MALAGASY
Tonga soa ato amin’ny sita Joseph Wresinski nohavaozina
Noho ny fankalazana ny fahazato taona nahaterahan’i Joseph Wresinski, ny 12 febroary 1917 tao Angers, ilay sita noforonin’ny Foibe Joseph Wresinski mba hanapariahana sy hampahafantarana ny fiainany sy ny asa soa vitany ary ny hevitry ny mpamorona ny Fikambanana ATD Quart Monde dia nohatsaraina ka atolotra anao mirakitra harena bebe kokoa: ankoatra ny lahatsoratra manomboka izao dia hisy koa sary sy sarivelona ary horonampeo.
Vaovao koa ny milina fikarohana ka ho mora kokoa ho anao ny hahita ny zavatra tadiavinao.
Hisy ezaka goavana hatao mba ho tahirin-kevitra faran’izay betsaka amin’ny fiteny maro samy hafa no ho hitanao ao. Hisy amin’ny teny (azo isafidianana poloney, portogey, Malagasy, kreoly…). Mbola tsy afaka mamelatra tanteraka ny sita izahay amin’izao fotoana izao fa efa afaka manolotra ho anao kosa takila manokana izay hohatevenina ombieny ombieny, ary manantena ny fandraisanao anjara amin’izany koa izahay raha misy ny azonao atao. Aza mihambahamba ny hampahafantatra sy hanome anay izay dikanteny misy kanefa tsy voatery ho fantatray.
Fitiavana lalina ny zanak’olombelona
Navoaka ho matoan-dahatsoratra tao amin’ny gazety-boky Igloos, lah 44, ny janoary-febroary 1969, ity lahatsoratra ity dia nambara ho toy ny (…) Read more
Toran’ny hehy ny fahantrana
Noho izy miankina amin’ny olon-dehibe sy ny tontolo iainany,
dia mahantra daholo ny ankizy rehetra eran-tany.
Na zanaky ny mpanana izy na (…) Read more
Fantany fa nifankatia ny ray aman-dreniny
Efa niotrika tao volana maromaro ity zavatra ity
Efa tena lasa navesatra loatra ny fiainana
ka tsy zakan’ilay lehilahy intsony,
satria ny tsy (…) Read more
Tompo ô, matahotra Anao aho
Matahotra ny hifatotra aminao aho,
ny hametraka ny fiainako eo am-pelatananao,
satria matahotra ny fijaliana aho,
matahotra ny tsy rariny sy ny hanirery.
Noho (…) Read more
Talohan’’izay zoma izay tao Jerosalema…
Tao ho ao, eto ambony fandriako ato amin’ny hopitaly,
dia lasa saina mafy aho mieritreritra ny tsy fananana asa,
ny toe-karena mikororosy (…) Read more
Ranombavaky ny mpino
Ho an’ireo zaza an-tapitrisany atangoliky ny ketoky ny hanoanana,tsy afaka mitsiky intsony nefa mbola te hitia.
Ho an’ireo tanora an-tapitrisany tsy (…) Read more
Ho voninahitry ny olona ianjadian’ny fahantrana lalina
Ny 17 oktobra 1987,
dia nisy olona mpiaro ny zon’ny olombelona
sy ny olom-pirenena avy amin’ny tany rehetra
tafavory teto amin’ity kianja (…) Read more
Ny hamehana ho an’ny Ankizy
Nanomboka ny faran’ny taona 1970, ary indrindra ny taona natokana ho an’ny ankizy tamin’ny 1979, ny Firohotana ATD Quart Monde (…) Read more
Ny ray aman-dreniko heverina ho toy ny ankizy
Tontolo iray makarakara,
ka azon’ny olon-drehetra atao ny miditra hanoro, hibedy, handrahona…
azon’ny olon-drehetra atao ny mitsofoka amin’itsy sy ho an’iroa :
ny (…) Read more
Fiainana nozaraina no niteraka azy rehetra.
– Ireo mahantra ireo izany no niara-nanorina ny Firohotana taminao?
– Inona àry ny zavatra hafa azoko natao? Aza mieritreritra ahy (…) Read more










