Ny hamehana ho an’ny Ankizy

Nanomboka ny faran’ny taona 1970, ary indrindra ny taona natokana ho an’ny ankizy tamin’ny 1979, ny Firohotana ATD Quart Monde dia nampiroborobo ny fifamatorany tamin’ny UNICEF. Izany no nampisy fifandraisana tena mafy teo amin’ny Tale Jeneralin’ny UNICEF, James Grant, sy i mompera Joseph Wresinski. Ho an’ity farany, zava-dehibe ny tokony hitaran’ny asan’ny UNICEF mankany amin’ny ankizy rehetra manerana an’izao tontolo izao, na any Avaratra na any Atsimo, ary tokony hisy ezaka manokana atao mba hipaka hatrany amin’ny mahantra indrindra mba tsy hanaovana azy an-kilabao. Ho fanatanterahana izany no nandraisany tamin-kafaliana ny namoronan’ny UNICEF, tamin’ny 1987, ilay Fiombonana Lehibe ho an’ny ankizy izay voafaritra toy izao ao amin’ny tatitra E/ICEF/1988/2 (fizarana II) nataon’ny Talen’ny UNICEF tamin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana : « Ity fiombonana lehibe ity dia nateraky ny hetsika goavana ho an’ny firaisan-kina izay nijoro nandritra ny taona nankalazana ny fahefapolo taonan’ny UNICEF. Mba hampandrosoana an’io « Fiombonana Lehibe » io ny UNICEF dia nampitodika ny ezaka nataony nankany amin’ny fanamafisana ny fatorana teo amin’ny mpanapa-kevitra sy ny mpitady hevitra, nankany amin’ny fandalinana ny fifanakalozan-kevitra tamin’ny parlemantera, nankany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny ONG manana ny lanjany tsy mitsaha-mitombo, ary nankany amin’ny fanolorana tan-tsoroka ho an’ny filazam-baovao mba hanamora ny asany eo amin’ny sehatry mikasika ny olana sy ny laharam-pahamehana ho an’ny ankizy ». Niaraka tamin’ireo izay noforonina tao amin’ny foiben’ny UNICEF tany New York dia nisy fifamatorana niforona tany amin’ny firenena maro, anisan’izay i Frantsa, niaraka tamin’ny komitim-pirenena ho an’ny UNICEF. Taorian’io fiarafha-miasa io no niantsoan’ny UNICEF an’i mompera Joseph handray fitenenana tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tamin’ny fotoana namoahana ny Tatitra momba ny toe-piainan’ny ankizy teto amin’izao tontolo izao tamin’ny 1988.

Misy eritreritra vitsivitsy tiako hozaraina aminareo, ary tandremako tsara ny tsy hanavahana ny fianakaviana avy any amin’ny  tany eo an-an-dalam-pandrosoana amin’ireo  izay monina any amin’ny tany efa mandroso.Ny fianakaviana any New York na Chicago mantsy izay miafina any amin’ny araben’ny tanànany, ny fianakaviana any Frantsa izay misitrika any amin’ny fiarabe efa tsy mihetsika intsony,   mipetraka eny amin’ny fanariam-pako na eny amin’ny lalam-be migodana sy ny fasana, dia mitovy ny hafatra alefany amintsika tsy misy hafa amin’ny an’ny fianakaviana mamikitra eny amin’ny tehezan-tendrombohitra, eo amoron-tevana na eo ambonin’ny tany fotaka mandrevo manamorona ny helodrano any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana.

Ireny fianakaviana rehetra ireny dia tsy vitan’ny hoe natosika fotsiny hanalavitra ny faritra misy fonenana mendrika. Ny tena loza dia tsy misy toerana ho azy ireo akory any amin’ny site na ny kartie mitsipozipozy na ny kartien’ny trano bongo. Ny marina dia izao : atosika any ivelan’ireny faritry ny fahantrana ireny izy ireo, atoka-monina ao anatin’ny fahantrana lalina noho izy mahantra fadiranovana. Noho izany tsy misy tanàna na iray aza mahalala izay tena isany marina. Ny tena loza aza diamatetika izy ireny no tsy hita akory ao amin’ny rejistry ny fitondrana na any amin’ny antontan’isam-pirenena. Tsy misy toerana ho azy ireo any amin’ny laharam-pahamehan’ny tompon’andraikitra politika.Raha ny izy dia tsy misy izy ho an’ny olona. Ny vokatr’izany dia izao, ny zanak’ireny fianakaviana faran’izay mahantra tsy heverina ho misy akory na any amin’ny firenena mandroso na any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana, dia samytsy manana ny hoaviny.

Alaivo ny antontan-taratasy feno

Read Download
0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.