Averina  any amin’ny firahalahiana ny tantara.

“Sahala amin’ny  milentika ao anatin’ny tantara  toy  ny  jamba marenina sy moana very fanahy  mitady ny lalany   ny zanak’olombelona.  Tsy hainy ny manontany  ny lalany  amin’iza na amin’iza. Amin’ny maha-marenina azy  dia tsy afaka  izy ny ho tarihin’ny feon’ny rivotra sy ny ranomasina.

Kanefa , amin’ny ora sasany amin’ny anjaram-piainany, no miakatra avy any amin’ny lalina indrindra ao amin’ity zanak’olombelona ity, mifangaro amin’ny fahorian’ny fahantrana lalina, ny kiakiakan’ ny vahoaka mijaly.

Tsy isalasalana fa mitaky mofo izy, fa indrindra indrindra   ampitso hananganan’ny olona am-pahamehana voalohany  ny rariny.  Ireo  olona ireo no  mamorona ny fandrosoan’ny tantara ary mamerina azy ao anatin’ny  firahalahiana. “

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.