Fantany fa nifankatia ny ray aman-dreniny

Efa niotrika tao volana maromaro ity zavatra ity
Efa tena lasa navesatra loatra ny fiainana
ka tsy zakan’ilay lehilahy intsony,
satria   ny tsy fananana asa,  ny hanoanana,  ny tokantrano ravarava dia nahamenatra azy.
Indray andro lasa izy, ary, efa ho telo herinandro  izao no
tany ivelany tany, “miaraka amina vehivavy hafa” hoy ny mpiray tanàna; “tsy izany kosa angamba”, hoy ramatoa vadiny.

Io takariva io, dia tonga izy haka ny entany.
Nilazan’ny mpiara-monina aho dia nandeha ary tonga tao,
nijaridina, teo afovoan’ny efitra feno korontana.
Tsy nisy niteny.
Ny ankizy nihanika teny ambony seza lava efa goaka, mifanositosika,
mitsingidina amin’ny tany   dia mamerina indray.
ilay rainy amin’izany, mangorona ny akanjony, tsy avalona akory,
ao anaty valizy roa napetrany teo ambony latabatra.
Ohatra ny mahatsikaiky avokoa izay rehetra jerena: ny sezalava, ny ankizy, ilay ray, ny latabatra, ny valizy, ny akanjo.

Tsy nahita teny holazaina taminy hifanentana amin’ny fahamenarany sy ny loza mihatra amin-dry zareo aho.
Fantatro fa io fandehanany io dia tsy   lalana tokony hivoahana.
Azoko antoka tsara fa ny nantenainy dia ny vadiny sy ny zanany
hangataka ny hijanonany
Fa tahaka anay koa ry zareo ireo, tsy nisy sahy niteny taminy.
Manana tsindrimandry izahay mahantra itony
fa manova zavatra ny fitenenana, mampihena ny lanjan’ny fihetsehampo,
ary saika mandrakariva manimba azy.

Tamin’ny farany, novelariko ny tanako
dia nofihiniko teo an-tratrako mafy izy, faran’izay mafy…
Nataoko tsapany tsara fa lehibe ny fitiavanay azy.
Ary tamin’izay ilay vadiny izay  niafina tao anaty haizina tao,
vao nivoaka avy ao amin’ilay efitra tao ambadika.
Tahaka ireny biby naratra ireny izy niafina tao
mba hanakonana ny alahelony, ny maha singany irery azy, ny fahoriany.
Ohatra ny vain’afo ny tarehiny, mibontsina, simba, nefa mahafatifaty,
tahaka ny hoe rehefa ao anaty fahoriana
ny tarehin’ny olona fadiranovana dia
mitahiry karazana hambo,
sy faniriana hiaina sy hitia.

Dia notondroiny ny ankizy ary izao no teniny:
“Telo andro izay no efa foana ny tahirintsakafo…
Tsy nangataka na inona na inona na tamin’iza na tamin’iza aho.”
Ny zavamisy sy ny fahoriana no niadiany
tamina teny fohy sy hentitra.
“Tonga haka ny entany izy. Handeha izy,
dia inona no hiafaranay?”
Tsy izaho velively no nitenenany,
fa niteny an-kolaka tamin-drangahy izy.
Mbola nofihiniko hatrany ny sandrin’ny lahy.
Mbola samy nanao izay nataony tery an-tsisiny tery hatrany izy fito mianadahy.
Teo amin’ny manodidina an’ity latabatra ity no hanapahana ny hoavin’ilay fianakaviana,
mety hitera-doza hatrany izay atao rehetra:
ilay ramatoa mitaraina, ny ankizy tsy miraharaha
ilay rangahy mangina fa safotry ny henatra…

“Hijanona izy, hoy aho, fa raha tsy izany izy tsy ho niverina teto.”
Dia notarihiko nankany an-dakozia daholo izy ireo,
tsy nahitana na inona na inona azo nohanina tao, tsy nisy fofon-tsakafo noketrehina.
Andro vitsivitsy mialoha an’io dia efa nofaohin’ny ankizy daholo izay tao, efa nokaohiny hatrany amin’ny vody vilany,
ny nihafarany moa dia tsy tao aminy intsony ry zareo no nihinana
fa lasa tany amin’ny mpifanolo-bodirindrina taminy.
Nifandimby nandray azy moa ry zareo ireo
ka nanome sakafo azy sady nimenomenona noho ilay rangahy nandeha.

Indraindray ny andaniny no omeny tsiny, indraindray ny ankilany,
ohatra ireny ilay hoe tsy misy ireny ny tsy fananana asa,
ohatra ireny ilay hoe tsy miketoka ny tsinainy ireny ny hanoanana,
ohatra ireny ilay hoe tsy tonga ireny ny fahafaham-baraka.

Tapaka ny fahanginana izao.
Teo izahay, ny iray nipetraka, ny iray nitsangana:
“ Izaho koa nijaly”, hoy ny lahy.
“Ary izahay?”, hoy ny vavy.
“Niasa aho”, hoy ny lahy.
“Manam-bola izany ianao?” Tsy namaly izy.
Tamin’izay dia fantany tsara fa raha mandeha indray izy,
dia ho tavela eo ry zareo, tsy hanam-bola,
dia ho voatery hitalaho izy , na inona na inona teneniny,
dia ho voatery hangataka, na dia nolaviny mafy aza izany,
mba hihinanan’ny ankizy.
Hany ka nifokofoko nitomany izy sady nivaky hoe:
“ Fantatrao ve fa nivarotra boatina petipoà aho mba hanoratako ho anao?”
Io boaty io dia famantarana, hiakan’ny fahakiviana,
mariky ny fanampian’ny manodidina izay nanome azy an’ilay izy.
Ny nivarotra an’iny dia fanehoana fitiavana tsy hita fetra
izay nanosika ny hanoanana, ny fijaliana, ny fahafaham-baraka hankany aoriana indrindra.

Dia samy tsy nisy niteny intsony izahay.
Efa voalaza daholo ny zava-drehetra. Tsy nilaina intsony ny fitenenana.
Nony lasa aho dia fantatro tsara fa tsy handeha intsony ilay rangahy
fa efa nahazo tanjaka izy ankehitriny
hoentiny misedra ny esoeson’ny mpiara-monina,
satria samy nifanolotra fitiavana indray izy mivady.

Teo an-tokonam-baravarana,
notazomin’ilay vavikely fito taona ny tanako,
dia nopotsipotseriny tahaka ny te hiteny hoe “misaotra”.
Izaho kosa, lasa tany amin’ilay boatina petipoà ny saiko,
namidy nihoatra kelin’ny roapolo ariary mba hividianana hajia,
mba hanoratana any amin’ilay lehilahy nandositra ny ankohonany,
mba hilazana aminy hiverina fa mbola tiana foana izy.
Io famborahana fitiavana io ve mba ren’ny ankizy?

Mino izany aho.
Sady tsy mila an’ io porofo io koa anie ry zareo:
Efa fantany, efa hainy hatramin’izay,
fa mifankatia ny ray aman-dreniny.

Inona ny tsiambaratelo kobonin’ny fon’ny mahantra,
ka tsy azontsika veroka?
Fitiavana tahaka ny inona no mampifamatotra azy toy izany?

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.