Tompondakan’ny fitiavana ny ankizy!

Misy foana ny zavatra tsy ampoizina rehefa miresaka momba ny ankizy . Toa hitako indray  i Patricia; mpikarakara faty ny rainy, ary mahatsiravina be  ny tao an-tranon’izy ireo satria rakotra lambam-paty  avokoa ny zavatra rehetra tao! Lambam-paty  ny lamban-databatra, lambam-paty  ny  lamba famaohana. Lasa ny reniny,  nisy ankizy enina anefa  tao an-trano ankoatran’i Patricia. Teo amin’ny fandrian-drainy izy no natory amin’ ny alina  ary nasiany paingotra nampiraikitra azy tamin’ny  rainy   tamin’izany  mba tsy ho avy haka azy sy ny mpiray tampo aminy ny pôlisy. Nandritra io ady tamin’ny pôlisy io koa, dia niafina teo anelanelan’ny tafo sy ny valindrihan’ny  akanin-jaza izy sy ireo mpiray tampo aminy, niray  tsikombakomba  taminy aho  tamin’izany, ary  indraindray dia  maharitra  alina maromaro  mihitsy izy ireo no  niafina tao mba tsy hakan’ny pôlisy  azy.  Ary indray andro taty taorian’ izany rehetra izany, dia niverina ny reniny, ary  nisy  masoandro  indray.  Taty aoriana ela be, rehefa  tafahaona tamin’ny fiainana  tamin’i Patricia indray aho  dia hoy izy : ” Tena nahafinaritra  tamin’izaho mbola zaza ireny ,  tena  faly ery  aho,  nandray an-tanana ny zavatra rehetra i dada”

Mino aho  fa izay  no maha- ankizy ny ankizy.  Ataony lasa  hasambarana kely avokoa ny zavatra rehetra , ary izany no hafaliana ho an’ny lehibe satria rehefa  ekena  ny hasambarana  kelin’ny ankizy , dia tsy vitan’ny hoe te-hanome  hasambarana  lehibe ho azy ireo fotsiny   fa  mahazo toky koa fa tsy  misy marika izy ireo, tsy  manana fankahalana eo amin’ny fiainana.  Nahatsikaritra foana koa aho  —ary tena mahavariana tokoa—fa nihalehibe  tsy nisy fankahalana ny ankizin’ny fahantrana lalina.

Angamba satria mavesatra loatra ny mitondra izany? Angamba koa satria nanao ezaka tena  mafy ireo ray sy ireo reny, ary neken’ireo ankizy  ireo  ny ezaka nataon’ izy rehetra  tsirairay. Angamba vokatr’izany koa  no  nahatonga  ireo ankizin’ny fahantrana lalina  niraiki-po tanteraka  tamin’ny ray aman-drenin’izy ireo. Matetika,  dia gaga ny olona ary miteny hoe: ” Kanefa  dia  mijanona eo izy ireo, tsy  lasa mandeha! »Lazaina izy ireo fa mivangongo eo saingy tsy marina izany. Ny  tena izy dia satria tsapan’izy ireo  tsara fa niharan’ny kapoka maro  ho azy ireo ny rainy sy ny reniny. Tsia, tsy ampinga nanarona  fotsiny izy ireo, fa mihoatra lavitra noho izany aza , izy ireo no fo  nandrakotra ny fon’izy ireo.  Tena mahavariana tokoa.

Raha  ankizy no resahina  dia ireo ankizy izay, indray hariva tena nangatsiaka ny volana Febroary iny, tamin’ny rivotra mamanala be iny no lasa izy ireo  nandeha nivarotra  tapakila  noho ny fetin’ny ren.. Efa tsy nisy mofo  intsony tao an-trano nandritra ny andro maromaro izay, ary tsy nisy hanina  hohanina mihintsy. Tonga  tany amiko  izy ireo, saingy tsy nanana na inona na inona koa aho. Lasa aho  nangataka  tetsy sy teroa, mofo efa nialin’andro no azoko , dia  nomeko azy ireo . Fa tamin’io andro io, dia  nifampiresaka izy ireo hoe : ” Fetin’ny reny  izao, inona no homentsika   an’i Neny?” Dia  lasa  izy ireo nivarotra tapakila   ary nitondra mofo ho an’ny reniny ny hariva.

Izany ny ankizy. Tsy misy na inona na inona mihintsy  ao amin’ny  ankizin’ny fahantrana lalina. Hitako koa  i Nônô tao anaty fotaka;  tena nampatahotra  fa  ny orana avy,  feno rano niangona teny rehetra teny.  Iny nisy ramatoa nihaingo be tonga, nitondrany sôkôla izy fa lasa i Nônô  nankany amin’ny  zandriny vavikely  hizara aminy ilay sôkôlà.

Izany ny ankizin’ny fahantrana lalina. Toa azy ireny  aho fony  mbola kely, namorona zavatra, nahita zavatra, nitady, nangalatra kely, nandrombaka koa , nitsakaraka aho mba  tsy ho noana loatra izahay  tao an-trano. Toy izany koa ny ankizin’ny fahantrana lalina, tompondaka  amin’ny zavatra maro izy ireo, tompondaka amin’ny fitiavana. Mampalahelo fa tsy  misy manaiky  izany.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.