Ho fanomezam-boninohitra ny mahantra amin’ny fotonana rehetra

Ry ankizy, ray sy reny

An-tapitrisa an-tapitrisany Izay maty noana sy mijaly Lovainay ankehitriny Niaina teto ianareo O! tsy ny fahafatesana Na fotamandry no fohaziko Amin’izao fotoana izao Manoloana ity kianjam- Pahafahana eto ity… Kianjaben’ny zo sy hajan’ olom-pirenena fenot… Vavolombelona aho Hiteny momba anareo…

Ianareo reny maro

Izay manan-janaka mahantra

Voailikilika eto an-tany

Vavolombelona aho,

Fa ireo zanakareo Mijafajan’ny hanoanana, Mosarena tsikitsiky Nefa mbola te hitia…

Vavolombelona aho Ho an’ireo tanora maro An-tapitrisa an-tapitrisany Tsy manam-pototra inoana Na izay anton’ny fisiana Mba mikatsaka ny ho avy Eto an-tany tsisy varany

Nareo mpiasa tsy an’asa Rotik’asa andavan-taona Kanefa fe ankehitriny Tsy vory tanan-kiasa intsony!

Ry ray sy reny sy ankizy An-tapitrisa an-tapitrisany

Izay manam-po mbola mitempo

Tsy an-kiato hihoitra hiady Izay manan-tsaina aman- panahy

Hanohitra ny anjara ratsy Mbola hamesarana azy…

Izay manana herim-po Mitaky tsy ho diso zo Amin’ny tampom- pahamandrehana. Vavolombelona aho Mba ho ny olona rehetra No handala izany rariny Sy handà mandrakizay Fa tsy lahatra mihitsy Izany fahantrana izany!

Joseph Wresinski,  17 oktobra 1987

One comment Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.