22 jona 2021, fahazato taona nahaterahan’i Alwine de Vos van Steenwijk

« Manaova fikarohana momba ny fahantrana !»

Ho feno zatotaona i Alwine de Vos van Steenwijk ny 22 jona 2021 izao. Fanararaotra ny tsingerin-taona toa izao mba hahatsiarovana an’io diplomaty holandey io, niasa tao Paris tamin’ny faran’ny taona 50, solotena maharitry ny fireneny, Holandy,  tao amin’ny OCDE. Reny ny fisian’ny toby ho an’ny tsy manan-kialofana Noisy-le-Grand, tao am-baravaran’i Paris dia lasa izy nankany. Nitsimbadika tanteraka ny fiainany rehefa nihaona tamin’i mompera Josefa izy. Taty aoriana kely dia nialany ny asa maha diplomaty azy ary nanolo-tena izy hiara-miasa amin’io lehilahy miara-mitolona amin’ny fianakaviana vitsivitsy efa nailiky ny olona rehetra, tsy nisy mpiraharaha.Nangatahin’i Mompera Jozefa izy dia nanaiky hirotsaka tamin’ny fikarohana mba hampahafantatra sy hampanekena ny mahantra fadiranovana, ao Frantsa, any Eoropa,  ary manerana an’izao tontolo izao. Filohan’ny Firohotana Iraisam-pirenena ATD Quart Monde izy ny 1974 hatramin’ny 2002, izy no nampisy mpihaino an’i mompera Josefa sy nahafahany nitondra ny tenin’ny Quart Monde hatrany amin’ny fara tampon’ny rafitra iraisam-pirenena. Rehefa nodimandry ilay nanorina ny Firohotana dia sady nanatanteraka hatrany ny asa nankinina taminy tany amin’ny rafitra iraisam-pirenena izy no angady nananana ny namoronana ny Trano Joseph Wresinski, zokin’ny Foibe Joseph Wresinski ankehitriny, mba tsy hisy ho very na kely aza ny lova navelan’ny mpanorina ny Firohotana ary mba hahazoan’ny olona maro be mandeha ao. Nodimandry tamin’ny janoary 2012 tany Holandy izy.

Toy izao ny fitantaran’i mompera Josefa ny fihaonan-dry zareo voalohany, ao amin’ny bokiny hoe « Ny mahantra no Fiangonana »1.

“Vavolombelona, izany hoe vavolombelon’izay niainan’ny fianakaviana, izay nanerena azy, izay nampijaly azy ary nolaviny. Taty aoriana vao tonga ny finiavana hiventy ny fanantenany sy ny fahaizany. Ny nampitebiteby ahy aloha dia ny handresy lahatra ny manampahefana sy ny besinimaro fa tsy rariny ny zavamisy ara-tsosialy sy ara-tantara niaraha-nahita. Izaho anefa tsy nahavita fianarana, ny miasa avy hatrany no tiako fa tsy naharototra ahy firy ny fianarana. Nanandrana nanery ny tenako hisaina sy hanefy ny fahaizako aho, saingy nila ny mihoatra an’izany izahay, nila fiantohana tena siantifika. Rehefa tonga i Alwine de vos, ny faha-10 janoary, tamin’ny atiririnina indrindra, dia nifantina akanjo no nasaiko nataony. Fa rehefa nanontany ahy kosa izy hoe : Inona indray no hatao izao ? », dia fianarana no nasaiko nataony. Tafintohina izy, tahaka ny nahatafintohina an’i André Etesse nasaiko nikarakara lehilahy efa maty, nefa lasa talem-pikambanana, raha hanatitra lamba fotsiny no nahatongavany. Lasa vinany i Alwine, sady izay izy nasaiko nandinika izay mitranga any amin’ny firenen-kafa noho izy diplaomaty. Ny ampitson’iny, nasaiko nanampy ahy handray mpanao gazety holandey izy, noho izy holandey. Dia takany fa rehafa manazava amin’ny hafa sy te handresy lahatra azy dia tsy maintsy mahalala tsara ny momba ny tena aloha. Teo no nahaterahan’ny Foibem-Pikarohana, sambany mba nisy fikambanana frantsay miady amin’ny fahantrana nanangana an’izany.

Niorina ny Foibe, tsikelikely, nampihafy sady nampirotsa-dranomaso ary tsy nisy na iza na iza nahalala izay dikany. Nampanonta taratasy fanoratana misy andohany hoe “Biraom-Pikarohana ara-tsosialy“ i Alwine, dia nanomboka nampihatra ny traikefa azony tamin’ny asany teo aloha : namorona fifandraisana tamin’ny fanjakana, niditra tao amin’ny UNESCO, nandrindra diafibeazana ho any Holandy, ary nanatontosa fikaonandoha iraisam-pirenena. Nisy manam-pahaizana manokana nasainy ka tsy maintsy noraisinay tao amin’ny Tobin’i Noisy. Nisy andiana mpiasa niandry tao amin’ny trano tsizarizary iray, kidoro nampifanaingenina no nipetrahanay.

Manao fikarohana momba ny fahantrana, marina ny anao mampahatsiahy an’izany, tsy dia tsara loatra ny fahitana izany teto Frantsa tamin’ny 1960. Na dia ilay teny hoe fahantrana fotsiny aza dia efa tsy tiana. Tao amin’ny Foiben’ny Tahirim-bola Fanampiana ny fianakaviana tao Parisy, naleony nampiasa ny hoe Olona tsy mahay miara-monina, ary ny filazany ny mpirotsaka an-tsitrapo tato aminay dia hoe azo antoka fa ramatoa mbola manao ba foana ho an’ny mahantrany ireo. Nisy koa nilaza fa ny mikaroka dia midika ho manararaotra ny fianakaviana. Ireny fanaratsiana sy fanoherana ireny dia mainka koa nanamafy ny firaisan’ny Mpirotsaka an-tsitrapo izay tena mbola vitsy kely tokoa”.

I Alwine de Vos van Steenwjik dia nanoratra boky betsaka ary namoaka lahatsoratra maro be. « Ny fihantsian’ny mpitrongy vao homana », boky voalohany nosoratany tamin’ny 1972 izay nisy fiantraikany lehibe dia lehibe. Ny namaranany azy dia takila roa mitondra ny lohateny hoe : « Ho famaranana » izay averinay etoana2. 

“Mazava loatra fa misy antony tsotsotra kokoa tsy maintsy ankatoavana ny olom-pirenena faran’izay mahandra indrindra ho rahalahy sy tompo. Tsotra loatra ilay izy ho an’ny sasany satria tsy misy maha revolisionera azy ary tsy manana tetikasa mahatalanjona aty am-piandohana. Nefa, araka ny hevitray, izy no tena marina, izy no antomotra indrindra, izy no manaja indrindra ny maha olona. Ny mpikatroka azo antoka indrindra hitanay nandritra ny ady mba hisian’ny fiarahamonina manivana3 vaovao dia ireo izay nandeha tany amin’ny faritra maizimaizina, tsotra fotsiny ny antony, satriatany no nahitany fahoriana tsy hay lazaina ary tena tsy nahazaka izany izy. Nandeha tany izy, tamin’ny nahim-pony ary matetika tsy manana fandaharanasa, tsy fantant na hahomby izy na tsia,  tsotra ny antony : vahoaka mijaly loatra no hitany ka amin’izay dia fara faharatsiny izy ireo mba tsy ho irery miatrika ny fahoriany. Lalim-paka loatra ny fanajana tao anatin’izy ireo ka tsy mety aminy ny avy hatrany dia hitsofoka tsy misy fotony ao amin’ny fiainany : ny fanirinay voalohany dia ny hahalala azy ireo ka hitarika azy ho namana. Ny namana dianiteraka tsikelikely ny fahalalana, ary ny tetikasa avy hatrany sy antonony ezaka ary farany ny tetikasa momba ny sivilizasiona. Ary noho izy  olona mivelona ao anatin’ny vanim-potoanany dia teraka koa ny faniriana hifandamina, hihatsara kokoa, hianatra asa vaovao, handrafitra fomba fanabeazana, hahay mandrefy ny vokany, hampiasa ordinatera ho an’izany, raha fintinina, hahomby.

Tonga araka ny nilàna azy izany rehetra izany, fa ankoatra izany nisy teo am-piaingana ny fanirina marina hiara-dalana amin’ny olona sady tena hihaino azy tokoa.

Ny mahantra, hono, dia tompo tsara. Avy amin-dry zareo no nahazoanay izay nandramanay nosoratana ato amin’ity boky ity. Raha be loatra ny tsinin’ny fomba nitateranay azy, dia satria tsy afaka nanampy anay ny tomponay tamin’io lafiny io. Ho tsara lavitra ny nhitenenany azy  rehefa izy no hiteny, aorian’ny hanomezantsika azy ny fomba manivana, ny fitoviana vintana amin’ny hafa ka hiditra eny amin’ny Oniversite”.

Sary: Mey 1985, Genève : i mompera Joseph Wresinski sy Alwine de Vos van Steenwjik, tamin’ny fihaonamben’ny tanora tao amin’ny BIT, noho ny taona iraisam-pirenena hoan’ny tanora

  1. Notsongaina tamin’ny boky, « Les pauvres sont l’Eglise », Le Centurion, Paris, 1983; Le Cerf, Paris, 2011, ; 173-174 de l’édition en malagasy, Foi et Justice, 2019, nadikan’i Arsène Razanatsimba
  2. Alwine de Vos van Steenwijk, La Provocation sous-prolétarienne, Editions Quart Monde, Pierrelaye, 1972; pp.299-301
  3. Io hevitra hoe fiarahamonina manivana io dia mitodika any amin’ny finiavana hametraka ny mahantra fadiranovana  sy ny lavitra dia lavitra ny zolazaina fa ananan’ny olombelona rehetra eo amin’ny laharam-pahamehana. Io fitenynampiasaina tao amin’io boky tamin’’ny 1972 io dia nialana ary nosoloina fiteny hafa, toy ny hoe « ny laharam-pahamehana ho an’ny mahantra fadoranovana » «  tonga any amin’ny mahantra indrindra » na « tsy mamela na iza na iza an-jorom-bala »
0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.