Toherina ny fanesorana ny haingo , tazomina ny fototra niaviana

Misy zavatra iray tsy maintsy fantarin’ ny tanoran’ny Tontolo Fahefatra: anisan’ny antokon’olona  nentina  tsy araka ny rariny hatramin’izay izy ireo kanefa  afaka manao zavatra  ho azy ihany.

Tena ilaina tokoa ny firaisankina napetrak’i Don Bosco ao am-pon’ ireo tanorany ireo. “ avy  tamin’ny vahoaka iray isika ary tsy maintsy mamoaka io vahoakantsika io  miaraka amintsika. Fianakaviana iray isika ary tsy  nahilika irery  na oviana na oviana. Nahilika niaraka tamin’ny namana hafa isika,  niaraka tamin’ny fianakaviantsika,  niaraka tamin’ny tontolo  niainantsika. Hiasa isika noho izany  mba tsy ho voahilika intsony fa  mba  olona ilain’ny  namantsika,  ny fianakaviantsika.”

Manome ny tsimokaretin’ny fampiroboroboana ny tsirairay  isika ato amin’ny  toera-pibeazantsika, manao izay  hidirana  [tsirairay ] foana  any amin’ny tobin’ny hafa. Ny zava-doza anefa, ary ny  ahiana  dia ny hahatapaka  tanteraka ny  fifandraisana  amin’ ilay tontolo  niainana teo aloha. Vokatr’ izany, sady  tsy olon’ny  omaly intsony , kanefa koa  tsy mbola olon’ny  ampitso ihany koa, satria ,eo foana  , na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba inona ,  ny maha-tsy  an-tany tsy am- parafara ilay olona .

Tsy olona tsy an-tany tsy am-parafara intsony anefa ny olona    rehefa  tonga ao anatin’ny  fiaraha-monina  efa fantany,  miaraka amin’ny lova tsy  nolaviny,  izay namelona azy.

Ity izao misy  raim-pianakaviana mamolava  kanefa mbola rainy  ihany izy, itsy misy  reny nivaro-tena indraindray mba hamelomana ny zanany  kanefa mbola reniny  ihany izy. Ireo misy  rahalahy sy anabavy tsy fantatra hoe lasa inona… kanefa mbola rahalahy sy anabaviny  ihany ireny.  Misy ny andram-piainana  niainana tato amin’ny toera-pibeazana ary  mitondra hafanana ho azy ireny…

Eny , tsy azo lavina ireny, raha tsy izany dia mandà ny fototra niaviana  ary rehefa tsy manam-pototra intsony, na aiza na aiza alehan’ny olona, ​​dia tsy an-tany tsy am-parafara foana izy.

Tazonina  noho izany ny fototra niavian’ny tena  hanoherana  ny fanesorana  ny  haingo , izany hoe  ireo izay inoana fa  tsara indrindra ,  dia sintonina amin’ny volony   hivoaka amin’ilay  tontolo niainan’izy ireo, kanefa  raha ny marina dia tsy  tafidintsika  na aiza na aiza izy ireo.  Vao maika lasa tsy mivoatra  ny  tontolo iainan’ireo  mahantra indrindra ireo , satria lasa nitsoaka ny toby   ireo  rehetra  lazaintsika fa  mavitrika indrindra.

 

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.