Misy zavatra iray tsy maintsy fantarin’ ny tanoran’ny Tontolo Fahefatra: anisan’ny antokon’olona nentina tsy araka ny rariny hatramin’izay izy ireo kanefa afaka manao zavatra ho azy ihany.
Tena ilaina tokoa ny firaisankina napetrak’i Don Bosco ao am-pon’ ireo tanorany ireo. “ avy tamin’ny vahoaka iray isika ary tsy maintsy mamoaka io vahoakantsika io miaraka amintsika. Fianakaviana iray isika ary tsy nahilika irery na oviana na oviana. Nahilika niaraka tamin’ny namana hafa isika, niaraka tamin’ny fianakaviantsika, niaraka tamin’ny tontolo niainantsika. Hiasa isika noho izany mba tsy ho voahilika intsony fa mba olona ilain’ny namantsika, ny fianakaviantsika.”
Manome ny tsimokaretin’ny fampiroboroboana ny tsirairay isika ato amin’ny toera-pibeazantsika, manao izay hidirana [tsirairay ] foana any amin’ny tobin’ny hafa. Ny zava-doza anefa, ary ny ahiana dia ny hahatapaka tanteraka ny fifandraisana amin’ ilay tontolo niainana teo aloha. Vokatr’ izany, sady tsy olon’ny omaly intsony , kanefa koa tsy mbola olon’ny ampitso ihany koa, satria ,eo foana , na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba inona , ny maha-tsy an-tany tsy am- parafara ilay olona .
Tsy olona tsy an-tany tsy am-parafara intsony anefa ny olona rehefa tonga ao anatin’ny fiaraha-monina efa fantany, miaraka amin’ny lova tsy nolaviny, izay namelona azy.
Ity izao misy raim-pianakaviana mamolava kanefa mbola rainy ihany izy, itsy misy reny nivaro-tena indraindray mba hamelomana ny zanany kanefa mbola reniny ihany izy. Ireo misy rahalahy sy anabavy tsy fantatra hoe lasa inona… kanefa mbola rahalahy sy anabaviny ihany ireny. Misy ny andram-piainana niainana tato amin’ny toera-pibeazana ary mitondra hafanana ho azy ireny…
Eny , tsy azo lavina ireny, raha tsy izany dia mandà ny fototra niaviana ary rehefa tsy manam-pototra intsony, na aiza na aiza alehan’ny olona, dia tsy an-tany tsy am-parafara foana izy.
Tazonina noho izany ny fototra niavian’ny tena hanoherana ny fanesorana ny haingo , izany hoe ireo izay inoana fa tsara indrindra , dia sintonina amin’ny volony hivoaka amin’ilay tontolo niainan’izy ireo, kanefa raha ny marina dia tsy tafidintsika na aiza na aiza izy ireo. Vao maika lasa tsy mivoatra ny tontolo iainan’ireo mahantra indrindra ireo , satria lasa nitsoaka ny toby ireo rehetra lazaintsika fa mavitrika indrindra.
