“Mitsikitsikia moa e!”, hoy ny bitsibitsiky ny reniko tamiko,nefa izy indrindra aza no feno tebiteby manoloana ny olona mahamenatra na mampatahotra azy.
Ny tsikiko no manda fiarovan-tenany, io no mamerina ny ainy rehefa matin-kenamaso izy. “Mitsikia leitsy a!”
Satria afenin’ny tsikin’ankizy ny fahoriana sy ny ahiahy rehetran’izao tontolo izao .
Izao no lazaina any Indy any: “ny ankizy no tsik’izao tontolo izao”, ary marina izany! Fa moa tsy ny ankizy ve no ahafahantsika mifandray amin’ny hafa, rehefa tsy efan’ny ray aman-dreny intsony mihitsy ny mitalaho sy ny miangavy ?
Sakanan’ny tsikin’izy ireo ny fanomezan-tsiny sy ny fanontaniana, ary io no herin’izy ireo.
Ny herin’ireo ankizy ireo dia ny hankatoavina ny fianakaviany. Milalao izy ireo, mihazakazaka, mihalehibe eny anivon’ny kartie mihapotika, any anaty tanàna difotry ny arabe midadasika sy ny orinasa. Mikiakiaka loatra izy ireo, manakorontana ny any an-dakilasy, tsy mahay mipetraka tsara, tsy mba tony am-piangonana.
Nefa tsikitsiky tahaka ny inona no omen’izy ireo anao raha vao tsapany fa tia azy ianao.
Indraindray, lasa ihany ny saiko manao hoe raha mbola ho toy izao ihany ny ho fandehan’izao tontolo izao, dia tsy hanan-kery hitsikiana intsony ny ankizy.
Raha izany tokoa, iza indray no hanakona ny henatry ny ray tsy an’asa? Iza no mba hanadinoan’ny reny
ny ngidin’ny fiainana andavanandro? Iza no hampahatsiahy ny tontolontsika fa lafo vidy lavitra noho ny fahombiazana sy ny fahazahoana tombony ny hamoram-po?
Lasa any amin’ny fikambanana mpanao asa soa ny saiko, izay mihamahantra fitaovana hatrany hatrany noho ny krizy. Lasa any amin’ireo rehetra izay, diso voafatotry ny fotoan-tsarotra ka, mihataka, saikatsaikatra, amin’ny olona tena sahirana.
Raha tsy vitantsika intsony ny miantoka ny tsikitsikin’ ny ankizy satria tsy maharary fotsiny intsony ny fahantrana fa nanjary tsy nisy fanafany mihitsy, dia ho tontolo inona no hiainantsika ?
Noho izany, ahoana no hahitantsika rahampitso ny fanantenana niafina tao, ahoana no hamakiantsika ny hafatra ampitain’ny tsikitsikin’izy ireo amintsika? Ahoana no hahitantsika hery entina mihomehy rahampitso? Ahoana no hampidirany fifaliana ao am-pontsika, ahoana no hampahatsiahivany antsika ny rariny sy hirotsahantsika antsika handà ny fahantrana?
Ahoana no hiantohany amintsika fa ny fitiavana no hoavy? Hoy ny zazalahikely iray: “Ny olona, raha mandre ny zavatra iaretanay dia hiteny hoe:” Tsy mety kosa izany e, tsy azo tohizina intsony izany.”
