2019ny fahantrana lalina. Hitako koa\u00a0 i N\u00f4n\u00f4 tao anaty fotaka; \u00a0tena nampatahotra\u00a0 fa \u00a0ny orana avy, \u00a0feno rano niangona teny rehetra teny. \u00a0Iny nisy ramatoa nihaingo be tonga, nitondrany s\u00f4k\u00f4la izy fa lasa i N\u00f4n\u00f4\u00a0 nankany amin\u2019ny \u00a0zandriny vavikely \u00a0hizara aminy ilay s\u00f4k\u00f4l\u00e0.<\/p>\n<p>Izany ny ankizin\u2019ny fahantrana lalina. Toa azy ireny \u00a0aho fony \u00a0mbola kely, namorona zavatra, nahita zavatra, nitady, nangalatra kely, nandrombaka koa , nitsakaraka aho mba\u00a0 tsy ho noana loatra izahay \u00a0tao an-trano. Toy izany koa ny ankizin\u2019ny fahantrana lalina, tompondaka \u00a0amin\u2019ny zavatra maro izy ireo, tompondaka amin&#8217;ny fitiavana. Mampalahelo fa tsy \u00a0misy manaiky \u00a0izany.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Misy foana ny zavatra tsy ampoizina rehefa miresaka momba ny ankizy . Toa hitako indray\u00a0 i Patricia; mpikarakara faty ny (&#8230;) <a class=\"more-link\" href=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/\">Read more <span class=\"meta-nav\">&rarr;<\/span><\/a><\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":5191,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"_acf_changed":false,"ep_exclude_from_search":false,"footnotes":""},"categories":[57,159],"tags":[],"class_list":["post-5205","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-malagasy","category-other-languages"],"acf":[],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.5 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Tompondakan\u2019ny fitiavana ny ankizy! - Joseph Wresinski EN<\/title>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Tompondakan\u2019ny fitiavana ny ankizy! - Joseph Wresinski EN\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Misy foana ny zavatra tsy ampoizina rehefa miresaka momba ny ankizy . Toa hitako indray\u00a0 i Patricia; mpikarakara faty ny (...) Read more &rarr;\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Joseph Wresinski EN\" \/>\n<meta property=\"article:published_time\" content=\"2025-11-20T17:00:14+00:00\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2025-11-24T08:24:56+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2025\/11\/FB_IMG_1763637612062.jpg\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"1290\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"987\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/jpeg\" \/>\n<meta name=\"author\" content=\"Jean Tonglet\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Written by\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"Jean Tonglet\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:label2\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data2\" content=\"3 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"Article\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\\\/#article\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\\\/\"},\"author\":{\"name\":\"Jean Tonglet\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\"},\"headline\":\"Tompondakan\u2019ny fitiavana ny ankizy!\",\"datePublished\":\"2025-11-20T17:00:14+00:00\",\"dateModified\":\"2025-11-24T08:24:56+00:00\",\"mainEntityOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\\\/\"},\"wordCount\":637,\"commentCount\":0,\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2025\\\/11\\\/FB_IMG_1763637612062.jpg\",\"articleSection\":[\"MALAGASY\",\"Other languages\"],\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"CommentAction\",\"name\":\"Comment\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\\\/#respond\"]}]},{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\\\/\",\"name\":\"Tompondakan\u2019ny fitiavana ny ankizy! - Joseph Wresinski EN\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2025\\\/11\\\/FB_IMG_1763637612062.jpg\",\"datePublished\":\"2025-11-20T17:00:14+00:00\",\"dateModified\":\"2025-11-24T08:24:56+00:00\",\"author\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\"},\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2025\\\/11\\\/FB_IMG_1763637612062.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2025\\\/11\\\/FB_IMG_1763637612062.jpg\",\"width\":1290,\"height\":987},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Home\",\"item\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Tompondakan\u2019ny fitiavana ny ankizy!\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/\",\"name\":\"Joseph Wresinski EN\",\"description\":\"A website coordinated by the Joseph Wresinski Centre\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Person\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0\",\"name\":\"Jean Tonglet\",\"image\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"url\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g\",\"caption\":\"Jean Tonglet\"},\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/author\\\/jean\\\/\"}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Tompondakan\u2019ny fitiavana ny ankizy! - Joseph Wresinski EN","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Tompondakan\u2019ny fitiavana ny ankizy! - Joseph Wresinski EN","og_description":"Misy foana ny zavatra tsy ampoizina rehefa miresaka momba ny ankizy . Toa hitako indray\u00a0 i Patricia; mpikarakara faty ny (...) Read more &rarr;","og_url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/","og_site_name":"Joseph Wresinski EN","article_published_time":"2025-11-20T17:00:14+00:00","article_modified_time":"2025-11-24T08:24:56+00:00","og_image":[{"width":1290,"height":987,"url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2025\/11\/FB_IMG_1763637612062.jpg","type":"image\/jpeg"}],"author":"Jean Tonglet","twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Written by":"Jean Tonglet","Est. reading time":"3 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"Article","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/#article","isPartOf":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/"},"author":{"name":"Jean Tonglet","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0"},"headline":"Tompondakan\u2019ny fitiavana ny ankizy!","datePublished":"2025-11-20T17:00:14+00:00","dateModified":"2025-11-24T08:24:56+00:00","mainEntityOfPage":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/"},"wordCount":637,"commentCount":0,"image":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2025\/11\/FB_IMG_1763637612062.jpg","articleSection":["MALAGASY","Other languages"],"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"CommentAction","name":"Comment","target":["https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/#respond"]}]},{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/","name":"Tompondakan\u2019ny fitiavana ny ankizy! - Joseph Wresinski EN","isPartOf":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2025\/11\/FB_IMG_1763637612062.jpg","datePublished":"2025-11-20T17:00:14+00:00","dateModified":"2025-11-24T08:24:56+00:00","author":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0"},"breadcrumb":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/#primaryimage","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2025\/11\/FB_IMG_1763637612062.jpg","contentUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2025\/11\/FB_IMG_1763637612062.jpg","width":1290,"height":987},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/tompondakanny-fitiavana-ny-ankizy\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Home","item":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Tompondakan\u2019ny fitiavana ny ankizy!"}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#website","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/","name":"Joseph Wresinski EN","description":"A website coordinated by the Joseph Wresinski Centre","potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Person","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/93469e0206778753beddb73f4e07c8e0","name":"Jean Tonglet","image":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","url":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","contentUrl":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/599cfd98b536979bcebf2d6839f0c694333341f1caf7ba53413b62de5453de40?s=96&d=mm&r=g","caption":"Jean Tonglet"},"url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/author\/jean\/"}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/5205","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=5205"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/5205\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":5206,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/5205\/revisions\/5206"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/media\/5191"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=5205"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=5205"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=5205"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}