{"id":953,"date":"2015-11-19T16:48:48","date_gmt":"2015-11-19T15:48:48","guid":{"rendered":"http:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/"},"modified":"2017-01-10T10:16:34","modified_gmt":"2017-01-10T09:16:34","slug":"antso-ho-an-ny-firaisan-kina","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/","title":{"rendered":"Antso Ho An\u2019ny Firaisan-Kina"},"content":{"rendered":"<h2>Nataon\u2019i mompera Joseph Wr\u00e9sinski Novambra 1977<\/h2>\n<p>Notsongaina tamin\u2019ny \u00ab Rehefa ahitsy ny tantara-the restoration of history \u00bb Igloos lah 97-98, enimbolana 1\u00b0 1978 Famoahana Quart Monde<\/p>\n<p><strong>ALEFA HO AN\u2019NY FANJAKANA<\/strong><\/p>\n<p>Any amin\u2019ny Fanjakana aloha no itodihako, satria ny adidin\u2019ny Fanjakana voalohany indrindra dia ny manainga ny safidy politika handrava hatrany ifotony ny fahantrana lalina, ny Fanjakana izay nanilihan\u2019ny vahoaka tsikelikely, efa an-taonany maro izay taorian\u2019ny ady, ny fiahiana ny olona tena sahirana. Io politikan\u2019ny fanilihana andraikitra ankapobeny io dia nahatonga koa ny Fanjakana hanilika ny andraikiny any amin\u2019ny ministeran\u2019ny Raharaha Sosialy irery monja. Inona moa no azon\u2019ity farany natao afa-tsy ny nanolotra ny fiahiana ny fahantrana lalina ho an\u2019ny sampan-draharaha misahana ny Asa Sosialy?<\/p>\n<p>Ny vokatr\u2019izany fandavan\u2019ny vahoaka izany dia matetika no manirery ny olona tena sahirana, tsy misy mpijery, miatrika ny sampan-draharaha tsy refesi-mandidy amin\u2019ny mponina tsy afa-miaro tena satria tsy afa-miteny ary tsy manana mpisolo tena eo amin\u2019ny sehatra politika. Ankoatra ny Minisitry ny Fonenana, iza tamin\u2019ny mpikambana ao amin\u2019ny Governemanta no mba nilaza ampahibemaso fa miombona andraikitra ary miray hina amin\u2019ireny mponina ireny? Oviana moa no mba tafiditra ho lohahevitra nodinihin\u2019ny Filankevitry ny Minisitra sy ny Governemanta manontolo ny Quart Monde? Nefa, ireo delegasiona nohenointsika androany hariva dia nilaza ary namerimberina fa tena tsy zaka ary tsy rariny ny fisian\u2019olon tsy raharahaina, atao an-jorom-bala, tsy rariny ny mahita fa ny fitondrana irery fotsiny no misahana ny fahorian\u2019izy ireny fa tsy mba ny safidy sy ny tolo-tanana avy amin\u2019ny rehetra. Hangataka inona amin\u2019ny Fanjakana isika ka tonga mampahatsiahy izany?<\/p>\n<p>Angatahintsika aloha ny Filohany, izany hoe ny Prezid\u00e0n\u2019ny Repoblika, hanaiky ampahibemaso fa hiantoka ny fiarovana ny tombon-tsoan\u2019ny vitsy an\u2019isa voaililkilika; fa hanao izay hahazoan\u2019ny Quart Monde haingana dia haingana ny FITAOVANA ho an\u2019ny fahafahany ara-tsosialy, ara-toe-karena, ara-kolontsaina sy ara-politika; fa indrindra hahatonga ny Quart Monde ho voasolotena any amin\u2019ny ambaratongam-pahefana rehetra ahafahan\u2019ny olom-pirenena milaza ny heviny. Inona koa no mbola angatahintsika amin\u2019ny Fanjakana?<\/p>\n<p>Angatahintsika ny hahazoan\u2019ny Filoham-Panjakana manatontosa tsy misy tomika io andraikitra io ka hanendreny olona iray ao amin\u2019ny Prezidansin\u2019ny Repoblika hanara-maso sy handajalanja tsy an-kijanona ny faminavinana sy ny fanatontosana ny tetik\u2019asa mandritra ny dimy taona hoenti-mamongotra ny fahantrana sy ny fanilikilihana ato amin\u2019ny demokrasia frantsay. Tsy hidirantsika anio hariva ny antsipiriany amin\u2019ny fangatahana lal\u00e0na, didy fampiharana na fitsipika manokana. Ny Fikambanana ATD Quart Monde dia tsy nitsahatra namelabelatra sy nanolotra sady nanamarina azy ireny hatramin\u2019ny niforonany, 20 taona lasa izay.<\/p>\n<p>Ny hitrikitrihintsika mafy anio hariva dia ny fiaraha-midinika izay efa nambaran\u2019ny ATD Quart Monde hatrany hatrany fa vonona izy hizara ny traikefany sy ny fahalalany mikasika an\u2019izany. Io fiaraha-midinika io no hampitsahatra ilay fahantrana miverimberina tsy misy farany.<\/p>\n<p>Ny angatahintsika farany amin\u2019ny Fanjakana dia ny handray sy ny hanamora dia hanamora ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena vonona hiady amin\u2019ny fanilikilihana ary hanome, raha ilaina, ny vola tokony hanatontosana asa tsy sahanin\u2019ny fanjakana.<\/p>\n<p>Ny manohana ny fahafahan\u2019ny olom-pirenena hanavao, dia midika ho mandrisika ny fitondrana sy miantoka ny fahaiza-manavao ny rafi-panjakana; midika koa izany fa voaantoka ny fahafahan\u2019ny Fanjakana mandrafitra karazana demokrasia vaovao izay tsy manaiky intsony ny hanampenam-bava sy hampahantrana ny vitsy an\u2019isa tsy misy lanjany ara-politika.<\/p>\n<p><strong>ALEFA HO AN\u2019NY MPIFARIMBONA (Alli\u00e9s)<\/strong><\/p>\n<p>Manaraka ny Fanjakana dia mitodika any amin\u2019ny olom-pirenena rehetra aho, satria rehefa dinihina dia izy ireo no mametra ny safidy sy ny lalan-kizoran\u2019ny fiaraha-monina manontolo. Manoloana ny fanilikilihana, ny Quart Monde dia mampahatsiahy antsika, isika izay efa ekena ho olom-pirenena, fa misy fiarahana vaovao tsy maintsy ajoro: FIARAHAN\u2019ny VOAILIKA sy ny TSY VOAILIKA.<\/p>\n<p>Fiarahana tsy maintsy manova ny zava-misy politika, ny fihevitry ny olona ankehitriny, ny toe-tsain\u2019ny fitondrana sy ny lal\u00e0na, ary ny fiainan\u2019ny Fiangonana. Tsy maintsy mifanaraka amin\u2019ny Quart Monde isika hanangana fiarahana vaovao mba hiarovana hatrany sy na aiza na aiza ny olona atao ambin-javatra.<\/p>\n<p>Ary mba tsy hivadihantsika amin\u2019io fiarahana io dia hovitaintsika hatramin\u2019ny farany ny fandavantsika ny fiarahamonina manilikilika ny madinika, ary hotakiantsika ny hidiran\u2019ny olona sahirana indrindra any amin\u2019ny sehatra rehetra. Ny mamita hatramin\u2019ny farany mantsy dia ny mamotsipotsitra izay rehetra mamarina ny olona ho ambany ka mahavoaililkilika azy.<\/p>\n<p>Io fandavana io dia hataontsika ao amin\u2019ny sehatry ny fianakaviantsika aloha, ao amin\u2019ny fiarahamonina misy antsika, na dia voatery hiala amin\u2019ny hevitra mampilamina ny saintsika aza isika noho izany na hiala koa amin\u2019ny tombontsoa efa eo am-pelatanantsika.<\/p>\n<p>Io fandavana io dia hotohizintsika any an-tsekoly sy ny kolejy ianaran\u2019ny zanatsika; io no antony tsy hanekentsika ny tsy hiraharahana ny zaza tsy dia mahay loatra, ny zaza voatsindrin\u2019ny vesatry ny fahorian\u2019ny fianakaviany. Io fandavantsika io dia hoentintsika any amin\u2019ny orinasa ka hotakiantsika ny handraisana ho mpiasa ny olona tsy nahazo fiofanana araka asa manokana. Amin\u2019izao fotoanan\u2019ny krizy izao dia ataontsika izay hisakanana mba tsy ho izy no hal\u00e0na voalohany amin\u2019ny asany, mba ho izy no hahian\u2019ny firaisankinan\u2019ny mpiasa voalohany indrindra.<\/p>\n<p>Io fandavana io no manosika antsika hitarika ny olona hiahy ny mahantra fadiranovana, any amin\u2019ny fikambanana samy hafa misy antsika any: fikambanana mpiasa, fikambanam-pianakaviana, fikambanana sosialy, fikambanana fanatanjahan-tena\u2026<\/p>\n<p>Raha atao bango tokana dia tsy ekentsika intsony ny hanadinoana sy tsy hiraharahana ny olona niangaran\u2019ny vintana na aiza izany na aiza.<\/p>\n<p>Ny antoko politika nosafidiantsika hidirana dia tarihintsika hampitodika ny tetik\u2019asany hitondra any amin\u2019ny fiarahamonina tsy misy fanilikilihana Takiantsika ny Fanjakana hankatoa ny vinam-piarahamonina hatolotsika azy ka ny satany dia ny fiarovana ny mahantra sy ny fanajana ny zony.<\/p>\n<p>Ho an\u2019izay mino an\u2019Andriamanitra, aoka ny fahavitrihany sy ny finoany no hahatonga ny Fiangonana handray ny mahantra alohan\u2019ny olon-kafa rehetra. Sady ireny Fiangonana ireny anie nandritra ny taonjato maro no efa sehatra nivavahana sy nanoherana ny ady, nanoherana ny fahantrana, nanoherana ny habadoana, nanoherana ny hetraketraky ny be fahefana sy ny be saina.<\/p>\n<p>Enga anie izy ireny ka hiverina ho ny Fiangonan\u2019ny tsy manam-piahy, ny bado sy ny niharam-boina noho ny asan\u2019ny mpino; enga anie izy ho lasa sehatry ny fanantenany, sehatry ny fahaiza-mizara sy mahafoy ho an\u2019ny matanjaka, nefa koa ho sehatry ny fandavan\u2019Andriamanitra ny hisian\u2019ny tsindry hazo lena, ny tsy rariny ary ny fankahalana.<\/p>\n<p>Ny tolona ataontsika any amin\u2019ny fikambanana manohitra ny ady, ny hanoanana, mba hiarovana ny zon\u2019ny olombelona, dia mifandray amin\u2019io fandavana ny fanilikilihana io satria raha zohina ity farany ity dia tsy inona akory fa ny dingana farany indrindra amin\u2019ny fanitsakitsahana ny hasina maha olona sy ny haja tokony homena azy.<\/p>\n<p>Ambonin\u2019izany, raha azontsika atao, dia hahafoy fotoana isika hiadiana amin\u2019ny habadoana ato amin\u2019ny Quart Monde ihany, ka hitarika ny olona sahirana ho tia vaky boky, hanoratra, hanovo fahalalana, hankamamy zavakanto, tononkalo, mozika. Noho izany, isika izay mpanabe, mpampianatra, dia hiaraka amin\u2019ireo mampanao vaky boky an-dalam-be ato amin\u2019ny Fikambanana na manentana ny \u201cPivots culturels\u201d ( Foto-Pahalalana).<\/p>\n<p>Mpandinika ny fiarahamonina, mpahay ara-toekarena, psykology, afaka mandray anjara amin\u2019ny fikarohana ataon\u2019ny Ivom-pikarohan\u2019ny Fikambanana efa ho 15 taona izay mba hanorenana fahalalana siantifika ho an\u2019ny Fikambanana Quart Monde Ny mpahay lal\u00e0na dia afaka dia manohana ny komity miaro ny tombontsoa sy ny zon\u2019ny mahantra. Solontenam-pirenena, rehefa mety ho tompon\u2019andraikitry ny firaisankinan\u2019ny mponina hataontsika izay mety ho vitan\u2019ny fahefantsika mba hahazoan\u2019ny fikambanana misolo tena ny vahoaka sahirana ny toerana sahaza azy eo amin\u2019ny firenena amin\u2019ny maha mpiara-miombona antoka azy. Mpitsabo mpanampy, dokotera, hiaro ny marary sahirana isika any amin\u2019ny hopitaly, ny foibe fandrindram-piterahana, sns\u2026Ny mpanoratra, ny mpanao gazety, hiezaka hanamboatra fiteny mora azon\u2019ny olona tsy nandia fianarana; isika no hamotsipotsitra ny fanilikilihana. Isika rehetra tsy an-kanavaka dia afaka ary tsy maintsy manohana ara-bola. Isika rehetra dia tsy maintsy manome hasina ny toky nomen\u2019ny Fikambanana ka hanatanteraka hatramin\u2019ny farany ny fitakiantsika, ny rariny amintsika, ny fitiavantsika ka :<br \/>\n<img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" style=\"height: 11px;width: 8px\" src=\"\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2016\/09\/puce-68c92.gif\" alt=\"-\" width=\"8\" height=\"11\" \/>\u00a0hiady tsy misy indra fo amin\u2019ny fahantrana<br \/>\n<img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" style=\"height: 11px;width: 8px\" src=\"\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2016\/09\/puce-68c92.gif\" alt=\"-\" width=\"8\" height=\"11\" \/>\u00a0hamotsipotsitra ny toe-javatra rehetra mety hampandrorona ny olona.<\/p>\n<p>Amin\u2019izay ny fitakiantsika dia ho lasa ilay safidin\u2019ny firenena hamongotra ny fari-piainana mitrongy vao homana.<\/p>\n<p><strong> ALEFA HO AN\u2019NY MPIROTSAKA AN-TSITRAPO<\/strong><\/p>\n<p>Ny ady ataon\u2019ny ATD Quart Monde ho an\u2019ny fahafahana dia miankina aminareo mpirotsaka an-tsitrapo matihanina ato amin\u2019ny ATD satria ianareo no nanomboka azy voalohany. Raha tsy ianareo tsy ho tafiditra na oviana na oviana tao amin\u2019ny tantara ny mpitrongy vao homana, mbola ho fianakaviana \u201colana\u201d, \u201cfianakavina manahirana\u201d hatrany ny fianakaviana mpitrongy vao homana. Ianareo no namelona ny fanantenana tao amin\u2019ny tontolo efa natahotra hatramin\u2019ny fahasambarana.<\/p>\n<p>Fa niteraka andraikitra ho anareo io nidiran\u2019ny Quart Monde ao amin\u2019ny tantara io, ary tsy afa-miala amin\u2019izany ny Fikambanana raha mbola tsy te hivadi-belirano.<\/p>\n<p>N\u2019inona n\u2019inona nitranga, manoloana ny Fanjakana tsy rototra, manoloana ny fitondrana tsy te hahalala, manoloana ny olona rehetra tsy niraika, manoloana ny olona maro naniratsira, ary nandritra ny taona maro manoloana ny Quart Monde mihitsy koa izay tsy nankasitraka, dia naorinareo ihany ity fikambanana ity.<\/p>\n<p>Amin\u2019izao fotoana izao, efa manomboka mahajoro ny vahoaka mitrongy vao homana, efa nahatefy mpikatroka avy tao amin-dry zareo tao ihany izy. Tsy maintsy havadika ho politika tsikelikely manomboka izao ny asanareo miaraka aminy. Nefa koa ianareo dia tsy maintsy milona kokoa hatrany miaraka amin\u2019ny olona vaovao hafa voaililkilika, tsy maitsy mikaroka hatrany hatrany ny olona hafa tsy misy mpiraharaha. Ny safidin\u2019ny Fikambanana dia tsy hiova fa ny hamongotra ny fari-piainana mitrongy vao homana, na inona na inona endrika isehoany. Hitohy ny asany hanomana ny Quart Monde hifandray amin\u2019ilay tontolo iray hafa.<\/p>\n<p>Atao ahoana anefa ny hifandray amin\u2019ny tsy fantatra? Ahoana no hifandraisana amina fiarahamonina nosarahin\u2019ny tantara tamintsika? Ianareo mpirotsaka an-tsitrapo no tsy maintsy ho toy ilay efa mivava eo amin\u2019ny rindrin\u2019ny fanilikilihana. Olom-pirenena tanteraka ianareo, ianareo no nanatona izay voailikilika ao amin\u2019ny fiarahamoninareo, niaraka taminy ianareo nanjohy ny lalana mifanohitra amin\u2019ny azy. Dia hotohizinareo hatrany izany miaraka amin\u2019izay ho voailikilika hafa indray mandra-pahafongana azy tsy hisy intsony na iray aza.<\/p>\n<p>Nisafidy ny hiombona anjara amin\u2019ny vahoaka mitrongy vao homana ianareo.Vavolombelona ary ho vavolombelona eo anivon\u2019ny vahoaka ianareo fa tsy manantena tsy misy izy, fa tsy meloka izy, ary ny traikefany aza tena misy vidiny ho an\u2019ny olona rehetra.<\/p>\n<p>Nalaim-baraka ary halaim-baraka ianareo. Tahaka ny tany aloha dia ho mpiray petsapetsa amin\u2019ny olona melohin\u2019ny Fanjakana sy ny vahoaka ianareo satria hopotsipotsirinareo daholo izay ratsy rehetra na dia hampifanandrina anareo amin\u2019izy ireo aza izany.<\/p>\n<p>Navondronareo hanontrona ny mponina mitrongy vao homana ny namana, tsy maintsy miofana amin\u2019ny ady sy ny firaisankina ianareo, hampita izay nampianarin\u2019ny vahoaka mahantra anareo, izay tra azy, izay nampandroso azy.<\/p>\n<p>Ianareo no fitaratra, ianareo no mampiray. Ianareo no mahita ny sehatra vaovao tokony hitondrana ny asa, ny endrika vaovao tokony homena ny tolona mba hahombiazany, Ianareo no miantoka fa ny voailikilika no hahazo ny tombontsoa voalohany amin\u2019ny fanovana, ary ho tena tsara fototra tokoa io fanovana io ka tsy hisy olona na iray aza ho hadino.<\/p>\n<p>Tsy maintsy iantohanareo ny hahatafita hatramin\u2019ny farany ny fitakiana, fa tsy hariana an-dalana ny tena sahirana indrindra.<\/p>\n<p>Iza indray fa tsy ianareo no hiantoka ny mpitrongy vao homana tafarina mba hitarika miaraka aminy ireo izay efa tena lanaky ny lasa feno fahoriana. Rehefa atambatsika amin\u2019ny famotehana tanteraka ny fahoriana ny fiainantsika, dia ho vavolombelon\u2019ny fiarahamonina miray hina amin\u2019ny niangaran\u2019ny vintana isika. Fifanekem-piainana no nataontsika, nekentsika ny vesatr\u2019izany, ny fahavoazana mety haterany sy ny tsy fahampiana rehetra, satria ny fahombiazan\u2019ny tolona ataontsika dia ny fisondrotan\u2019io vahoaka io, isika dia ho difotra tanteraka fa mpitarika an-dry zareo no haka ny toerana.<\/p>\n<p>ALEFA HO AN\u2019NY MPIKATROKA SY NY SOLONTENAN\u2019NY QUART MONDE<\/p>\n<p>Mitodika aminareo aho izao ry mpikatroka sy solontenan\u2019ny Quart monde. Mihoatra noho ny hafa rehatra dia ianareo no tena voakasiky ny fehinkevitra horaisina androany hariva momba anareo sy ny zanakareo. Ny fandavanareo ny fiainana tsy misy fanantenana, ny fandavanareo ny fiheverana anareo ho tompon\u2019andraikitry ny fahorianareo, ny fandavanareo ny fiheverana anareo ho toy ny tsy misy sy tsy ilaina, izany rehetra izany no nalain\u2019ny Fikambanana. Fa inona moa ny Fikambanana fa tsy ny hiakan\u2019ny fandavanareo sy ny antsoantsonareo. Fantatrareo tsara anefa fatsy misy olona afaka hanafaka anareo tsy miaraka aminareo. Traikefa mahazatra anareo loatra ny nilaozana sy napetrapetraka. Fantatrareo fa tsy mitovy amin\u2019ny anareo ny tombontsoa sy ny hevitra ary ny fikasan\u2019ilay fiarahamonina iray hafa.<\/p>\n<p>Noho izany, ny fahafahanareo dia ianareo ihany no miantoka azy voalohany; ny fiovan\u2019ny fiainanareo dia ianareo no miandraikitra azy voalohany.<\/p>\n<p>Ny hoe tompon\u2019andraikitra, ho anareo, dia ny manohy hatrany ny fiofanana, ny fanovozam-pahalalana, ny fivondronana mba hiara-mandinika ny fiainanareo, , hitaky sekoly mifanentana amin\u2019ny zanakareo, hitaky asa mahatonaga anareo hahaleo tena sy hiantoka fiainana vanona ho an\u2019ny ankohonanareo, hitaky fiofanana araka asa mety ho vitan\u2019ny faritra misy anareo, ary hitaky ny fitaovana hikoloana ny saina amam-panahy.<\/p>\n<p>Ho fanajana ny fianakavianareo, mba hananan\u2019\u2019ny zanakareo ny zo hotiavinareo,mba hananany ny zo hanana antoka fa hobeazinareo, ny tanjontsika ho an\u2019ny taona folo manaraka dia ny tsy hisian\u2019ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra intsony amintsika, ny tsy hisian\u2019ny ankizy tsy hoe tsy mahazo sekoly fotsiny intsony fa hoe tsy misy na iray aza tsy mahomby. Tsy lavina fa mila ny hafa isika amin\u2019izany, nefa afaka mi ondra ny anjara birikintsika koa isika. Izay mahay mamaky teny sy manoratra dia tokony hampianatra mamaky teny sy manoratra ny namany; ny tsirairay amintsika dia tokony hihevi-tena ho tompon\u2019andraikitry ny fanofanana araka asa ny tenany sy ny manodidina azy. Misorata anarana hanaraka fiofanana mitohy, tariho ny zanatsika efa lehibe hanao FPA( Fiofanana araka Asa ho an\u2019ny Lehibe).<\/p>\n<p>Ny tompon\u2019andraikitra ianao dia tsy maintsy mirotsaka amin\u2019ny fikambanam-pianakaviana, ny fikambanan\u2019ny ray aman-drenin\u2019ny mpianatra, ny komitin\u2019ny mpanofa trano, ny sendik\u00e0, ny antoko politika. Manana zo koa ianao hiady ho an\u2019ny fampanjakana ny rariny, ny fandriampahalemana, ny zon\u2019ny olombelona.<\/p>\n<p>Ny tompon\u2019andraikitra dia miombona anjara amin\u2019ny ady tokony hatrehin\u2019ny olombelona rehetra voalohany indrindra. Tsy maintsy resenareo lahatra ny rehetra hiady amin\u2019ny fahantrana.<\/p>\n<p>Isika tsy afaka hitondra fahalalana lalina, tsy afaka hitondra vola na volamena, saingy kosa, manana ny tsy ananan\u2019ny hafa isika nefa tokony ho fantany, dia ny traikefantsika momba ny fanilikilihana. Isika no mahalala lavitra noho ny hafa ny tena fahafahana marina, isika izay niaina lalandava teo ambany vahohon\u2019ny hafa sy ny fiankinan-doha taminy.<\/p>\n<p>Ny fitoviana, fantatsika tsara ny tsy fisiany noho isika ambaniana, heverina ho parasy homana tsy misy liana azy. Ny hasina maha olona, fantatsika tsara ny vidiny noho isika mivesatra ny fanamavoana<\/p>\n<p>Efa niainantsika daholo ny zavatra rehetra manambany sy mampijaly ny olona, ny fianakaviana, ny tontolo anankiray, koa matoa isika miatrika ady hafa dia satria tiantsika ny olona hihevitra an\u2019ireo izay tena mijaly indrindra, tena voahosihosy indrindra, tena iharam-pahavoazana mafy indrindra, tena mamoy fo indrindra.<\/p>\n<p><strong>FAMARANANA<\/strong><\/p>\n<p>Ny fiombonan\u2019ny mpitrongy vao homana sy ny fiarahamonina izay angatahiko aminareo mba hajoro androany hariva izany dia ny fiombonan\u2019ny voailikilika sy ny tsy voailikilika, fiombonana tokony hanova ny fifandraisan\u2019ny olona, ny fiainana politika, ny hevi-baventy iainantsika amin\u2019izao fotoana izao. Tena fifanekena mihitsy no angatahiko hifanaovanareo androany hariva, fifanekena ifanaovan\u2019ny mponina mitrongy vao homana sy ny Fanjakana ary ny olom-pirenena. Ny fanambin\u2019ity fifanekena ity dia ny hanangana demokrasia nahazo fampianarana avy amin\u2019ny tsy rariny nihatra tamin\u2019ny olona sahirana ka mamerina aminy ny andraikitra maha olom-pirenena azy.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Nataon\u2019i mompera Joseph Wr\u00e9sinski Novambra 1977 Notsongaina tamin\u2019ny \u00ab Rehefa ahitsy ny tantara-the restoration of history \u00bb Igloos lah 97-98, (&#8230;) <a class=\"more-link\" href=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/\">Read more <span class=\"meta-nav\">&rarr;<\/span><\/a><\/p>\n","protected":false},"author":1,"featured_media":1749,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"_acf_changed":false,"ep_exclude_from_search":false,"footnotes":""},"categories":[134,57],"tags":[],"class_list":["post-953","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-ecrits-malgache","category-malagasy"],"acf":[],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.5 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Antso Ho An\u2019ny Firaisan-Kina - Joseph Wresinski EN<\/title>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Antso Ho An\u2019ny Firaisan-Kina - Joseph Wresinski EN\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Nataon\u2019i mompera Joseph Wr\u00e9sinski Novambra 1977 Notsongaina tamin\u2019ny \u00ab Rehefa ahitsy ny tantara-the restoration of history \u00bb Igloos lah 97-98, (...) Read more &rarr;\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Joseph Wresinski EN\" \/>\n<meta property=\"article:published_time\" content=\"2015-11-19T15:48:48+00:00\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2017-01-10T09:16:34+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2014\/06\/0647-157-002-4voeux-DG.jpg\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"700\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"474\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/jpeg\" \/>\n<meta name=\"author\" content=\"webmestre\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Written by\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"webmestre\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:label2\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data2\" content=\"13 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"Article\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\\\/#article\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\\\/\"},\"author\":{\"name\":\"webmestre\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/c666928d4be7b5b71419e1a78b02d04a\"},\"headline\":\"Antso Ho An\u2019ny Firaisan-Kina\",\"datePublished\":\"2015-11-19T15:48:48+00:00\",\"dateModified\":\"2017-01-10T09:16:34+00:00\",\"mainEntityOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\\\/\"},\"wordCount\":2605,\"commentCount\":0,\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2014\\\/06\\\/0647-157-002-4voeux-DG.jpg\",\"articleSection\":[\"Asasoratra\",\"MALAGASY\"],\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"CommentAction\",\"name\":\"Comment\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\\\/#respond\"]}]},{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\\\/\",\"name\":\"Antso Ho An\u2019ny Firaisan-Kina - Joseph Wresinski EN\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2014\\\/06\\\/0647-157-002-4voeux-DG.jpg\",\"datePublished\":\"2015-11-19T15:48:48+00:00\",\"dateModified\":\"2017-01-10T09:16:34+00:00\",\"author\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/c666928d4be7b5b71419e1a78b02d04a\"},\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2014\\\/06\\\/0647-157-002-4voeux-DG.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/wp-content\\\/uploads\\\/sites\\\/3\\\/2014\\\/06\\\/0647-157-002-4voeux-DG.jpg\",\"width\":700,\"height\":474},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Home\",\"item\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Antso Ho An\u2019ny Firaisan-Kina\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/\",\"name\":\"Joseph Wresinski EN\",\"description\":\"A website coordinated by the Joseph Wresinski Centre\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Person\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/c666928d4be7b5b71419e1a78b02d04a\",\"name\":\"webmestre\",\"image\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/416a097a3f95c03b93462266ddf7a1b5b815e837b340f6b881ae80c56b8c6d56?s=96&d=mm&r=g\",\"url\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/416a097a3f95c03b93462266ddf7a1b5b815e837b340f6b881ae80c56b8c6d56?s=96&d=mm&r=g\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/416a097a3f95c03b93462266ddf7a1b5b815e837b340f6b881ae80c56b8c6d56?s=96&d=mm&r=g\",\"caption\":\"webmestre\"},\"url\":\"https:\\\/\\\/www.joseph-wresinski.org\\\/en\\\/author\\\/webmestre\\\/\"}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Antso Ho An\u2019ny Firaisan-Kina - Joseph Wresinski EN","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Antso Ho An\u2019ny Firaisan-Kina - Joseph Wresinski EN","og_description":"Nataon\u2019i mompera Joseph Wr\u00e9sinski Novambra 1977 Notsongaina tamin\u2019ny \u00ab Rehefa ahitsy ny tantara-the restoration of history \u00bb Igloos lah 97-98, (...) Read more &rarr;","og_url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/","og_site_name":"Joseph Wresinski EN","article_published_time":"2015-11-19T15:48:48+00:00","article_modified_time":"2017-01-10T09:16:34+00:00","og_image":[{"width":700,"height":474,"url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2014\/06\/0647-157-002-4voeux-DG.jpg","type":"image\/jpeg"}],"author":"webmestre","twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Written by":"webmestre","Est. reading time":"13 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"Article","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/#article","isPartOf":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/"},"author":{"name":"webmestre","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/c666928d4be7b5b71419e1a78b02d04a"},"headline":"Antso Ho An\u2019ny Firaisan-Kina","datePublished":"2015-11-19T15:48:48+00:00","dateModified":"2017-01-10T09:16:34+00:00","mainEntityOfPage":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/"},"wordCount":2605,"commentCount":0,"image":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2014\/06\/0647-157-002-4voeux-DG.jpg","articleSection":["Asasoratra","MALAGASY"],"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"CommentAction","name":"Comment","target":["https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/#respond"]}]},{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/","name":"Antso Ho An\u2019ny Firaisan-Kina - Joseph Wresinski EN","isPartOf":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2014\/06\/0647-157-002-4voeux-DG.jpg","datePublished":"2015-11-19T15:48:48+00:00","dateModified":"2017-01-10T09:16:34+00:00","author":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/c666928d4be7b5b71419e1a78b02d04a"},"breadcrumb":{"@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/#primaryimage","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2014\/06\/0647-157-002-4voeux-DG.jpg","contentUrl":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-content\/uploads\/sites\/3\/2014\/06\/0647-157-002-4voeux-DG.jpg","width":700,"height":474},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/antso-ho-an-ny-firaisan-kina\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Home","item":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Antso Ho An\u2019ny Firaisan-Kina"}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#website","url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/","name":"Joseph Wresinski EN","description":"A website coordinated by the Joseph Wresinski Centre","potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Person","@id":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/#\/schema\/person\/c666928d4be7b5b71419e1a78b02d04a","name":"webmestre","image":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/416a097a3f95c03b93462266ddf7a1b5b815e837b340f6b881ae80c56b8c6d56?s=96&d=mm&r=g","url":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/416a097a3f95c03b93462266ddf7a1b5b815e837b340f6b881ae80c56b8c6d56?s=96&d=mm&r=g","contentUrl":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/416a097a3f95c03b93462266ddf7a1b5b815e837b340f6b881ae80c56b8c6d56?s=96&d=mm&r=g","caption":"webmestre"},"url":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/author\/webmestre\/"}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/953","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/users\/1"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=953"}],"version-history":[{"count":2,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/953\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1478,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/953\/revisions\/1478"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1749"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=953"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=953"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.joseph-wresinski.org\/en\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=953"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}