Ny fanantenana kristiana dia ny tsy fiheverana fa tsy ho lavo na oviana na oviana ny olona, na ny fandavana ny tsy hiroso, na ny tsy fitenenana ratsy raha sendra tsindrom-paingotra, fa ny fandavana kosa ny fijanonana hitorevaka amin’ny tany .
Tahaka an’i Kristy, nitsangana izy isaky ny lavo ary lasa nanohy indray na inon-kidona na inon-kihatra, nanohy nandeha hatrany.
Tsy vitan’ny fanatanterahany ny fiainany sy ny fitakiany fotsiny no nataony, fa satria nahafantatra izy, izy, ilay lehilahy nanana fanantenana, fa ny tebitebiny, ny fijaliany, ny fahoriany dia tsy izay akory no farany , fa ankoatran’ ireny dia hisy fivadihan’ny zava-misy tanteraka, fa ankoatran’ ny fahafatesana dia hiverina handray indray ny toerana feno naha-zanak’Andriamanitra azy izy.
Ny zavatra rehetra niainany teo amin’ny fiainany teto an-tany dia hitohy amin’ny fifandraisana manokana amin’Andriamanitra.
