Rehefa tonga tao amin’ny tobin’i Noisy-le-Grand aho dia tafahaona tamina fianakaviana tsy nahomby, fianakaviana izay nitondra ny teny hoe : fijaliana, fahantrana lalina, voasikotra tamin’ny vy mena mivaivay teo amin’ny fony.
Ny eritreritro dia ny hilevina ao amin’ny mponina toy ny pretra rehetra tamin’izany fotoana izany. Naniry ny hiaina miaraka amin’ny mponina aho, eo anivon-dry zareo, mba ho lasa toy ny lalivay, ho toy ny voa madinikaizay hitombo tsimoramora. Voa madinika tondrahan’ny ranomason’ny olona, nefa koa hafanain’ny fitiavana, ny fitiavana ny fianakaviana. Izany no nofinofisiko hatao ary mbola ataoko foana.
Tsikelikely aho dia lasa olona be mpahalala tsy fidiny, fa ny hafaliana lehibe indrindra ho ahy dia ilay izaho teo anivon’ny fianakaviana, satria teo aminay sy izy dia nisy zavatra nifandraisana hatrany. Omaly hariva aho dia tany amin’ny ankohonam-piainana katolika iray 15 km miala an’i Dakar ary nihaino ny lehilahy sy vehivavy tafavory teo, dia ry zareo indray no nihaino ahy niteny, ary hoy aho anakampo hoe : tena magaga loatra ny fitovianay, tena mitovy koa amin’ny fianakavian’i Noisy-le-grand , ny fianakavian’i New York na i New Delhi, ny fianakaviana rehetra fantatro sy hitako manerana an’izao tontolo izao.
Ny marina dia tena feta mitovy no ilevenanay, fanantenana mitovy no entinay ary ny zarainay dia ny fitadiavana hampitepo mafy ny fitiavana ao am-pon’ny olona mba hampiova ny zavatra. ?
Nirahin’ny evekako aho hihaona amin’ny tontolon’ny fahantrana lalina fa ny hitako tao dia ny tontolon’ny fanantenana, ny tontolon’ny fitiavana, ary araka izany aho dia nizara tamin’ireny lehilahy, ireny vehivavy, ireny ankizy ireny ny fiainako rehetra amin’ny maha olombelona ahy sy ny fiainako amin’ny maha pretra ahy. Tsy maintsy hajaina lalina ireo izay mijaly ary tsy manery na oviana na oviana hampanaiky an’ilay Andriamanitra izay mamelona anao. Fantatr’ireny fianakaviana ireny tsara fa pretra aho, hitan-dry zareo izany. Fantany koa fa ny faniriako indrindra dia tsy ny hampibebaka azy fa ny hitondra ho azy ny fifanakalozana amin’Andriamanitra.Ny hitondra ho azy, tsy voatery ho ny teny foana, satria ny teny mety ho fanonerana, fa ny fisian’ny lehilahy iray fotsiny, lehilahy nitarika mpirotsaka an-tsitrapo hanaraka azy, mpirotsaka an-tsitrapo izay tonga tonga eo fotsiny satria tsy tantiny ny fahantrana lalina.
Amin’ny alalan’io fandavana ny fahantrana lalina io no ifandraisan’ny mpirotsaka an-tsitrapo amin’ny fandavan’ny fianakaviana izay miaina an’io fahantrana lalina io. Fa te hilaza koa aho fa tsy ny fandavana ny fahantrana lalina fotsiny no mampifamatotra anay fa indrindra indrindra ilay fanantenana lehibe fa hiova ny zavatra indray andro any, ary tsy afaka ny tsy hiova io.
Indray andro nisy zazalahy nilaza an’izao tamiko : « Azonao, ny tokony hatao dia mba mipetraka andro vitsivitsy fotsiny amin’ny tranonay ny mpanankarena, ary izahay kosa hipetraka any amin’ny tranony. Avy eo dia haverinay aminy ny tranony, aorian’izany dia tsy misalasala aho fa tsy hoekeny intsony ny hivelomanay mahantra fiainana tahaka izao fiainanay izao ».
Ho ahy, ny zava-dehibe dia ny hisian’ny lehilahy sy ny vehivavy afaka miteny amin’izao tontolo izao, indrindra amin’ny mpino na inona na inona finoany, hoe : “Misy fiainana terenareo hiainanay, ankatoavinareo ny fiainana iainanay ka izao no lazainay aminareo : izao ny zavatra iainanay. Izao no fahantranay lalina. Io fahantrana lalina lavinay io, ianareo koa tokony handà azy miaraka aminay. Tsy azonareo atao ny mbola hivavaka amin’ilay Andriamanitra tsy mitsahatravoatevateva noho ny fiainana terena iainanay, noho ny fahoriana tsy hay lazaina iainanay isan’andro tsy tapaka mandritra ny androm-piainanay. Ny fahoriana zakainay, tsy ny tsy fisian’ny mofo, na dia zava-dehibe aza ny fananana mofo, ny resahinay dia ny fahoriana izay tsy inona fa ny fahafaham-baraka andentehanareo anay tsy an-kijanona”.
Nandritra izay taona maro izay, ny fianakaviana dia matetika no nilaza na tamin’ny mpirotsaka an-tsitrapo, na tamin’ny tenako mivantana : “Nisy zavatra nataonareo niaraka taminay izay tsy ho novinavinainay na oviana na oviana, tsy dia nahaliana anay loatra mantsy izany : ny vaky boky, ny akanin-jaza, ny tranom-pianakaviana, ny lasapely. Noana izahay, saingy ny tena nilaina no nomenareo anay, voaverinareo ny voninahitray. Rehefa nandinika izahay taty aoriana, dia heverinay fa marina ny anareo. Satria rehefa mamerina ny voninahitray ianareo dia namerina taminay ny hoavy, ary rehefa namerina ny hoavy ianareo dia namerina taminay ny herimpo hanao hoe tsia. Naverinareo taminay io herimpo hanambara ampahibemaso an’io tsia io, tsy tsia ao anatin’ny fankahalana fa milaza kosa hoe : izao ny fahorianay, vitanareo ve ny manaiky an’izao ?”