Rehefa niaraka tamin’ireo fianakaviana tao amin’ny Tobin’i Noisy le Grand izahay tamin’ny volana Jolay 1956, dia nianiana fa foana hatreo ny fotoanan’ny tsy rariny, ary manomboka kosa ny ny fotoanan’ny rariny sy ny hitsiny.
Teraka avy tamin’io fandavana io ny adintsika: tsy hisy intsony ny henatra sy ny fahantrana lalina, tsy hisy intsony ny fahatahorana ny hirenireny, tsy hisy intsony ny fanaovana ho tsinontsinona noho ny tsy fahalalana, tsy hisy intsony ny famoretana ara-piaraha-monina.Ary teraka avy tamin’ny fanamby koa ny adintsika: dia ny fampivondronana ireo tena sahirana ho amin’ny firohotana Quart Monde, ka hahatonga azy ireo koa ho lasa mpiaro ny Zon’olombelona. Ny fanamby amin’ny hanaovana ireo olona voahilika taloha ireo ihany ho lasa mpiaro ireo zo nesorina tamin’izy ireo hatry ny ela; mba hahatonga ny tsy manam-peo ho lasa mpitondra tenin’ny fahamarinana, ny fahafahana ary ny firahalahiana. Ny adintsika koa dia teraka tamin’ny fanamby hanaovana ireo olona atao tsindry hazo lena , ireo madinika atao tsinontsinona, ho lasa mpiantoka ny demokrasia; ny hampanekena ny traikefan’izy ireo ho mahasoa sy tsy azo ialàna amin’ny fananganana fiaraha-monina manafoana ny fanilikilihana rehetra sy ny fahantrana lalina rehetra.
Fa moa ve noraisina io fanamby io? Io demokrasia tena izy tsy mamela olom-pirenena any aoriana na dia iray aza, fa mamondrona ny rehetra ao anatin’ny fiahiana amin’ny rariny sy ny hitsiny mitovy, manome ny laharam-pahamehana ho an’ireo tena sahirana, ireo potiky ny tsy fisiana nandritra ny taranaka maro nifadimby, efa ho teraka ve izy io ? Efa manangasanga eny amin’ny faravodilanitra ve izany amin’izao faran’ny taonjato izao?
Miankina amin’ny fahefana ara-politika sy ara-tsosialy, ara-toekarena, ara-kolontsaina ary ara-pivavahana izany, fa miankina mialohan’izany indrindra amin’ny sitrapon’ny olom-pirenena tsirairay. . Satria ny fahavononan’ny olom-pirenena maro no hitarika ny manam-pahefana handinika ny zon’ireo tena sahirana.
Ny andraikitry ny fahefana rehetra dia ny tsy hamela ny rariny hiandriandry, hamerina indray sy handrindra ny ezaka ataon’ny olom-pirenena, hanambara ho ren-tany ho ren-danitra ny maha-azo itokisana ny foto-kevitra ijoroan’izy ireo, hanatanteraka ny antony hitoloman’ny olona. Ny zava-misy anefa, ny tena sahirana miady, ary olom-pirenena an’arivony no nanatona azy ireo ary nitolona miaraka aminy. Izany no ahafahantsika miteny amin’ireo manam-pahefana, ny manam-pahefana rehetra tsy ankanavaka, am-pahatokiana tanteraka, mba hampanjaka ny zon’ireo tena mahantra, ny hanaovana ho laharam-pahamehana amin’ny laharam-pahamehana rehetra ny fandravana tanteraka ny fahantrana lalina sy ny fanaovana an-kila-bao.
Mihazakazaka ny fotoana. Aoka tsy hatao fialàna bala ny fihemorana isan-karazany, ny fisondrotry ny vidim-piainana ary ny tsy fananan’asa, ny antony samihafa rehetra izao ahafahana mamindra amin’ny ampitso indray ny anjara-masoandro tokony hoa an’ireo tena sahirana ireo. Midika izany fa hapetraka indray eo an-tsorok’izy ireo ny vesatry ny krizy, homena ny laharam-pahamehana ireo tsy tena sahirana,alaina amin’ny fianakaviana tena mahantra indray, angambany, ny kely azony. Midika koa izany fa ekena ny zara fa homena asa , trano fonenana, fanabeazana ary, hampihenana hatrany ny fahafahan’izy ireo hampanjaka ny hasina maha-olona azy.