Niorina tamin’ny asan’ny finoana ny Firohotana.

 Niorina tamin’ny asan’ny finoana ny Firohotana. Mino ireo   mpanorina  azy  fa : Mahita ao amin’ny tenany   ny maha-zava-dehibe ny  valerany ny olombelona,dia ny hasina maha-olona azy sy ny voninahiny izany; na inona na inona fomba fiainany, eritreriny, fetrany sy fahadisoany, dia mitoetra ho manan-danja sy tsy misy anombinana  ny maha- olombelona. Izy no hany zava-dehibe tokana nahariana ny zavatra rehetra. Ny traikefan’ireo mpanorina  no nanome azy ireo ny faharesen-dahatra fa ny olombelona, ​​na dia mifanohitra aza ny zavatra hita ety ivelany indraindray , dia tsy mahafoy na oviana na oviana ny tena maha-olombelona azy sy ny zavatra iriany, ao amin’ny halalin’ny fony , ny rariny sy  ny hitsiny, ny marina, ny fitiavana; farany, mino ireo mpanorina  fa ny olombelona, ​​na dia natao tsinontsinona  aza, na faran’izay tsy notiavina aza, dia tsy mahafoy na oviana na oviana ny maha-anisan’ny fiaraha-monin’olombelona   azy , ka aneken’izy ireo azy. (…) Kanefa  raha samy mitondra ao anatin’ny tenany ny valera maha-izy azy tsy afa-miala aminy aza  ny olona tsirairay, dia mila ny vondrom-piaraha-monina   izy hahatratrarany ny hafenoiny. Ny hoaviny sy ny ankehitrininy dia mitaky ny hahitany,  ao amin’ny fiaraha-monina misy azy,  ireo  fahefana sy ireo fahafahana  mamela azy handeha hatrany amin’ ny faran’ny herin’ny tenany. Azontsika arak’izany  nahoana ny Firohotana no tsy afaka  mihevitra ny mahantra ho  toy ny olona mitoka-monina, voahozona  hanohy ny fiakarany samirery. Ny politikany dia ny hanao izay fara-heriny sy amin’ny fomba rehetra izay hankatoavan’ny vondrom-piarahamonina  ny mahantra . Etsy an-daniny kosa  ny vondrom-piaraha-monina  dia tsy maintsy miandry azy ireo  ihany koa hanaiky ny hiray hina amin’ny mpikambana tsirairay ao aminy ary handray anjara amin’ny tanjony  sy ny fampandrosoany. Satria  amin’ny fandraisany  anjara amin’ny fampiroboroboana ny fiarahamonina misy azy ihany no hitarika azy any amin’ny fisondrotany ara-tsosialy, ara-politika, ara-tsendikàly sy ara-pivavahana. Amin’ny alalan’io  no ahazoany ny hery ahafahany manatratra ny fivoaran’ny maha-olombelona feno azy.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.