Fotoanan’ny fifanakalozam-pahalalana izao

“Manery ny oniversite hitodika any amin’ny Vahoaka sahirana ny andraikitra ara-moraly sy ara-politika ary ny fihenjanan’ny siansa, tsy ny hampianatra akory no mahamaika, fa ny hifanakalo hevitra sy hianatra aminy. Ary raha miteny isika hoe oniversite dia ny Oniversite miaraka amin’ny andrim-panjakana rehetra sy ny sampantsampany rehetra no tiana holazaina amin’izany. Ao anatin’izany koa ny Oniversite miaraka amin’ny olom-pirenena rehetra izay, na amin’ny fomba ahoana na ahoana , dia mitana ampahany amin’ny fahalalana iombonana. Fotoanan’ny fifanakalozana izao, izany hoe fifanakalozana eo amin’ireo rehetra mahalala sy ireo rehetra voailika. Ary ity fifanakalozana ity dia fitakiana mivaingana sy mafy, tsy vitan’ny manangilan-tsofina satria te hahafinaritra ilay olona fotsiny, na hoe manao mody mihaino, ho toy ny fitsaboana ara-tsaina fotsiny. Fa tena fangatahana amin’ireo vahoaka ety amin’ny farany ambany indrindra amin’ny antanan-tohatry ny fiaraha-monina ny hamoahany amintsika ny eritreriny sy ny zavatra fantany, fangatahana aminy mba handray antsika amin-kitsi-po sy hatoky antsika. Tsy maintsy azontsika tsara io zavatra angatahantsika io. Manolo-kevitra amin’ireo vahoaka latsaka tanaty fanahiana lalina nandritra ny taranaka maro nifandimby isika mba ho sahy indray haka risika vaovao. “

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.