Iza no hanosika ny vato?

Nandritra iny ririnina tsy nety tapitra iny,
hitako fa ratsy fiantomboka ity taona ity
ho an’ny ankizy ao amin’ny site, any amin’ny trano bongo
ho an’ny ankizin’ny Quart Monde!

Ratsy fiantomboka ilay izy satria toa nanao angaredona taminy daholo izao rehetra izao:
ny tranony kilan’ny afo ho an’ny sasany
ny ray aman-dreny tsy an’asa sy ny harerahany,
ny hatsiaka mamanala ao an-trano tsy misy afo
ary ny haizina ao amin’ ny trano tsy misy herinaratra.

Ratsy fiantomboka ilay izy,
satria misy mikasa hangalatra ny taonan-dry zareo.
Nolavin’ny fitondrana mantsy
ny hitondra azy tahaka ny ankizy hafa rehetra:
“sembana ireny” hoy izy.
Tsy nekeny ny hampidirana azy any amin’ny tetik’asany
mba hitondra fiovana
eo amin’ny fiainany sy ny an’ny fianakaviany.
Matahotra mantsy sao hitondra henatra ho an’ny vahoaka sy ny Fanjakana,
satria mbola an’arivony maro ny ankizy
zara raha mahay mamaky teny sy manoratra rehefa avy mandia sekoly;
zaza an’hetsiny maro
izay lazain’ny olona fa tsy andraikiny izay hoaviny.

Nefa,
ireo ankizin’ny Quart Monde ireo dia niresaka sekoly iray
voahodidina voninkazo sy hazo maitso.
Sekoly teraky ny nofinofy ahitana
avana ngeza be tahaka ny tetezana eo amboniny.
Nofinofiny ny mahita ankizy milahatra tsiroaroa
mivanivany, mitsambinkimbinkina, mandihindihy ho any am-pianarana.
Noteneniny taminay ny atao hoe firaisankina
nefa tsy neken’ny Fitondrana homena azy izany.

“Tsy maintsy mikarakara ny zandrikeliko marary aho”, “Tsy maintsy misolo an’i Neny aho”,
“Tsy maintsy mahazo vola kely aho”,
“Tsy maintsy mitsikitsiky aho na dia tsy sitrapoko aza izany”,
“Tsy maintsy mihira aho
mba hahasambatra ny reniko sy ny zandrikeliko”…

Misy lesona nomeny antsika
rehefa mizara an’izay ananany izy:
ny an’ny iray mofo, ny an’ny iray silaka sokolà,
itsy manome ny fehitendany…
Satria tsy takatry ny olon-dehibe
dia ry zareo no nieritreritra, namorona ny fitaovana
mba hahitana hafaliana na inona na inona mahazo,
mahita hasambarana na ahoana na ahoana:

“fantatrao ve fa, nahazo trano izahay, tery loatra ilay izy ho anay rehetra,
dia tsy navelan’ny mpiandry varavarana hiditra tao izahay…
Noho izany dia halefa any amin’ny fianarana lanezy ny zandrinay vavy,
amin’izay dia ho efatra sisa izahay.
Fantatrao ve ny zavtra nobitsibitsihin’i Neny tamiko:
ny zandry lahikelinao hatao ao anaty lasaka,
dia hiditra tsimoramora isika, amin’izay tsy misy hahita azy,
dia ho sambatra isika!
Marina ny an’i Neny, amin’izay rehefa tafaverina ny anabavy keliko,
tsy afaka hiteny na inona na inona ilay mpiandry varavarana
satria ho hitany tafaraka daholo izahay!”

Io zaza natao anaty lasaka io dia mampahatsiaro ahy an’Ilay
mba ho fanavotana ny olona
dia nalevina nofonosin-damba.
Dia hoy aho anakam-po:
Iza no hanosika ny vato mamefy ny mahantra?
Iza no vonona hiray hina hanapaka ny tady
izay mamatotra ny herim-pitiavany…?”

Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy isika
ary efa antomotra ny marainan’ny Paka…

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.