Antomotra ny fotoana

Antomotra ny fotoana,
fotoana izao
ahalalana fa tsy misy
lanonana na iray aza
ka tsy ho lanonana
ho an’ny rehetra

Fotoana izao aniriantsika lanonana
Hanambatra antsika rehetra.

Amin’ity alin’ny krismasy ity enga anie
ny elektrisite mba ho tafaverina ihany
amin’izay mba ho afaka mamono ny labozia

Enga anie ka mba tsy ho voatsindrin’ny tahotra ny ho voaroaka intsony isiska
satria mba ho efa voaloa ny hofan-trano tratra aoriana.

Fotoana izao tsy tokony hampiverina intsony ny horohoron’ny
hanoanan’ny andro faran’ny volana.

Enga anie ny tokantrano tsy ho toy ny taloha intsony izay tsy nisy donak’afo.

Mety ho amin’izao fotoana izao ve  ny lehilahy no tsy ho tsy an’asa intsony,
tsy hila fanampiana,
tsy ho akanjo efa niasa intsony no hotafian’ny ankizy,
tsy ho menatra intsony ny mahantra handeha hangataka taovankena rehefa hikatona ny tsena, mba hatao fangaron’ny ovy

Antomotra ny fotoana…

Efa tonga ve ny fotoana mba tsy hampatahotra intsony ny mahantra
ka mba tena hianoka amin’ny lanonana amin’izay izy ?

 

 

 

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.