Mifamela, minoa ahy, tena mafy

Amin’izao fotoanan’ny krizy izao dia tena mirakitra ny zava-misy ankehitriny  mihitsy ity lahatsoratra nosoratana tamin’ny taona 1984 ity, toraka izay koa ilay antson’i mompera Joseph ho famaranana ny amboaran-dahatsorany : “Ry namako, ireny ankizy,  ireny reny,  ireny ray, io vahoakan’ny fahantrana lalina io ve afaka miantehitra aminareo rahampitso?” (Teny ho an’ny rahampitso, tak 141, DDB, Paris, 1996)

Efa volana vitsivitsy izay,
eo amin’ny sampanana misy ny  lalana Cadet
sy ny arabe Montmartre ao Paris,
dia misy tovovavy eo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 30 taona eo ho eo
misavasava tsy lavitra ny tsena
baoritra natsipy  teo, nifanindritsindry.
Nisy anankiray nahita gatô roa efa lany sasaka,
nampidiriny tsimoramora tany anaty harona.
Dia nisy ankizy anankiroa nanatona azy
ary nozarainy taminy ny iray tamin’ireo gatô.

Ankona tanteraka aho ka tsy hitako izay holazaina!
Mbola hitako ireo ankizy ireo
tamin’ny taona 1960 mbola nisavasava sakafo koa
tao amin’ny tobin’i Noisy-le-Grand,
teny amin’ny fanariam-pako.
Tsaroako ireo lahikely nivarotra ny kanetiny
mba hividianana mofo noho ny fetin’ny reniny.
Nihevitra aho fa tsy hahita an’izany intsony na oviana na ovina.
Kanjo jereo fa io misy reny
mamahana ny zanany roa amin’ny gatô efa simba.

Tsy noheveriko hiainana intsony koa
amin’izao volana septambra 1984 izao,
ilay toe-javatra mampihoron-koditra nanjo
zaza efatra valo volana ka hatramin’ny valo taona,
voaroaka avy eo amin’ny tanim-panjakana!
Omaly maraina io.
Teo no nialokaloka ny fianakaviany iny volana jolay iny,
tao amina tranolay nampindramina azy.
Na ny ben’ny tanàna
na ny mpiasa sosialy,
na ny prefe samy tsy  nanao na inona na inona ho azy ireo.
Afa-tsy ny naka ny ankizy hotezain’olon-kafa
mandra-pilamin’ny raharaha.

Fa tsy zavatra mampalahelo fotsiny akory no ao amin’ny Quart Monde.
Misy ao koa ny fiadanana sy ny fifamelana izay mahery noho ny fahantrana.
Toy izany no ahatsiarovako ilay lehilahy
nifanena tamiko teny am-pasana, tamin’ny volana aogositra teo.
Voahitsaky ny fiara ny zanany vavy
nandeha teny amin’ny sisin-dalana sivy taona.
Maty ilay zaza.
Taorian’ny fandevenana dia hoy ny rainy tamiko:
“Azonao, saika nokendaiko ilay tsy vanona
namono ny zanako!
Nony tonga tany amin’ny polisy anefa aho
ka nahita fa vehivavy sembana no namily ilay fiara nitera-doza
dia tsy hitako izay holazaina azy.
Nihevitra aho fa izy koa aza mba nivarahontsana
nahafaty ny zanako.
Niara-nitomany izahay
ary hoy aho anakampo hoe tsy maintsy mifamela.
Saingy minoa ahy ianao , mompera, tena mafy!”

 

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.