Tompo ô, matahotra Anao aho

Matahotra ny hifatotra aminao aho,
ny hametraka ny fiainako eo am-pelatananao,
satria matahotra ny fijaliana aho,
matahotra ny tsy rariny sy ny hanirery.
Noho izany aho dia  tsy afaka miteny hoe:”ataovy tonga fitiavanao aho,
ary volavolao araka ny sitraponao,
tahaka ny amolavolan’ny lahy ny soroky ny vadiny…”

Matahotra aho sao entinao any amin’ny tsy fantatra,
any amin’ny tsy hanatrehako afa-tsy Ianao,
tsy hiatrika afa-tsy Ianao irery;
any amin’ny misy ny sitraponao
izay mety hifanohitra loatra amin’ny ahy
ka hanova tanteraka ny fiainako.

 Nefa, Tompo ô, fantatro fa ny fiainako
dia eo am-pelatananao manontolo.
Fantatro fa na inona na inona ataoko
dia Ianao ihany no tompon’ny teny farany,
anao ny fanahiko
satria tia ahy Ianao.

 Tia Anao koa aho.
Koa avy aiza àry ny tahotro,
ny fisalasalako ary indraindray ny fikomiako?
Noho izaho tsy ampy finoana ve?
Eny, izany mihitsy Tompo ô,
Tsy ampy finoana aho…

Nefa, misy zavatra hafa…
Hita fa tao ho ao Ianao
dia te ho “mpitrongy vao homana”: mitafy vorokitsay, maty hasina,
ilay tsy misy mpahalala any amin’ny faritry ny fahantrana.
Te ho anisan’irony olona mampatahotra ahy irony ianao.

Tahaka ny efa fanaony,
nandritra ny andro sy alina maro be,
ianao koa, dia hitondra ahy
any amin’ny fahoriana arahim-pahoriana,
any amin’ny fisalasalana arahim-pisalasalana,
atosikao hihanjahanja eo imason’ny havako mahantra aho,
atolotrao  ho an’ ny danin’ny kibony aho,
ho an’ny fahoriany, ho an’ny maha irery azy.

Izany no mahatonga ahy hatahotra Anao,
satria Ianao no miteny amiko,
amin’ny alalan’ny aty fony lalina indrindra hoe:
“ Ireny ankizy ireny dia zandriko,
ireny vehivavy ireny dia reniko,
Izaho ilay Lazara tsy maha te hierika anao,
ilay Maria Madalena maka fanahy anao,
ireo jiolahy mangalatra sy manompa anao,
ireo boka rikarikan-taolana sy dondrona
maharikoriko anao.”

Tompo ô, mamindrà fo amiko,
aza atolotrao voafatotra tongotra aman-tanana
ho an’ireo havana ireo aho.
Aza atolotrao tsy manam-piarovan-tena ho an’ny fitiavanao.
Tsia! aoka re, Tompo ô.
Amindrao fo re, aza avelanao hisy izany.

Saingy takianao moa ilay izy
dia hanaiky aho.
Fa matahotra anao ihany aho, na izany aza,
ry Tompo.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.