Teraka tao Angers aho. Pôlôney ny raiko. Niasa tamin’ny indostria izy. Nalefa tany Madrid izy ka tany no nihaonany tamin’ny reniko. Mbola noho ny asa ihany, dia tonga tany Frantsa izy ireo avy eo. Tamin’ny fanambarana ny ady, dia samy tany Parisy izy roa. Nosamborina ny raiko—ary mazava ho azy fa nanaraka azy koa ny reniko—tamin’ny fotoana nanambarana ny ady io. Satria moa izy teratany Pôlôney-Alemà, dia noheverina ho Alemà izy, ka nalefa tany am-ponja, nogadraina. Notazonina izy, raha izay no tianareo hilazana azy, niaraka tamin’ny vadiny sy Louis zanany lahy. Fijaliana tsy misy toy izany foana ny fitanana am-ponja. Nisy zaza iray teraka tamin’io fotoana io —ny anabaviko—ary satria tsy afaka nanome sakafo azy izy ireo, dia maty noho ny hanoanana izy. Nanamarika mafy ny reniko io zaza matin’ ny hanoanana io. Mino aho fa tokony ho herintaona teo ho eo izy tamin’izany. Tena mafy no nahazo azy ireo satria avy tao am-ponja, dia nalefa tany Saumur indray. Tonga nanompa azy ireo ny mponin’i Saumur, sady notorahan-dry zareo vato namaky ny fefy vy nisy azy ireo. Nohidiana tao amin’ny tranon’ny Seminera Zokiny tao Angers izay nalain’ny fanjakana ho amin’izany indray izy ireo taorian’izay, ary mbola niaraka tamin’izany foana ny reniko. Notazonina izy roa. Ny raiko moa Pôlôney-Alemà, noho izany dia noheverina ho fahavalon’ny firenena frantsay. Nisy fiantraikany lalina tamin’ny raiko izany; ary tsy tafarina tamin’izany mihitsy izy .
Tao amin’ny hopitalin’i Angers aho no teraka tamin’ny taona 1917. Rehefa nivoaka ny fitanana am-ponja ny raiko dia nanori-ponenana tao amin’ny lalana Saint-Jacques izy ireo. Tao ny raiko no nanandrana nanao asa fanamboaran-javatra madinidinika mba hahazoana fivelomana. Mpanamboatra famantaranandro no asan’ny raibeko, ankilany avy any Polonina; nanamboatra famantaranandro izy, ary nanomboka nanamboatra famantaranandro koa ny raiko. Indray andro, nisy olona nanankina taminy famantaranandro vita tamin’ny volamena. Nisy amerikana roa niditra tao amin’ny tranokely fiasàny. Nangalarin’izy ireo ilay famantaranandro. Azonareo an-tsaina angamba fa dia niely patrana ny tsaho teo amin’ny manodidina. Nanao izay fara heriny ny raiko mba hanonerana ilay famantaranandro, kanefa raikitra tao amin’ny manodidina fa izahay dia toy ny mpangalatra ihany.
Ary vao maika nisy fiantraikany mafy tamin’ny raiko koa izany. Nahatonga azy hino fa tsy mety aminy intsony ny mijanona eto Frantsa. Nahatsiaro ho afa-baraka izy. Nipetraka tao aminy ny faniriana ny handeha, hiverina any Pôlônina. Nisalasala ny reniko satria vehivavy efa niaina fahantrana sy fahasahiranana izy ka noho izany dia tsy irony karazan’ olona sahy manao vy very ny ainy irony, indrindra noho ireto zanany. Koa tsy nanaiky ny hiaraka aminy avy hatrany izy, ary indray andro, dia very tsy hitany intsony na dia ny dian-tongotry ny raiko aza. Raha fotorina dia tsy nisaraka noho ny antony ara-pianakaviana izy ireo, fa nisy io fisarahana io noho ny toe-javatra nitranga teo amin’ny fiainana. (…)
[[Tamin’ny voalohany dia nandeha tany Sarre ny raiko]. Nahazo vaovao avy taminy izahay; nangataka foana ny reniko izy hiverina, hiaraka aminy, nangataka anay rehetra hiaraka aminy any koa izy. Saingy tsy te hitondra anay any amin’ny lalana tsy fantatra ny reninay raha tsy misy antoka tsara , raha tsy misy zavatra ianteherana, azonao ve? Koa nisalasala foana izy, nisalasala teny, ary indray andro, tsy nahazo vaovao intsony izahay. Tatỳ aoriana—satria nanandrana nanao fikarohana ihany izahay—dia fantatray fa niverina tany Pôlônina izy ary nanjavona nandritra ny fanapoahana baomba tao Dantzig (Gdansk ankehitriny). Niverina tany Dantzig izy. Izay ihany no fantatray ny momba azy.
Noho izany dia niara-nipetraka tamin’ny reninay ihany izahay. Tena olon-dehibe nanana ny maha-izy azy izy, nahay nanao izay hanajan’ny manodidina azy azy, tsy noho izy nitaraina, fa noho izy nitazona ireo zanany. Voafehiny ny faharanitan-tsainy. Ary izany no antony nitolomako foana ny hahazoan’ny ankizy sy ny tanora izay mihaona amintsika, dia ny hampianarantsika azy ireo hifehy ny faharanitan-tsainy. Ny mahafaty ny mahantra anie dia ny tsy fananana valiny rehefa ao anatin’ny trangan-javatra sarotra e ; noho izay toe-javatra izay mihitsy, dia tsy afaka ny ho tafavoaka izy ireo. Tsy hananany ny fampifandraisana ny hevitra. Izany no zava-dehibe indrindra. Tsy hananan’izy ireo io fampifandraisana ny fandinihana, sy ny hevitra io. Tsy hainy ny mandray ny zava-mitranga, na ny zavatra fanararaotra ihany koa Fanampin’izany, tsy hain’izy ireo ny mangina amin’ny fotoana tokony hanginana, ny miataka kely raha toa ka ilaina, ary mandroso rehefa tokony handroso. Azonao ve?
Izany no iray amin’ireo antony, rehefa tonga tao amin’ny toby Noisy-le-Grand ny tenako, dia ny fananganana toeram-pilalaovan’ny ankizy sy tranomboky hanarahana ny amin’ny sekoly, no tena nanahiran-tsaina ahy kokoa fa tsy ny fizarana zavatra na hafa. Ny zavatra nahamaika ahy dia ny “fizarana fahalalana.” Nahita zazalahy sy zazavavy maro tena manana fahiratan-tsaina mahavariana aho, saingy tsy nanao na inona na inona izy ireo tany ampianarana. Toy ny vahiny ny fahatsapan’izy ireo ny tenany, toy ny any amin’ny tontolo hafa tanteraka. Hitako ny naha-lehibe an-dry zareo, hoy aho anakam-po : kanefa raha tany amin’ny toeran-kafa na aiza na aiza izao ireo ankizy ireo ankehitriny mety ho efa mpampianatra, mpitsabo, angamba pretra mihitsy .Tena voadingana tanteraka mihitsy ny fiainan’ izy ireo noho ity toe-javatra tsy voafehiny ity, satria tsy voafehin’izy ireo ny fampiasan-tsainy (…) Tena lalina ilay tsy rariny e!
