Tamin’ity  andron’ny faha-14 Jolay 1956 ity no nidirako  tao anatin’ny fahoriana

  Sarimihetsika moana ny Lalan’ny voninkazo, natao tamin’ny 1962 tao amin’ny Tobin’ireo tsy manan-trano tao Noisy-le-Grand,  toerana nahaterahan’ny  Firohotana ATD Tontolo Ampahaefany . Tamin’ny taona 1984, no nandraiketan’i Mompera Joseph Wresinski fanehoan-kevitra  iray, nandritra ny fanaovana ny sarimihetsika ” Any ankoatran’ny ampitso

Play with YouTube

By clicking the video, you accept that YouTube places cookies on your computer.

Pretra aho.

Nalefan’ny evekako tany amin’ny toby Noisy-le-Grand, ambanivohitra  manodidina an’i Paris aho. Ny 14 jolay 1956 no nahatongavako voalohany tao.

Nampahatsiahy ahy ny fahantrana lalina niainan’ny reniko ireo fianakaviana nihaona tamiko tao. Ireo ankizy nanafika ahy tamin’io fotoana voalohany io dia .ireo rahalahiko,  ny anabaviko, izaho , 40 taona lasa izay tao amin’ny Lalana Masindahy Jacques tao Angers.

Nanomboka teo dia  ireo  fianakaviana tao amin’io toby io no nanome ahy ny  aingam-panahy tamin’izay rehetra nataoko ho fanafahana azy ireo. Nosamborin’izy ireo aho,  nonina tao amiko izy ireo,  notaritiny aho, natosiny aho hamorona miaraka amin’izy ireo  ny Firohotana. Izy ireo ihany no nanome ny famantarana azy ireo tamin’ny fanefena  ny anarany, dia ny Tontolo Ampahaefany.

Tamin’io 14 Jolay 1956 io, no nidirako tao anatin’ny fahoriana. Tamin’io andro io no nanomezako toky tamin’ny tenako  fa  ho hampahafantariko ny fiaraha-monina ireo fianakaviana ireo, hanao izay hahazoan’izy ireo  trano mendrika, asa ho an’ny olon-dehibe, asa ho an’ny tanora, ary sekoly  ahafahan’ny ankizy tena  mianatra amin’izay.

Tamin’io andro io ihany koa no nanapahako hevitra ny amin’ny lalana tokony  halehako mba hahazoan’ireo fianakaviana ireo  toerana ekena sy hajaina eto amin’izao tontolo izao. Tsy maintsy entiko izy ireo  hiakatra ny tohatry ny Firenena Mikambana, ny UNESCO, ny UNICEF, ny BIT, ny Filan-kevitr’i Eorôpa sy  Vatican, mba handrenesana any  ny feon’izy ireo.

Todiko hatramin’ny farany io lalana io  noho ireo fianakaviana ireo.

Noho  ireo lehilahy sy vehivavy tonga nanotrona anay ihany koa . Nisy tamin’izy ireny mpiasa tanana, mpampianatra, injeniera; tsy nanana atolotra  afa-tsy ny fandavany ny fahantrana sy ny asany ary ny fony. Tonga nanolo-tanana ahy izy ireo. Tonga tamin’ny tanam-polo,  tsy nanam-bola, tsy nanam-pahefana, tsy nanan-daza. Ny kirin’izy ireo sy ny  herim-pony no nanorina  ny Firotsahana  an-tsitrapo.

Noho ireo antso vonjy voarainay hatraiza hatraiza , dia nifandray tamin’ny fahantrana lalina  naneran-tany ireo mpirotsaka an-tsitrapo ireo. Lasa  loha-lefom-by amin’ny ady  ataon’ny  vahoaka  sahirana sy  anaty fahantrana lalina  ho amin’ny   fahamendrehana sy amin’ ny fanafahana izy ireo.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.