MALAGASY
Tonga soa ato amin’ny sita Joseph Wresinski nohavaozina
Noho ny fankalazana ny fahazato taona nahaterahan’i Joseph Wresinski, ny 12 febroary 1917 tao Angers, ilay sita noforonin’ny Foibe Joseph Wresinski mba hanapariahana sy hampahafantarana ny fiainany sy ny asa soa vitany ary ny hevitry ny mpamorona ny Fikambanana ATD Quart Monde dia nohatsaraina ka atolotra anao mirakitra harena bebe kokoa: ankoatra ny lahatsoratra manomboka izao dia hisy koa sary sy sarivelona ary horonampeo.
Vaovao koa ny milina fikarohana ka ho mora kokoa ho anao ny hahita ny zavatra tadiavinao.
Hisy ezaka goavana hatao mba ho tahirin-kevitra faran’izay betsaka amin’ny fiteny maro samy hafa no ho hitanao ao. Hisy amin’ny teny (azo isafidianana poloney, portogey, Malagasy, kreoly…). Mbola tsy afaka mamelatra tanteraka ny sita izahay amin’izao fotoana izao fa efa afaka manolotra ho anao kosa takila manokana izay hohatevenina ombieny ombieny, ary manantena ny fandraisanao anjara amin’izany koa izahay raha misy ny azonao atao. Aza mihambahamba ny hampahafantatra sy hanome anay izay dikanteny misy kanefa tsy voatery ho fantatray.
Avy hatrany, miatrika ny vahoakako
Ny 14 jolay 1956 aho no tonga tao amin‘io lembalemba nantsoina hoe « le château de France » io, hafanana (…) Read more
Ho fanomezam-boninohitra ny mahantra amin’ny fotonana rehetra
Ry ankizy, ray sy reny
An-tapitrisa an-tapitrisany Izay maty noana sy mijaly Lovainay ankehitriny Niaina teto ianareo O! tsy ny fahafatesana (…) Read more
Antso Ho An’ny Firaisan-Kina
Nataon’i mompera Joseph Wrésinski Novambra 1977
Notsongaina tamin’ny « Rehefa ahitsy ny tantara-the restoration of history » Igloos lah 97-98, enimbolana (…) Read more



