« Hoatran’ ny milentika ao anatin’ny tantara toy ny moana marenina sady jamba mitady mafy ny lalan-kizorany ny olombelona . Tsy afaka akory izy manontany ny lalany na amin’iza na amin’iza. Marenina ka tsy afaka tarihin’ny feon’ny rivotra sy ny ranomasina.
Kanefa, amin’ny ora sasany eny amin’ny anjarany eny , avy any amin’ny lalina indrindra amin’io olombelona io, mifangaro amin’ny fahorian’ny fahantrana lalina, ny kiaka fitarainan’ny vahoaka mijaly. Tsy isalasalana fa mangataka mofo izy , fa indrindra indrindra, ampitso hananganan’ny olona ny rariny sy ny hitsiny atao fahamehana voalohany.
Ireny olona ireny no mamorona ny fandrosoan’ny tantara ary mampitongilana azy mankany amin’ny firahalahiana.”
