Tompon’andraikitra ihany koa amin’ny ho avin’izao tontolo izao ny mahantra indrindra

Lasa   any amin’ireo fianakaviana nongotana tamin’ny tanànany, any atsimon’i Sahara ny eritreritro. Ny fahantrana lalina no nanosika  azy ireo  hanjohy   ny lalankely, ny « sampanana maro », ny lalana vita tara. Mitoby eny amin’ny sisin’ny tanàn-dehibe  izy ireo avy eo,  tsy misy fomba ahafahany  miorina  eo anefa. Tsy afaka manatanteraka intsony ny andraikiny sy ny zony araka ny fomba amam-panaony izy ireo  raha oharina  amin’  ny fivelomany arak’ asa,  raha oharina  amin’ ny fiarovana ny ankizy amin’ny trano honenana sy fanabeazana azy ireo ara-pomban-drazana. Ny  fianakaviana  tsy afaka intsony mamerina indray ny  fiainany ara-tsosialy sy ara-piarahamonina  dia tsy vitan’ny hoe  mahantra fotsiny ihany.  Teo ao anatin’ny fahantrana faraidiny  izy ireo izay mametraka azy any ivelan’ny fandaharan’asa fampandrosoana rehetra. Rehefa tonga any amin’ny sisiny  izay nametrahan’izy ireo ny toeram-pialofany vonjimaika indray  ny fanitarana ny  tanàn-dehibe dia tsy maintsy miala eo   izy ireo. Satria ,izy ireo  tsy afaka mitana intsony  na  andraikitra na zo , dia osa  loatra ny  handray  ireo fitaovam-pampivoarana  ny tanàna izay atolotra . Tsy handray anjara amin’ny fanovàna, na  amin’ny tombontsoa vaovao azo avy amin’izany koa izy ireo.

Lasa any amin’ireo  lehilahy, vehivavy ary tanora iharan’ny tsy fananan’asa maharitra any amin’ny firenena mandroso  koa ny eritreritro.  Rehefa tsy misy fahaizana na tahiry  ara-batana sy ara-tsosialy azo raisina , dia  miafara any amin’ny sokajin’olona mila ampiana fotsiny . Ratsy trano fonenana  ny fianakavian’izy ireo ;  tsy afaka manohana  ny fianaran-janany. Raha ny marina dia tsy misy  fandaharan’asa fanofanana arak’asa na dia iray aza tena mahatratra azy ireo  eny amin’ny tsenan’asa ho an’ny ampitso. Any amin’ny tany mandroso, dia tsy afaka manatanteraka ny andraikitra  maha-ray aman-dreny azy koa ireo tena mahantra, toy izany koa  ny zony amin’ny maha-mpiasa na amin’ny maha- olom-pirenena azy . Tsy manana toerana na inona na  inona koa izy ireo , afa-tsy ny ho sokajin’ny  olona mila  ampiana fotsiny, ao anatin’ ny  fiarahamonin’ny kajy mirindra sy ny  fifandraisana.

Lasa any amin’ireo ankizy, ireo tanora miaina ao anatin’ny fahantrana lalina eny an-dalambe any amin’ny tanàna sasany any Amerika Latina ihany  koa ny eritreritro. Tsy manana anjara amin’ny fiainam-pianakaviana izy ireo, na ara-paharazana izany  na an-dalam-piovana. Tsy mahazo fanabeazana ara- kolotsaina sy   ara-fandraisan’andraikitra amin’ny ho avy, izay raha ny tokony ho izy omen’ny  fianakaviana, ny manodidina ary ny vondrona sosialy misy azy. Noho izany, manerana an’izao tontolo izao, dia misy olona, ​​fianakaviana ary vondrom-piaraha-monina  ao anatin’ny toe-pahantrana   tanteraka  tsy afaka mandray andraikitra na inona na inona   amin’ny fiainana sy ny fiovana ara-tsosialy, ara-toe-karena, ara-kolontsaina ary ara- politika ao amin’ny fireneny. Ireo izay tsy mandray anjara amin’izany anefa  dia tsy mahazo tombony koa na  zo vaovao, any am-parany. Ny fandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena izay andraisan’ny hafa anjara dia tsy manapaka ny faribolana maloto izay mitazona azy ireo ho voahidy.

Eto mihitsy  no mipetraka ny fanambin’ny Zon’Olombelona. Amin’ny toe-javatra manao ahoana no ahafahan’ireo fianakaviana sy vahoaka  ireo ho tompon’andraikitra amin’ny tenany, amin’ny tokantranony, ho tompon’andraikitra miaraka  amin’ny ho avin’ny fianakaviambem-pirenena sy iraisam-pirenena araka ny tokony ho izy?

Ho afaka hanao izany izy ireo , raha toa isika mandroso amin’ny faniavana te- hitambatra – mihoatra izay rehetra mety hampisaraka antsika sady  eo koa – ny tanantsika, ny fontsika ary ny saintsika mankany amin’ny fanompoana ireo ankizy sy fianakaviana izay tena tavela  hatreto.

Ho afaka hanao izany izy ireo, raha toa isika mihevitra azy ireo  ho olona sy fianakaviana tamin’ny androny, izay manana traikefa amin’izao  faran’ny taonjato faha-20 izao, izay tena  tsy maintsy ampitain’izy ireo  amintsika.

Ho afaka hanao izany izy ireo, raha toa isika manaiky koa  fa mpitondra ny hevitry  ny fiaraha-monina ankehitriny sy ny mpiara-belona aminy izy ireo.

Ho afaka hanao izany  izy ireo,  raha toa isika  mandray  ho zava-dehibe ny faniriany hanorina hoavy ho an’ny zanany sy ho an’ny ankizy rehetra izay hiditra amin’ny taonjato faha-21.

Noho izany, amin’izay fepetra izay, dia hampianatra antsika ny fahalalana tena ilaina izy ireo, ny fahalalany momba ny maha-manerantany sy ny maha-tsy azo sarahina   ny Zon’olombelona.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.