Rehefa nohamasinina ho pretra aho dia nanontaniana hoe: “Inona no andalan-tsoratra masina izay mitarika ny fiainanao? “. Namaly avy hatrany aho hoe: “Mirosoa amin’ny lalina, alatsaho ny haratonao! “. Izany no nanentana ny taona maro voalohany ny fisoronako: nanatona ny hafa, nihaona tamin’ny hafa. Ary arakaraka ny naha-nahantra azy ireo no vao maika naniriako nihaonana tamin’izy ireo, te hampifangaro ny fiainako tamin’ny azy ireo. Tsapako anefa fa raha ny tena marina dia tsy tena nitaky ny maha mpanompo amin’ny heviny feno izany, izany hoe olona tena miankina tanteraka amin’ny baikon’ny tompony. Noho izany, tsy noho izaho hoe teo anivon’ireo mahantra, nijaly tamin’ny ny hatsiaka toa azy ireo ary tsy ampy mofo tahaka azy ireo, no midika fa tena mpanompon’ity vahoaka mahantra izay honenako eo afovoany ity. Nanana ny fiarovan-tenako aho. Nanana ny naha-izaho ahy koa aho. Nanana ny zavatra norantoviko tany amin’ny seminera aho, ary nanana ny Fiangonana iray manontolo tao aoriako aho. Mety ho tsy ampy mofo aho tany amin’ny tananan’ny mahantra , saingy fantatro fa tamin’izay andro hitiavako azy… mbola nanana ny Fiangonana tao an-damosiko aho, izay heriko raha ny marina.
Tsy mora araka ny eritreretina raha izany ny maha mpanompo. Satria manana tahiry foana ianao ary misy biskoitra koa aza ao am-paosy amin’ny fotoana ilàna izany.
Raha ny marina, ny hitako teo amin’ny fiainana maha-pretra ahy, na teo amin’ny fiainako teo anivon’ny olona sy ny mahantra, dia tsy ho afaka ny ho tena mpanompo izany na ny iray amin’izy ireo fotsiny aza aho raha tsy voalohany ho mpanompon’ ireo nanaraka ahy aloha aho , ireo nanaiky ny nandao ny zava-misy niainany ho tonga mpirotsaka an-tsitrapo ato amin’ny Firohotana ATD Quart Monde , ka lasa namako. Ny andro nahatakarako izany, mety tsy azonareo an-tsaina mihitsy ny fanafahana ho ahy tamin’izany.
Satria fony aho nanolotena teo anivon’ny fahantrana lalina dia nieritreritra aho fa tsy sahiko ny niteny azy hoe: “ Tena olo-be aho, olona tsara aho, mahavita zavatra !!! “.
Ny andro nahitako fa ireo afaka mampianatra ahy ho mpanompo, dia tsy ireo mahantra, fa ireo izay tsy maintsy miomana, manamatotra ny tenany, manofana ny tenany hiaina ao anivon’ny fahantrana lalina, dia tena fanafahana tsy hita pesipesinina ho ahy . Nanomboka tamin’izay fotoana izay no ninoako fa tsy vitan’ny hoe ho mety ho voavonjy fotsiny avokoa ny olona rehetra, fa ho mpamonjy ihany koa.
Mahagaga ny fiovana mahery vaika tato amiko. Ny nahitako fa afaka manana fahatokisana lalina ny hafa aho. Raha ny marina, fantatro teo am-panaovana asa fanompoana izy ireo, teo amin’ny fanasana tongotra.Fantatro teo amin’ny fananan’izy ireo olana ara-panahy, ara-pitiavana, ara-batana, ara-pahasalamana na olana hafa izy ireo. Fantatro tamin’ny fotoan’ny hafanam-pony lehibe sy ny fahakiviany lehibe izy ireo. Fantatro tao anatin’ny hakanosany, tao anatin’ny herim-pony izy ireo. Azoko lazaina fa napetrako ato anatin’ ny fiainako izy ireo, ato am-poko, toy ny hoe izy ireo ihany no tokana manan-danja amiko. Izany no antony, nandritra ny dimy ambin’ny folo taona teo ho eo, nanokanako tena tanteraka tamin’ny fihaonana, tsy miteny akory aho hoe fanofanana, ireo mpilatsaka an-tsitrapo monina eran’izao tontolo izao, any amin’ny toeram-pahantrana lalina any. Miteny irery aho hoe olona afaka satria mino azy ireo, satria azoko antoka fa voaantso ho mpanafaka avokoa ny rehetra, voaantso ho toy izany isika rehetra. Ny fepetra dia mianatra manompo izay akaiky antsika aloha isika, dia tena manompo azy ireo marina tokoa, tsy amin’ny teny ihany, fa amin’ny fomba izay mahatonga ny fiainantsika manontolo hiova, hanaiky hokorontanina.