Talohan’’izay zoma izay tao Jerosalema…

Tao ho ao, eto ambony fandriako ato amin’ny hopitaly,
dia lasa saina mafy aho mieritreritra ny tsy fananana asa,
ny toe-karena mikororosy fahana sy ny fahoriana aterak’izany.
Tahaka ny nandeha ho azy koa ,
fa dia natambatro tamin’izany tao ny “goulag” sy ny fandoroana olona velona,
ny fanagadrana any amin’ny trano fitsaboana adala,
ny fampitokana-monina ny relijiozy any Romania
izay hitako maso, natrehiko mivantana,
ny fampijaliana nataon’i Pinochet, ny fampodiana avy any Vietnam,
ny firotsahana tany Angola.
Satria na dia samy manana ny lanjany aza ireo dia mitovy ihany ny antony:
ny tsy fahalalana izay mitarika any amin’ny fanaovana tsinontsinona ny olona.

Rehefa mandinika izany rehetra izany, rehefa mandinika ny ny fiainan’ny tany
izay atolotra antsika mifintina dia mifintina,
any amin’ny fahitalavitra, any amin’ny gazety,
dia nieritreritra aho fa izany no anjaran’ny zanak’olombelona,
mandritra ny taona mifandimby, ny kolontsaina mifandimby,
fa anjara tsy azo nihodivirana tsy maintsy niainana izany,
talohan’izay zoma izay tany Jerosalema.

Noheveriko fa ny olona rehetra, hatrizay hatrizay,
dia nanao tsinontsinona ny fiainana sy ny hasin’ny mahantra sy ny resy.
Izany no nahatonga ity lehilahy mahantra iray,
vao maty noho ny lozam-pifamoivoizana ny vadiny,
hamerina izay nampianarin’ny olona azy ka hiteny hoe:
“mihena anankiray aloha izay ny “faikan’olona” eto an-tany.”
Naveriny fotsiny ny lesona natao tsianjery,
na izy aza nanadino fa renin-jaza sivy anie io vadiny io,
ary azy ny roa tamin’ireo.
Hadinony fa hisy zaza sivy tsy hahazo tambitamby intsony,
zaza sivy manomboka izao no
tsy hanana reny miari-tory sy hitebiteby ny aminy intsony.

Noheveriko fa izany foana ny olombelona hatrizay hatrizay,
talohan’izay Zoma iray izay tao Jerosalema.
Satria, io tenin’ilay mahantra io dia famerenana ny teny novazavazaina
mba hanompana sy hanivaivana ny andevo taloha,
mba hanosihosena ny mahantra an-tapitrisany hatrizay.
Dia hoy koa aho hoe: “ fa anjara ratsy tsy azo nivalozana inona
no nahazo ny olona sasany ho tonga hatramin’izany?
Ahoana no hahafahany mampiditra
tahotra sy tebiteby be dia be toy izany ao am-pon’ny olona hafa,
fahoriana be dia be ao amin’ny fiainany, fakana an-keriny be dia be,
sy fisarahana be dia be, ranomaso be dia be, fangirifiriana be dia be?
Ahoana no nahafahany tonga hatrany amin’ny
fanangonana faty maro be, sady tsy misy anarana no tsy misy hasiny?

Nazava tamiko fa ny henatry ny zanak’olombelona
dia noho izy voatery hatrany hatrany hangalatra ny fiainan’ny
mahantra sy ny resy, hangalatra ny fahafahany,
hamorona  ny tsy rariny mba hanakanana azy tsy hitia,
tsy hahatakatra, tsy haniry, ary tsy hizara.
Nazava tamiko  hoe naninona ny olona sasany no voatery
haka na hangalatra ny fiainana, ny fahafahana,
ny rariny ary ny fahamarinana,
hatreo amin’io indray zoma tao Jerosalema io.

Tamin’io andro io,
nisy izay lehilahy izay, ambony noho ny anarana hafa rehetra  ny anarany,
nijoro nanoloana ny zanak’olombelona  nanome ny ainy
mba hanoherana sy handavana
ny haratsiam-panahin’ny olona tsy azo ivalozana,
ny anjara ratsy noho ny ady,
ny fangejana, ny fampijaliana,
ny fandaingana sy ny fahatahorana.

Io lehilahy io moa dia efa nanomana ny fahafatesany,
mbola tany alohan’io zoma tao Jerosalema io.
Ny faniriany mantsy dia hampitovy tanteraka ny fiainany
amin’ny an’ny mahantra sy ny resy.
Mbola tany alohan’io zoma tao Jerosalema io izy
dia efa nisafidy an-tsitrapo hiaina
sy ho faty eo anivon’izy ireny.

Vao nanomboka ny fiainany tokoa mantsy izy
dia efa anisan’ireny andian’olon-dratsy,
irony vahoaka feno olona lasa ratsy endrika,
irony kepaky ny hanoanana, irony mitafy vorokitsay,
irony feno tebiteby, irony feno ahiahy,
irony any amin’ny fandoroana olona sy ny “goulags”
omaly sy androany,
ny tsy an’asa sy tsy manan-kialofana,
mba hiantso ny olona rehetra hiombona,
mba hanatrarana ny famerenana ny fiainana
amin’ny mahantra sy ny resy.

Tahaka azy ireny, izy koa dia natositosiky ny tatsy, nahiboky ny taroa,
ombieny ombieny, tetsy sy teroa,
nohararaotina sy nampiasain’ny olon-drehetra.

Hatrizay ka hatrizao izy dia ilay olona tsy nahita vato hanondanana ny lohany…,
tsy misy mafy hametrahany ny tongony,
mivenjivenjy sy enjehina tahaka ny mafy ady.
Voatery hifandray tendro amin’ireny olona ireny.
Nohelohina ho tia miaina miaraka amin’ireny izy, ary marina izany!
Nohelohina ho  manahaka azy ireo izy, ho miray tsikombakomba amin’ny mpangalatra,
ny mpivaro-tena, ny jiolahy, ny fakofakon’olona.
Nohelohina ho mihosina amin’ireo vahoaka ireo izy,
manary tena ao amin’io vahoaka mitrongy vao homana io,
tsy manam-piahy, tsy manan-tanjona, tsy manam-pikasana, tsy manana Andriamanitra ary tsy manam-pitiavana.

Nitaona azy ny mpanao politika,
ny olona rehetra nanana fahefana,  ny avy amin’ny firehan-kevitra samihafa,
fa tsy nanaiky ho resin’ny mena miraviravy izy,
mba hahatonga ny hasina maha olona azy sy ny fahafahany tsy  ho voatohintohina.
Niainany ny tebiteby ny amin’izay havoakan’ny ampitso.
Ny hevitra hitan’i Maria reniny no namelona azy,
izy sy ny namany, teny an-dalana.
Nofinganina teny afovoam-bahoaka izy, najoro tahaka ny sariolona hampitahotra voronkely
amin’izay mantsy rehefa miendaka aminy ny mahantra
dia miala aminy koa ny anton’ny fisiany.

Fa mbola tany alohan’io zoma tao Jerosalema io,
natao ohatra ny fanao amin’ny mpanakorontana izy, mpamitaka, mpitabataba.
Ho an’ny olona ambony dia naseho ho toy ny olona mitondra loza
ho an’izay manao kitapo miara-peno aminy izy,
mifandray amin’i Belzeboba, , tondroina ho zanak’i Belzeboba,
amin’izay mantsy, na dia misy maty tafatsangana noho ny fitiavany aza,
dia mbola tsy horaharahaina ihany izy, hatao tsinontsinona, resy.
Natao nitovy torosy tamin’ny mahantra izy,
ny mahantra sy ny resy rehetra izay, isan’andro vaky,
mbola mamelona ny zanany
amin’ny alalan’ny fikirizany hizara fitiavana
mbola tavela ao aminy foana,
na inona na inona ezaka ataon’izao tontolo izao hanendahana azy aminy.
Fa tsy misy dikany izany rehetra izany,
tsy misy dikany ny fahagagana vitany, ny faharetany sy ny hamoram-panahiny.
Inona loatra moa ny tombon-tsoa ara-toekarena, sosialy, politika,
eny fa na dia ara-pinoana aza,
mety ho azo avy amin’izany?

Indray andro mialoha an’io zoma io, tany ivelan’i Jerosalema,
nanirery sy nitebiteby mafy tao Getsemania,
rakotry ny hatsembohana mangatsiaka, nilona tamin’ny ra nateraky ny hodiny,
godron’ny horohoro noho ny amin’ny havany, ny amin’ny fiainany,
ny amin’ny tsy hanalana aminy ny ainy, ny hamelana azy ho velona,
ny amin’ny hamelana ny havany ho velona!
Getsemania, ny famadihan’ny namana, ny famadihan’ny mahantra!
Tsy nahazaka intsony ny vsatra nentiny ny namany,
tsy nahatanty intsony, dia  nitoroka,
nanondro, ary nanantena fa amin’izay dia  mbaho afa-patorana.

Andian’olona nodorana sy goulags, olona nampijalian’i Pinochet,
olona natoka-monina tany Romania, tsy an’asa sy voahosihosy! Nahoana?
Nahoana, na inona na inona mitranga,
ny zanak’olombelona no mbola enjehin’ny eritreriny foana
rehefa kianina ny fisianareo
Nahoana izy no mahatsiaro tena ho diso taminareo,
ho afa-baraka,
ho tompon’andraikitry ny anjara ratsinareo sy ny fahafatesanareo?
Nahoana ianareo no  tsy ekeny ho sisam-paty
na dia lazain’ny mpitarika ny sainy sy ny asany aza
fa olona tsinontsinona ianareo, fa lasa olona tsy misy ianareo,
fa tsy inona akory ianareo fa laharana fotsiny?
Ahoana no hanazavana fa  ho an’ny zanak’olombelona,
dia olona ianareo, mijanona ary mbola hijanona ho olona?

Moa ve tsy noho ilay tamin’ny roa arivo taona lasa izay,
ilay indray zoma tao Jerosalema, nisy lehilahy,
Zanak’Andriamanitra ho an’ny Mpino….
Moa ve tsy noho ilay mbola  amin’izao  ankehitriny izao,
io lehilahy io, Jesoa -Kristy, niantsoroka ary mbola miantsoroka
ny maha ianareo anareo manontolo,
ny zavatra rehetra iainanareo na henatra na tebiteby?
Tsy amin’izay koa ve  Andriamanitra Ray, mandrakizay,
dia mba hiaina ny fahantranareo, sy ny fahakivinareo,
ary tsy ho afaka hanadino azy,
tahaka ny somisika ao amin’ny maha Andriamanitra azy?

Moa ve tsy noho ilay tamin’ny roa arivo taona lasa izay,
ilay indray zoma tao Jerosalema, nisy lehilahy,
mpaminany na mpitarika olona ho an’ny tsy mpino,
nanery ny olona rehetra, rehefa nahita anareo,
hanohitra fa tsy lahatra
ny tsy fananana asa, ny fidinan’ny sandam-bola, ny goulag sy ny doro olona,
ny trano fitsaboana adala, ny fanokana-monina, ny fampijaliana…
Amin’izay ny olona dia ho tonga saina ny amin’ny
tany aloha sy taty aorian’io zoma tao Jerosalema io.
Amin’izay ny olona, rehefa mahita ny tenany ao amin’ny mahantra sy ny resy,
dia hiandraikitra , eo amin’ny fiainany sy ny fahafatesany,
ny fahafahana, ny rariny, ary ny fahamarinana.

Noheveriko fa hatramin’izay ny olona
dia nanosihosy, nanao tsinotsinona, nangalatra,
ny fiainana sy ny voninahitry ny mahantra sy ny resy,
noho ny tsy fahalalany ny toetran’ny olombelona.

Hatrizay hatrizay , dia natao tahaka ny anjara ratsy
mandra-pahatongan’io zoma anankiray io.
Mandra-pahatongan’ilay zoma tao Jerosalema,
izay nahitana lehilahy nijoro, nanatrika ny olombelona rehetra,
mba hanohitra sy handà na dia hihatra amin’ny ainy aza izany.
Nisafidy izy, an-tsitrapo tanteraka,
ny hiaina sy ho faty tahaka azy ireo,
ireo mahantra sy ireo resy.
Tahaka azy ireo, tsy nisy mpankasitraka, nahetry, resy,
amin’izay mantsy ny Ray dia tsy hanadino mihitsy na oviana na oviana,
amin’izay ny olona dia tsy afaka hanaiky intsony fa hoe anjara ratsy
ny fahakiviany sy ny fahamenarany.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.