Mety ho lalivain’ny demokrasia marina ireo  vahoaka tena sahirana.

Fanamavoana  ho an’ny fitsipika  ara-demokratikantsika ny toe-javatra iainan’ireo vahoaka tena sahirana.  . Tsy misy ny  demokrasia  raha  tsy mifototra  amin’ny fanajana ny vitsy an’isa aloha. Manana adidy ny maro an’isa hiaro, hanohana ny vitsy an’isa, mba hahafahan’izy ireo maneho hevitra. Raha tsy izany dia  lasa  fandrombaham-pahefan’ny mahery  fotsiny ihany izy. Manana andraikitra amin’ny demokrasiantsika isika mba hanome an’ireo vitsy an’isa  ny  fahafahana ho tonga mpiantsehatra mavitrika , mitovy laharana amin’ny maro an’isa.

Lazaina fa mifototra amin’ny fahafahana  mitovy ny demokrasiantsika, kanefa izy no tena  misy ny tsy fitoviana lalina indrindra. Nandritra ny taon-jato roa teo ho eo izay, dia  nisy  ampaham-piaraha-monina nangalatra ny fahefana  ara-toekarena, ara-politika, ara-tsosialy ary ara-pivavahana. Tsy nijanona io ampahany io, fa mbola manohy  ihany ny fiarovana ireo tombontsoa azony sy nangoniny nandritra ny taonjato maro. (…),  na inona na inona  rafitra ara- politika misy,

Ireo vahoaka  tena sahirana ireo  indrindra no mampahafantatra antsika  ny tena zava-misy marina sy  lalina misy eo amin’ny  fiaraha-monintsika: nesorina tamin’izy ireo  ny zavatra rehetra, nolavina avokoa ny fanehoan-keviny, ny mety ho fahafahany hanana fiainana mendrika  araka izay nantenainy. Notarihana  hilalao ny lalaon’ny hafa izy ireo, ny fitantanan-draharaha, ny  asa  fiantrana  na ny  ara-tsosialy. Natao ho toy ny zavatra izy ireo fa tsy olona manan-tsaina  manana fahafahana miteny amin’ny fitenin’izy ireo manokana. Noterena izy ireo hilalao, handainga, “hanao toy ny gidro” mba hahazahoana zavatra kely hitazomany ny ainy.

Na izany aza anefa ny zava-misy,  rehefa atonina ireo fianakaviana ireo,   dia mahatalanjona foana  ny lanja maha-olona hita ao amin’izy ireo. Satria io maha-olona io dia tsy manaiky ho torotoroana, ampifangarongaroana fa miharitra ihany.

Tahaka ity lehilahy nifanena tamiko tany Jura ity izao, very asa izy noho ny antony ratsy, ary amin’izao  dia  tsy hahita asa intsony izy aloha raha mbola ato anatin’ny faritra misy azy. Mahatsiaro fa  very io fianakaviana io , tsy afa-mamelona ny zanany efatra, afa-tsy amin’ny alalan’ny halatra madinidinika sy ny hataka, satria ny fiaraha-monina – izay  isika io fiaraha-monina io – dia tsy nahay  nanohana  ny mpikambana ao aminy mba hahafahany mivelona.

Mazoto miasa anefa ity lehilahy ity. Efa 12 taona izao no nahafantarako azy. Mahita asa izy, very indray izany avy eo, tsy mitsahatra mihitsy anefa izy fa lasa mitady asa hafa indray. Indray andro izay, rehefa niditra tany  an-tranony aho, dia nahita ity lehilahy ity  nitan-kiho teo amin’ny latabatry ny lakoziany. Ntsangana izy, nandray ahy tamim-pahamendrehana, nolazainy tamiko ny zava-dratsy nahazo azy,   ny faniriany ary ny faniriany lehibe te- hiasa.

Izany ny vahoaka madinika: tontolon’ny mpiasa maro noterena nandritra ny taona maro tsy hanao afa-tsy ireo asa an-tselika.  Notsaraina ho ambany mantsy izy ireo, nomena fianarana ambany ary izao no mpandova an’ity vahoaka tsy an’asa ity, eo amin’ny faha-35 taonany,  eo amin’ny faran’ny latabany,  no miantso ahy amin’ny heriny rehetra hoe: itadiavo asa aho!

 

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.