Sarimihetsika moana ny Lalan’ny voninkazo, natao tamin’ny 1962 tao amin’ny Tobin’ireo tsy manan-trano tao Noisy-le-Grand, toerana nahaterahan’ny Firohotana ATD Tontolo Ampahaefany . Tamin’ny taona 1984, no nandraiketan’i Mompera Joseph Wresinski fanehoan-kevitra iray, nandritra ny fanaovana ny sarimihetsika ” Any ankoatran’ny ampitso


Play with YouTube
By clicking the video, you accept that YouTube places cookies on your computer.
Pretra aho.
Nalefan’ny evekako tany amin’ny toby Noisy-le-Grand, ambanivohitra manodidina an’i Paris aho. Ny 14 jolay 1956 no nahatongavako voalohany tao.
Nampahatsiahy ahy ny fahantrana lalina niainan’ny reniko ireo fianakaviana nihaona tamiko tao. Ireo ankizy nanafika ahy tamin’io fotoana voalohany io dia .ireo rahalahiko, ny anabaviko, izaho , 40 taona lasa izay tao amin’ny Lalana Masindahy Jacques tao Angers.
Nanomboka teo dia ireo fianakaviana tao amin’io toby io no nanome ahy ny aingam-panahy tamin’izay rehetra nataoko ho fanafahana azy ireo. Nosamborin’izy ireo aho, nonina tao amiko izy ireo, notaritiny aho, natosiny aho hamorona miaraka amin’izy ireo ny Firohotana. Izy ireo ihany no nanome ny famantarana azy ireo tamin’ny fanefena ny anarany, dia ny Tontolo Ampahaefany.
Tamin’io 14 Jolay 1956 io, no nidirako tao anatin’ny fahoriana. Tamin’io andro io no nanomezako toky tamin’ny tenako fa ho hampahafantariko ny fiaraha-monina ireo fianakaviana ireo, hanao izay hahazoan’izy ireo trano mendrika, asa ho an’ny olon-dehibe, asa ho an’ny tanora, ary sekoly ahafahan’ny ankizy tena mianatra amin’izay.
Tamin’io andro io ihany koa no nanapahako hevitra ny amin’ny lalana tokony halehako mba hahazoan’ireo fianakaviana ireo toerana ekena sy hajaina eto amin’izao tontolo izao. Tsy maintsy entiko izy ireo hiakatra ny tohatry ny Firenena Mikambana, ny UNESCO, ny UNICEF, ny BIT, ny Filan-kevitr’i Eorôpa sy Vatican, mba handrenesana any ny feon’izy ireo.
Todiko hatramin’ny farany io lalana io noho ireo fianakaviana ireo.
Noho ireo lehilahy sy vehivavy tonga nanotrona anay ihany koa . Nisy tamin’izy ireny mpiasa tanana, mpampianatra, injeniera; tsy nanana atolotra afa-tsy ny fandavany ny fahantrana sy ny asany ary ny fony. Tonga nanolo-tanana ahy izy ireo. Tonga tamin’ny tanam-polo, tsy nanam-bola, tsy nanam-pahefana, tsy nanan-daza. Ny kirin’izy ireo sy ny herim-pony no nanorina ny Firotsahana an-tsitrapo.
Noho ireo antso vonjy voarainay hatraiza hatraiza , dia nifandray tamin’ny fahantrana lalina naneran-tany ireo mpirotsaka an-tsitrapo ireo. Lasa loha-lefom-by amin’ny ady ataon’ny vahoaka sahirana sy anaty fahantrana lalina ho amin’ny fahamendrehana sy amin’ ny fanafahana izy ireo.
