Avy hatrany, miatrika ny vahoakako

Ny 14 jolay 1956 aho no tonga tao amin‘io lembalemba nantsoina hoe « le château de France » io, hafanana migaingaina no  natosaky ny masoandro, tsy nisy mpandeha teny amin‘ny lalan-kety, tsy nisy olona tety ivelany. Manoloana io babangoana io dia hoy aho anakampo : fahiny, ny loharano, ny lalana mifanapaka, ny tilikambo, ny orinasa, dia nahavory ny olona. Eto, ny fahoriana no namory ny fianakaviana.Karazandrazan’aingam-panahy izany ilay izy. Hitako fa ny natrehiko dia tsy karazany tsotra amin’ny fahantrana voafetra ihany (araka ny filaza  azy tamin’izany) ho fahasahiranana manokana. Ny manoloana ahy dia : fahoriana iombonam-be. Avy hatrany aho dia nahatsapa ny tenako ho miatrika ny vahoakako. Tsy hita hohazavaina izany, fa izany no izy.

Nanomboka teo, niova lalana ny fiainako manokana. Satria tamin’io andro io aho dia nilokaloka tamin‘ny tenako fa raha mijanona aho, hataoko izay hahafahan‘ireo fianakaviana ireo miakatra ny tohatr’i Vatikana, ny Elysée, ny Firenena Mikambana… Io fahoriana mahajemby nanoloana ny masoko io tao anatin’ny hafanana manempotra sy ny fahanginana tanteraka no namandrika ahy.Nanomboka teo dia tsy nety afaka tao an-tsaiko ny hevitra fa tsy ho tafavoaka ny fahoriana na oviana na oviana io vahoaka io raha mbola tsy raisina amin‘ny maha vahoaka azy izy amin‘ny ankapobeny, any amin’izay toerana misy olona hafa miady hevitra sy milofo. Tokony hanatrika eo izy, mitovy, na aiza na aiza misy olona miteny sy manapa-kevitra tsy momba ny ankehitriny fotsiny fa momba ny anjaran’ny olombelona, momba ny hoavin’ny

Zanak’olombelona.

Ny 14 jolay 1956 aho no nanao sonia ny anjarako, na dia azoko natao aza ny niandry hatramin‘ny 11 novambra vao hipetraka tanteraka tao Noisy-le-Grand. Sady na tamin’io 11 novambra io aza aho dia mbola nitazona ny paroasiko ihany. Nandeha tany foana aho isaky ny sabotsy sy alahady. Nateraka zanaky ny fahoriana aho, nijanona ho olon’ny fahoriana hatrany anatiko lalina, avy aminy no nianarako hino ny zavatra rehetra, ho sahy ny zavatra rehetra, nefa koa hitahiry foana fahamalinana any ho any, zinga raha mangetaheta, tapa-mofo maina any anaty paosy. Tsy misy mahantra tsy manao tahaka izany. Ny reniko niteraka ahy aza nanao toy izany koa : nitahiry kiraro mialoha ho an-janany hatrany izy, kilaoty iray mihoatra ny ilaina. Ary rehefa misy olona mbola tonga tao aminay foana mitondra kiraro tonta – satria be dia be no niantra anay – dia izao no tenin’ny reniko tamin’ilay ramatoa mpanome :

« Soa ihany ianao fa tonga, tena nila an’iny indrindra izahay ! » Rehefa izahay mianaka sisa dia nanontaniako izy : « Fa maninona i Neny no mamboly fihetsika toy ireny ? » Dia hoy izy tamiko : « Tsy azonao, ry Joseph ; raha tsy raisinao androany izay omeny anao, efa nomeny clona daholo ireny amin’ny andro ilanao azy ». Notazomiko nandritra ny volana maro ny paroasiko, tahaka ny nitazoman’ny reniko kiraro tombony hatrany, noho ny fahamalinana.

Joseph Wresinski

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.