Fony aho mbola kely, 4 hatramin’ny 13 taona teo, dia nandeha tany amin-dry masera Mpiandry Ondry Tsara aho isaky ny nirava avy nianatra ny atoandro haka lasopy, mofo, legioma, indraindray koa hena mihitsy. Nomen-dry masera anay ireo ho takalon’ny naha-mpiservy lamesa ahy tao amin-dry zareo.
Indraindray, ny ankizy tao an-tanàna dia niantso ahy hoe zanaky ny lasopin-dry « Mpiandry Ondry Tsara » , ary niady aho rehefa nampangain’izy ireo ho tsy nahay nahandro ny reniko.
Tao amin’ny trano fanefena vy efa tranainy iray izay izahay no nipetraka, nozaraina ho efitra tamin’ny hazo fisaka izy io. Rehefa ririnina, manomboka amin’ny 3 ora hariva ary rehefa fahavaratra amin’ny 6 ora na 7 ora eo dia efa tsy nety nidiran’ny hazavana intsony tao an-dakozia. Izany no tena atao hoe toerana fadiranovana, ary izahay no mponina tao, tsy nisy sahy nankany aminay ny olona raha tsy hoe hanatitra kiraro sy akanjo angaha. Nisaotra malaky azy ireny ny reniko tamin’izany eny na dia nisy tsy nilainay akory aza tamin’ireny. Na izany aza, tamin’izany androm-piainako izany, izay tena faratampony tokoa ny fahantrana lalina, dia nisy fotoana tena nahafaly anay ihany dia ny fotoanan’ny Krismasy izany. Tsy fantatro hoe iza tao amin’ny fianakaviana no namorona ny fanaovana tranon’omby voalohany tao aminay. Ny zava-nisy anefa isan-taona dia lasa toeram-pivoriana sy fihaonan’ny ankizy rehetra tao an-tanàna sy ireo ray aman-dreniny mihitsy aza io toerana io. Namorona sary olona teo izahay isan-taona, nitarinay ve ilay tranon’omby ? Izahay izay fianakaviana tena nahantra indrindra no nanana zavatra natolotra ho an’ny rehetra nitondra hafaliana tao an-tanàna dia ilay Tompo tsara.
Tamin’izany fotoanan’ny Krismasy izany dia napetrakay tao amin’ny toerana nantsoinay hoe “efitrano kely” ilay tranon’omby. Efitra kely fatoriana izy io amin’ny andavanandro, ary varavarankely tokana nisokatra tany amin’ny arabe no tao. Teo no nahafahan’ny mpandalo nijery ny tranon’omby. Noho io tranon’omby io no nahazoanay ny fankafizan’ny fiaraha-monina anay ary nireharehavanay izany. Nandray anjara tamin’ny fampifaliana ny ankizy izahay na nanankarena izy ireo na nahantra. Nahoana no tsaroako io tranon’omby io amin’izao andron’ny lasopim-bahoaka , ny bankin-tsakafo, ny ambim-bava izay manampy amin’ny tsy fananana asa izao?
Satria ve aho mino fa rehefa nosotroina avokoa ny henatra rehetra dia afaka manorina hafaliana ny ankizy? Afaka mampahatsiahy antsika izy ireo , isika olon-dehibe fa tsy mety ny fomba ataontsika amin’ny fanorenana fahandriampahalemana sy ny rariny, fa tsy ny zavatra ihany no manarina ny olona amin’ny fahoriana, na ny fizarana fananana ho azy ireo, fa tsy ny fiarahana amin’ny olona azo antoka amin’ny fahatsoram-pony ve no manorina ny rariny sy hitsiny ? Ary io fahatsoram-po io , ny ankizy no tena manana azy . Izany no antony ilazana fa tsy hoe manome lesona akory izy ireo fa ohatra iray ihany io amin’izao fetin’ny Krismasy izao.