Ny 17 Oktobra 1987 no nitokanan’i Mompera Joseph Wresinski, mpanorina ny ATD Tontolo Fahaefatra, teo amin’ny kianjan’ ny zon’olombelona sy ny fahafahana, tao Trocadéro ao Parisy, ny takelabato voasokitra misy ireto teny ireto:
“Ny 17 Oktobra 1987, no nivory teto amin’ity kianja ity ny mpiaron’ ny zon’olombelona sy ny olom-pirenena avy amin’ny firenena rehetra. Nanome voninahitra ireo nijaly noho ny hanoanana, ny tsy fahalalana ary ny herisetra izy ireo. Nohamafisin’ izy ireo ny fahareseny lahatra fa azo ihodivirana ny fahantrana lalina. Nambaran’izy ireo ny firaisankinany amin’ireo rehetra mitolona manerana an’ izao tontolo izao hamotehina azy.
Na aiza na aiza misy olona vozonana hiaina anaty fahantrana lalina dia voahitsakitsaka ny zon’olombelona. Adidy masina ny miray hina hampanajana izany zo izany”
Mompera Joseph Wresinski

Nitondra teny ho an’ireo olona 100.000 nanatrika teo i Mompera Josefa, nanome voninahitra ireo mahantra indrindra amin’ny fotoana rehetra, tamin’ny lahateniny hoe: “ Vavolombelonareo aho”.

Io hetsika tamin’ny 17 Oktobra 1987 io no niandohan’ ny famoronana ny Andro maneran-tany ho an’ny fandavana ny fahantrana lalina, izay neken’ny Firenena Mikambana tamin’ny fomba ofisialy ny taona 1992 ho “Andro iraisam-pirenena ho an’ny famongorana ny fahantrana”.
