Inona no hatao amin’ ity taona 1987 ity?

Tany am-piandohan’ny taona 1987, nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo tao amin’ny Ivotoerana  Iraisam-pirenenan’ny Fikambanana tao Méry-sur-Oise, no  nizaran’i Mompera  Joseph Wresinski ny fanantenany ny amin’io taona io izay  nanamarika ny faha-30 taonan’ny Fikambanana. Ity lahatsoratra ity, nivoaka tao amin’ny Tahirinkevitr’i Pierrelaye,  tamin’ny volana Janoary-Martsa 1987, no  namerina ny zavatra nolazainy. Eto am-piomanantsika ny Andro manerantany ho an’ny fandavana ny fahantrana lalina , dia handeha hovakiana indray ny voalazany  mikasika  ny dikan’io andro fahatsiarovana ireo olona nijaly noho ny  fahantrana lalina ho avy io  na dia mbola tsy voafaritra aza ny datin’ny 17 Oktobra tamin’izany, sy ireo “fotoana  telo” ho raiketina ao anatiny.

Marina  fa ho antsika dia  taona ho an’ny daholobe  ny taona 1987, miaraka amin’ireo hetsika rehetra hanamarihana ny faha-30 taonan’ny Firohotana. Tsy manakana azy  ho taonan’ny fandinihana koa anefa  izany.

Tsy azo ialàna mihitsy ary izany raha tiantsika ny hanome fototra mafy orina sy dikany manokana ho an’ny faha-telopolo taonan’ny Firohotana.

Ity taona ity ho antsika dia tsy maintsy ho taona  ahafahantsika  miverina indray mahafantatra ireo fianakaviana sy ny andraikitsika amin’izy ireo (…) Nandritra izay telopolo taona, nihaonantsika  tamin’ireo fianakaviana niaina tao anatin’ny fahantrana lalina ireo, dia nanandrana isika ny  namaly tamin’ny fomba nifanaraka indrindra tamin’ ny toe-javatra niainan’izy ireo : tamin’ny fananganana  sehatr’asa  Fahazazana voalohany ho an’ny ankizy kely indrindra  sy ny renin’izy ireo, sehatr’asa ho an’ny ankizy, sehatr’asa ho an’ny tanora… Kanefa  na inona na inona sehatr’asa nataontsika, dia ilaintsika foana ny maneho, mampahafantatra  ny fianakaviana sahirana rehetra. Nihevitra isika fa ny sehatr’asa manokana rehetra izay natao dia nahakasika sy tsy maintsy nanetsika  ny   fianakaviana iray manontolo. (…)

Amin’ny alalan’ireo sehatra’asantsika ireo isika no  vavolombelon’ireo mponina, vavolombelon’ny fahafahany manao zavatra, vavolombelona fa afaka  miditra ao amin’ny fiaraha-monina izy ireo. Mba hahatratrarana izany, dia tsy maintsy mbola manamafy hatrany isika  ny fahalalana entitra  ny fiaraha-monina izay efa iainan’ireo fianakaviana ireo sy izay mbola hiainany, miaraka amin’ireo tolotra azony homena azy ireo , sy ireo zava-dratsy homaniny ho an’izy ireo koa. . Tompon’andraikitra amin’ny mponina iray isika, amin’ny hoaviny. (…)

Io fahalalana nohamafisina io, io sehatr’asa mazava tsara io no tohana  sy zezika  ho an’ity tsingerintaona ity. Ho an’ity fotoana ity, eo amin’ny lafiny  ho an’ny daholobe, ny Firohotana  iraisam-pirenena dia hifantoka amin’ny sori-dalana  telo matotra tsara :

– ny fanombohana ny fanentanana manodidina ny tatitra “Fahantrana lalina  sy  ny fahantrana  ara-toekarena sy ara-tsosialy,” izay hatolotra ny Filankevitra ara-toekarena sy ara-tsosialy amin’ny volana Febroary;

– ny fihaonambe any  Amerika Atsimo karakarain’ny Vondrona maharitra  momba ny Fahantrana faraidiny  manerantany atao  amin’ny volana Jona;

ary

– ny andro fahatsiarovana ireo olona rehetra nijaly  tamin’ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, ​​izay hotanterahina  amin’ny fizarana telo:

  • Ny fotoam-bavaka ara-pinoana , izay tokony hatao ao amin’ny Katedralin’i Notre-Dame de Paris;
  • Ny fotoanan’ny « vavaka tsy miankina amin’ny finoana »: ny fahatsiarovana izay antenaintsika  handraisan’ ireo nahazo ny loka Nobel, ireo olo-malaza misehatra amin’ny  Zon’olombelona, ​​ary angamba ny Filohan’ny Repoblika Frantsay.

Ireo rehetra ireo, dia antenaina fa  ho lasa fomba amam-panao  ao anatin’ny Firohotana  ity andro fahatsiarovana ity. Iza no mahalala ? ampiarahina  amin’ny faharetana be dia be  sy diplaomasia ve, tsy ho lasa androm-pirenena  any amin’ny firenena maro ?

  • Fotoanan’ny fetim-bahoaka, ny hariva, ao amin’ny Kianjan’ny fanatanjahan-tena ao  Bercy, ao Paris, eo anatrehan’ny manampahefana ara-politika maro..

Izay raha fintinina, ny  rafitra hanohanana ity tsingerintaona ity. (…) Raha afaka manangona ny herintsika isika fa tsy manaparitaka azy, dia ho afaka hanao izay telopolo taona izay ho fotoana ahafahantsika manamafy ny maha-izy antsika.

 

 

 

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.