Noho izy miankina amin’ny olon-dehibe sy ny tontolo iainany,
dia mahantra daholo ny ankizy rehetra eran-tany.
Na zanaky ny mpanana izy na zanaky ny mahantra, tsy misy na inona na inona azy.
Ny fitadiavany sy ny fahitany
fitiavana, hafaliana , fiadanana,
hazavana sy hatsarana…
dia miankina amin’ny fahaiza-mizaran’
ireo izay tia azy na ireo manodidina azy.
Fa any rehetra any eto an-tany
misy ankizy tsy mba tahaka izany ny azy,
satria tsy mba manan-kozaraina ny ray aman-dreniny sy ny namany.
Ireny no ankizy nateraka tao anatin’ny fahantrana.
Indray hariva izay no nahatakarako an’izany.
Tao amin’ny site iray, efa nirotsaka ny alina.
Rakotry ny hamandoana ny soroka,
tahaka ireny ilay mivoaka sy miditra avy any rehetra any ireny ilay izy,
avy any amin’itsy arabe itsy, avy amin’irony trano tsy misy hafanana
sady tsy azo onenana irony.
Tahaka ny avy amin’ireo olona eny amin’ny manodidina,
tsy manana olona mitovy saranga aminy, tsy mahazo fitenenana ary tsy mahazo valiny;
avy amin’ireo olona mamoifo
satria tsy misy azo antoka hiangana,
na anio, na rahampitso, na rahoviana na rahoviana.
Tsy misy azo antoka mihitsy tsinona na ny olombelona, na Andriamanitra.
Azoko tsara fa, ho an’ny zaza mahantra,
tsy misy akony ny antsony sy ny hiakany,
very an-javony ny fanontaniany sy ny fangatahany.
Ambonin’izany, tamin’io fotoana io indrindra,
teo afovoan’ny arabe, tao afovoan-tanàna,
nisy zazalahy kely iray nitomany.
Mandeha izy, miahotrahotra,
ny tanany roa mihinjitra aty aloha, mitsapatsapa ao anatin’ny alina.
Avy tao anaty andian-jazavavy tao, indro nisy anankiray nivoaka.
Angamba 8 na 10 taona eo ho eo ilay izy, tsy fantatra!
Nihazakazaka nanatona ilay zandriny lahy izy,
nobatainy dia nentiny,
nobatainy dia notambitambazany,
nobatainy dia nosafosafoiny.
Niondrika izy hibata ilay zaza hiala amin’ny tany,
dia nofihininy teo an-tratrany.
Saingy avy aty aoriany kosa, nisy lahikely iray, tsy nampoizina,
namely daka azy.
Nivanivany ilay lahikely.
Tao anatin’ny alina tao dia ohatra ny nivanivany nanakoako daholo ny zava-drehetra,
nivanivany ny ompa, nivanivany ny tomany,
nivanivany ny fahantrana tao amin’ilay tanàna
tahaka ny any amin’ny tanàna mahantra rehetra eran-tany.
Mba tsy hitomaniany,
dia nivanivany ny fahantrana, araka izay tratry ny ainy,
fa rikoriko izy sady nandre naharary…
Izany vanivany rehetra izany dia nanosihosy an’ilay zazavavy kely
nandohalika tamin’ny tany, teo ambonin’ilay zandry keliny.
Ny havany, ny olona rehetra toa azy, samy nihomehy azy avokoa.
Tsy nisy na iray aza mba tamy nanampy azy.
Taitra izy, nentiny ilay zaza,
mitolefika izy amin’izany noho ny lanjan’ilay zanak’olona tokony hotiavina.
Zanak’olona, zaza fadiranovana ankehitriny:
ho azy ireo, ny fiadanana, ny hafaliana, ny fitiavana, ny hazavana, ny hatsarana,
dia tsy natao ho anisan’ny lovany.
Tamin’io hariva io, tsapako fa manerana an’izao tonotolo izao,
dia misy ankizy an-tapitrisany maro very.
Very tahaka izao any anaty lavaka, satria ao amin’ny tontolony
tsy mba sendra olona avy aty amintsika
mba hitia azy.