Mitia mba hahalala, mahalala mba hitia.

Ry namana malala,

Mijery ireo fianakaviana eny amin’ny tanan_dehibe tsizarizary ianareo,  miezaka ianareo  ny hahalala azy ireo, ny hamantatra ny handraisany  ny fihetsika ara-pirahalahiana ataonareo,  ny fiheverany manoloana ny  fiainana, ny hahalala ny fomba fiainany. Ary matetika,  dia very hevitra ianareo.

Izahay kosa etsy an-daniny dia efa  nanandrana ny hanampy anareo  hahalala  azy ireo; ka efa nikarakara fifanakalozan-kevitra  telo izahay, teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, namondronana  manampahaizana avy amin’ny firenena folo samihafa.  Niezaka ny hankany amin’ny ati-fanahy, ny saina ary ny fo, mihoatra ny zavatra hita  sy ny tantarakely ny gazety kelinay . Nanokatra toerana fampirantiana  izahay tamin’ireny tsenabe ireny  mba hanairana ny feon’ny fieritreretana  sy hampahafantarana  ny fianakaviana monina eny amin’ireny tanan-dehibe tsizarizary ireny.

Maro no tsy mahatakatra io fitia te hanoro, te  hampahafantatra, te-hanazava io. Misy olona sasany mihevitra fa tokony manampy, mamonjy , manavotra amin’izay ilainy, mampahery ireo  fianakaviana eny amin’ny tanandehibe tsizarizary fotsiny  izahay dia ampy. Marina ny voalazan’izy ireo mihiaka aminay manao hoe : « Ianareo tsy mataho-maty ireo,  tandremo  tsy ho lasa mpampiseho fahaizana mikasika ny fahantrana lalina fotsiny ianareo ka lasa  mety tsy hisy vokany akory”… Misaotra azy ireo isika, satria manampy antsika izy ireo tsy hivoana  amin’io fifandraisana amin’ny olombelona io amin’ny alalan’ny fiarahana, fihainoana, fiombonana ary fanampiana sarotsaro-pady.

Izao koa anefa,  ahoana no atao hiarahantsika amin’izy ireo raha andosirantsika  ny fomba  fiainana any amin’ireo tanan-dehibe tsizarizary, hihaino kanefa tsy mahazo ny hevitry ny teny, manampy kanefa tsy mahafantatra izay ilaina? Moa ve tsy ho sanatria isika ho zary hanaiky tsy fidiny sy ho mpizara anjara tsy araka ny maha-olombelona?

Mifameno ireo toe-tsaina roa tonta ireo, sady tsy mifanameloka no tsy mifanilika: Mitia mba hahalala sy mahalala mba hitia  no fototry ny fifanatonana ara-pirahalahiana rehetra.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.