Ny hanapotehina ny mahatonga ny olona ho tena mahantra ambanin’ireo mahantra no ady ara-politikantsika, ankoatra ny foto-kevitra efa ananatsika sy ny sokajim-piaraha-monina misy antsika avy.
Izany no antony tsy maintsy handaminantsika saina tsara aloha sy hananantsika saina tia manadihady manoloana ny fangatahana maro avy amin’ireo antoko politika sy ny rantsa-mangaikany ireo.
Fantatsika, ary efa nampianarin’ny traikefantsika koa , fa tsy tafiditra ao anatin’ireo tetikasa ara-tsosialy atolotra antsika mihitsy ny mikasika ireo tena mahantra, tsy misy na antoko iray , na sendikà, na fikambanana, na fiangonana, ka manolo-kevitra ho tanjona voalohany ny famotehina ny fahantrana; tsy misy na iray aza amin’izy ireo manamafy ny fahavononana hamotika ny fanilihana ireo tena miaina anaty fahantrana ary vao maika latsaka noho izany aza ny hoe ny hanararaotra ny traikefan’izy ireo ho entina hananganana fiaraha-monina anjakan’ny rariny sy hitsiny kokoa, mampanafaka sy misy firahalahiana.
Noho izany, tsy ho fangatahana ny fanomezan-tokin’ireo antoko politika fotsiny amin’ izao fampielezan-kevitra misokatra izao no ataontsika (…), fa koa ny hiady any amin’izay toerana misy antsika any ny hampanekena ny maha-ara-drariny ny fanoherantsika ny fahantrana lalina, ny hamoronantsika sy handrindrantsika vondron-kery fanerena hanara-maso fa tena manolo-tena ho an’ny tena mahantra tokoa amin’ny famotehina ny zava-misy iainany ireo voafidy sy hanatanteraka ny fampanantenana nataony aorian’ny fifidianana.