Ho hafa ny rahampitso…

Ahoana ny fomba hilazana aminareo ny fitaintainan’ireny fianakaviana ireny
amin’ny fotoanan’ny ririnina
rehefa tapahin’ny fitondrana ny jiro sy ny gazy,
ka tsy misy hanafanana azy intsony ny trano?

Tao amin’ny anankiray, vao dimy ambin’ny folo andro monja ilay kely indrindra.
Tsy afaka nanafana azy ny reniny amin’ny alina.
Ny mpifanila trano no maka azy ny antoandro
mba hahazoany hafanana.
Telo taona ny zokiny indrindra.
Omaly, tao anatin’ny hatsiakan’ilay trano,
dia rano zara raha matimaty avy eo amin’ny tavoahangina gazy fitondra milasy
Nitomany ilay zaza, nangovitra izy fa sady nangatsiaka no natahotra.
Satrin’ilay ramatoa mpiray monina handray sy hamihina azy mafy dia mafy,
fa tsy sahy izy, hoy izy tamiko,
noho ny zanany naterany.
“Vitan’ireo ny miteny amiko hoe:
apetraho iny fa maloto, masiso!”

Azo antoka fa tsy mieritreritra izany rehetra izany
ny mpanapaka ny jiro sy ny gazy:
na ny zaza mangatsiaka, na ny reny very hevitra
ny amin’ny hanafanana ny zanany,
ary tsy afa-mitsena an-kafaliana ny raim-pianakaviana
lanaka nitady asa tontolon’ny andro.
Tamin’iny ririnina iny, fantatro koa fa nisy fianakaviana
notapahina koa ny ranony.
Tadidiko Rtoa Planque niteny taminay hoe:
“Tsy nahazo fanafanana izahay, tsy nahazo herinaratra,
fa mbola zakanay ihany.
Fa tamin’ny andro nanapahana ny rano, tena izay no izy,
tsy afaka nidina ambany noho izay intsony.”

Rehefa tsy misy rano,
azontsika an-tsaina ve ny fahorian’ny renim-pianakaviana
tsy afaka manasa an-janany intsony,
tsy afaka mandefa ny maloto ao an-kabone,  tsy afaka manao lakozia?
“Tsy mety ny  tsy mihinana afa-tsy tapa-mofo voasisika!”
hoy izay vehivay izay very hevitra.
Ambonin’izany, hatao ahoana ny fanasa vilia,
ny fanasa lamba sy fanasa trano?
Fa indrindra indrindra ahoana ny ho fidiovana
ka hatoky tena tsy ho menamenatra?

Atsy amin’ny site atsy an-kilany, misy vehivavy,
nofitahin’ny  andro mba tsaratsara,
dia nilaza an’izao tamiko rehefa nifarana ny volana janvie:
“Efa tonga ity ny lohataona ka mba tsy ho mafy loatra intsony.”
Nino tanteraka io ramatoa io
fa tafaverina ny andro tsara;
izay no faniriany.
Ny tontolon’ny fahantrana dia mino hatrany fa ho hafa ny rahampitso.
Izaho koa toa azy ireo, mino izany aho.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.