Na dia ny asa izay horahan’ny olona aza dia afaka manome ho an’izay manatanteraka azy fahatsapana fahasoavana sy fahamendrehana ho an’ireo manoloana ny hafa ; ny mpandraoka fako, rehefa nahavita ny fihodinany am-piarabe amin’ny fandraofana fako , ny vehivavy mpikolokolo ny kalesin-dalambÿ, ny mpamafa ny lalantsaran’ny fiara-dalambÿ, ny mpihady mivoaka ny fitoeram-ptrandrahana akora ambanin’ny tany, dia misasa, mitafy akanjo madio ; ny asa dia afaka manao ny olona hadio , ahafahany miseho amin’ny hafa. Tsy misy asa mihaja na asa iva. Ny asan’olombelona rehetra dia manan-jo hanome hasina antsika satria izay manatontosa azy di rahalahintsika.. Ny manivaiva ny mpiasa tsy dia ny asa efainy loatra fa ny fiheverana azy ho toy ny hery azo ampiasaina, azo trandrahana,, izay, rahampitso angamba, mety ho azo soloana soloolona , na hanjary tsy ilaina fotsiny satria mihatonta ny hery. Ny mpiasa rehetra , na inona na inona asany, dia namana, izay ny heriny manatsara ny herin’ny rehetra, mandray anjara amin’ny fivoaran-toe-piainan’ny rehetra.
Andraikitry ny fiarahamonina rehetra ny hahatonga ny mpikambana tsirairay ao aminy hiasa ; ny fiarahamonina tsirairay dia tsy maintsy miatrika ny fanavaozana ny famokarana sy ny tsenan’asa, nefa tsy maintsy ataony ny fomba hahafahan’ny olombelona rehetra, vehivavy sy tanora, hahazo ny toerany sy ny voninahiny.
(…) Saingy tsy ampy ny hahatonga ny tsirairay hanan-javatra handaniam-potoana, : ny mpiasa rehetra dia tsy maintsy mahazo fiofanana, ary ny asa tsirairay ankehitriny dia hanomana ny mpiasa rehetra amin’ny lahasa rahampitso.. Ireo izay iharan’ny tsi-rariny eo amin’ny fizarana ny fahalalana sy ny fiofanana, ireo izay amparefoina amin’ny alalan’ny toe-piainana sy ny toetrasa mahazo azy noho ny heriny sy ny fahasalamany, mendrika petra-karem-pamokarana maika mba hahatonga azy ireo ho afaka mandramby lahatrasa ho amin’ny ampitso, eo anilan’ ny mpiasa rehetra . Izany dia resaka finiavana ara-politika sy fifanarahana eo amin’ny samy antoko sy olom-pirenena.
Ny olombelona dia voatokana ho mpamorona sy tompon’ny tenan-javatra. Hatramin’ny fotoana tena fahagola, nikaroka mafy ihany koa izy mba hanalefaka ny fahasahiranany, mba hifehy ny tontolo manodidina azy, mba hiala fatorana amin’ny faneren’ny tenan-javatra izay mihantsy ny heriny ary mametraka ny ainy tsindraindray amin’ny loza.. Nataony ny fomba samihafa hanatsarana ny fiainan’ny maro, eny àry na amin’ny alalan’ny fanandevozana, ny hamenakely, nilainy aza matetika ny hampibaby ny olon-dresy ny vesatry ny lahasa tsy maintsy efaina mahasasatra indrindra.
Mpanefy ihany koa ny fandrosoana ara-teknolojia ny olombelona : ilaina ve izay iainantsika ankehitriny hatamby karazana’andevo vaovao ? Ary hatao andevo fotsiny, ireo izay terena amin’ny hatsinontsinona maharitra ? Tsy misy amintsika ireo, na inona na inona anjara asa sahanina, hanaiky tsi-fahamarinana toy izany. Na isika aza mpampiasa, sendikalista, mpanao politika na olom-pirenena tsotra, Aoka ny fahatongavan-tsain’ny rehetra , ny fampivondronana ny ezaky ny rehetra hampitambatra hery mba hisakanana izany.