MALAGASY
Tonga soa ato amin’ny sita Joseph Wresinski nohavaozina
Noho ny fankalazana ny fahazato taona nahaterahan’i Joseph Wresinski, ny 12 febroary 1917 tao Angers, ilay sita noforonin’ny Foibe Joseph Wresinski mba hanapariahana sy hampahafantarana ny fiainany sy ny asa soa vitany ary ny hevitry ny mpamorona ny Fikambanana ATD Quart Monde dia nohatsaraina ka atolotra anao mirakitra harena bebe kokoa: ankoatra ny lahatsoratra manomboka izao dia hisy koa sary sy sarivelona ary horonampeo.
Vaovao koa ny milina fikarohana ka ho mora kokoa ho anao ny hahita ny zavatra tadiavinao.
Hisy ezaka goavana hatao mba ho tahirin-kevitra faran’izay betsaka amin’ny fiteny maro samy hafa no ho hitanao ao. Hisy amin’ny teny (azo isafidianana poloney, portogey, Malagasy, kreoly…). Mbola tsy afaka mamelatra tanteraka ny sita izahay amin’izao fotoana izao fa efa afaka manolotra ho anao kosa takila manokana izay hohatevenina ombieny ombieny, ary manantena ny fandraisanao anjara amin’izany koa izahay raha misy ny azonao atao. Aza mihambahamba ny hampahafantatra sy hanome anay izay dikanteny misy kanefa tsy voatery ho fantatray.
Teraka tao Angers aho tamin’ny 12 Febroary 1917…
Teraka tao Angers aho. Pôlôney ny raiko. Niasa tamin’ny indostria izy. Nalefa tany Madrid izy ka tany no nihaonany tamin’ny (…) Read more
Mety ho lalivain’ny demokrasia marina ireo vahoaka tena sahirana.
Fanamavoana ho an’ny fitsipika ara-demokratikantsika ny toe-javatra iainan’ireo vahoaka tena sahirana. . Tsy misy ny demokrasia raha tsy mifototra amin’ny (…) Read more
Antomotra ny fotoana
Antomotra ny fotoana,
fotoana izao
ahalalana fa tsy misy
lanonana na iray aza
ka tsy ho lanonana
ho an’ny rehetra
Fotoana izao aniriantsika lanonana
Hanambatra antsika rehetra.
Amin’ity (…) Read more
Tompondakan’ny fitiavana ny ankizy!
Misy foana ny zavatra tsy ampoizina rehefa miresaka momba ny ankizy . Toa hitako indray i Patricia; mpikarakara faty ny (…) Read more
Paris, 17 Oktobra 1987, fanokanana ny takelabato ho fanomezam-boninahitra ireo niharam-boina noho ny fahantrana
Ny 17 Oktobra 1987 no nitokanan’i Mompera Joseph Wresinski, mpanorina ny ATD Tontolo Fahaefatra, teo amin’ny kianjan’ ny zon’olombelona sy (…) Read more
Tsy ny fijaliana rehetra dia fahantrana lalina avokoa
(…). Tsy ny fijaliana rehetra dia fahantrana lalina avokoa, ny mifanohitra amin’izany no izy! Anisan’ny toetry ny olombelona ny fijaliana, (…) Read more
Mitia mba hahalala, mahalala mba hitia.
Ry namana malala,
Mijery ireo fianakaviana eny amin’ny tanan_dehibe tsizarizary ianareo, miezaka ianareo ny hahalala azy ireo, ny hamantatra ny handraisany (…) Read more
Tamin’ity andron’ny faha-14 Jolay 1956 ity no nidirako tao anatin’ny fahoriana
Sarimihetsika moana ny Lalan’ny voninkazo, natao tamin’ny 1962 tao amin’ny Tobin’ireo tsy manan-trano tao Noisy-le-Grand, toerana nahaterahan’ny Firohotana ATD (…) Read more
Tompon’andraikitra ihany koa amin’ny ho avin’izao tontolo izao ny mahantra indrindra
Lasa any amin’ireo fianakaviana nongotana tamin’ny tanànany, any atsimon’i Sahara ny eritreritro. Ny fahantrana lalina no nanosika azy ireo hanjohy (…) Read more
Hiteny ny olona hoe: “tsy azo tohizina intsony izany”
“Mitsikitsikia moa e!”, hoy ny bitsibitsiky ny reniko tamiko,nefa izy indrindra aza no feno tebiteby manoloana ny olona mahamenatra na (…) Read more










