Ny niandohan’ny 17 Oktobra: manamarika ny firosoan’ny fisainana momba ny Zon’olombelona.

( … ) Tato ho ato, ny hasotriana , ny fahantrana lalina, dia lasa tena mampitaraina mihitsy, hany ka tsy azo nialana, ary tena nilaina, amin’ny fotoana iray eo amin’ny tantara, ny hahafahana manamarika amin’ny hetsika, saika iarahan’izao tontolo izao mihitsy ho fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin’ny fahantrana lalina nanerana an’izao tontolo izao. Fa mba hampahatsiahy antsika ihany koa fa noho ireo olona miaina ao anatin’ny hasotriana ireo, dia tena nisy ny firosoana teo amin’ny fahatakarana ny Zon’olombelona.

Eny tokoa, nampianatra antsika ireo miaina ao anatin’ny hasotriana ireo fa ny loza lehibe indrindra mety hahazo azy ireo dia ny famoronana fanavahana eo amin’ny fahalalahana ara-piarahamiaina sy ara-politika, etsy an-daniny, ary ny zo ara-toekarena, ara-tsosialy sy ara- kolontsaina, etsy an-kilany. Satria nataontsika tokoa io fanavahana io ka izany no nahatonga ny fahantrana lalina nipoitra indray tao anatin’izao taona maro faramparany izao teo amin’ireo firenentsika manankarena. Nisy ny hasotriana saingy nipoitra indray izany satria variana be isika, nifantoka loatra tamin’ny zo ara-piarahamiaina sy ara-politika ary toa nohadinointsika matetika loatra ny zo ara-toekarena sy ara-tsosialy ary tsy nandray fepetra ilaina isika hamongorana izany fahantrana lalina izany, satria tsy nahatonga saina antsika akory fa nisy izany, satria raha zohiana amin’ny fomba hafa, niompana tamin’ny lafiny hafa ny fifantohantsaintsika mbamin’ny fitolomantsika.

Hadinontsika fa ny olona iray efa tsianasa nandritra ny fotoana maro dia mora ho azy no lasa mpiandry fanampiana. Nahoana izy no lasa mpiandry fanampiana? Satria izy tsy mahazo fiantohana ara-tsosialy intsony, tsy ao anatin’ny sendikà na antoko politika intsony, tsy akana hevitra intsony izy, tsy olona afaka intsony. Izy dia olona miankin-doha amin’izay manampy azy, ary tsy raharahaina intsony koa. Izany no nahitanay indray fa io olona io dia tsy olona afaka sy mandray anjara intsony ; ny olona izay voaroaka amin’ny tranony, mirenireny etsy sy eroa, dia tsy manana zo hahazo kara-pifidianana intsony, tsy olom-pirenena intsony izy ; raha tsy manana asa dia tsy mpikambana amin’ny sendikà na antoko politika intsony, rehefa tsy manana trano fonenana, tsy olom-pirenena ary tsy olona manan-jo hifidy intsony, ity olona mahantra mifanena amintsika ity, ity fianakaviana mahantra mifanena amintsika ity dia tsy olom-pirenena intsony ary tsy manan-jo hifidy intsony.

Fantantsika ihany koa fa ireo olona ireo, ireo lehilahy ireo, ireo fianakaviana tsy manana trano fonenana azo fantarina ireo, dia tsy afaka mandray anjara amin’ny fikambanana miaro ny tombon-tsoan’ny mpanofa trano. Toy izany koa ho an’ny olona lanin’ny aretina ka ao anatin’io fahantrana be io, dia tsy afaka mankany amin’ny hopitaly ary mety holavin’ny hopitaly mihitsy aza ;
Araka izany, tsikelikely dia tsapa fa raha tsy misy fahasalamana, tsy misy vola, rehefa sahiran-tsaina amin’ny olana momba izay fahaveloman-tena manokana na am-pianakaviana, fianakaviana ao anatin’ny fahantrana lalina, lehilahy sy vehivavy ao anatin’ny fahantrana lalina dia tsy ho afaka hanana fiainam-pikambanana. Rehefa hiala amin’ny sekoly ny zanak’ izy ireo dia ao anatin’ny tsy fifehezana ny famakian-teny sy ny fanoratana akory; izay manozona azy ireo tsy hanana asa rahampitso, ary noho izany dia tsy vitan’ny hoe tsy hanana fiainam-pianakaviana fotsiny, tsy vitan’ny hoe tsy hanana fiainana araka asa mitombina, marin-toerana ihany koa, fa tsy ho afaka – ary izany angamba no ratsy indrindra – tsy hanana fiainana ara-tsendikaly sy ara-politika mendrika ary manana fahafahana toy ny olon-drehetra haneho hevitra ary hahatsapa ny tenany ho toy ny mpandray anjara feno amin’ny firenena izay iainany, amin’ny fampandrosoana ny firenena izay ivelomany.

Izany tokoa no fandrosoana vitan’ny hevi-bahoaka, noho ireo fahadiranovana indrindra ireo ; efa mihena tsikelikely ny fandavana io tsy fizarazarana ny zo io. Ary eo am-pitomboana hatrany, eken’ny maro izany. Izany àry no antony hanaovana izao hetsika amin’ny 17 oktobra izao : satria zava-dehibe loatra ny fanamarihana ny firosoan’ny fiheverana momba io zon’olombelona io.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.