Mandà ny fisarahana

Ny hanameloka ny fisian’ny mponina atao an-kilabao no notadiavin’ny Firohotana. Izany hoe izao, niezaka izy hanery ny fiarahamonina hanova ny fijeriny an’io mponina io. Izany mantsy no efa nataony hatramin’ny niforonany, teto Frantsa sy tany amin’ny tany hafa, tsy azo atao intsony ny mijery an’ireny fianakaviana ireny toy ny nanaovana azy tany aloha. Fantatrareo ny fiteny mahazatra taloha : « olana ireny, izy ireo no diso, izy no te ho tahaka izao, efa tahaka izao foana izy hatramin’izay ary mbola ho tahaka izao foana »… Hatramin’ny niforonan’ny Firohotana, io mponina io dia ohatra ny tafiditra tao amin’ny tantaran’ny fiarahamonintsika(…). Amin’izao fotoana izao dia tsy azo atao intsony ny miresaka momba azy ka tsy hieritreritra ny tantaran’ny fiarahamonintsika, ka tsy handinika ilay antsointsika ankehitriny hoe fahadisoan-kevitra ara-tantara.

Ny fahadisoan-kevitra mantsy dia ny fisian’ny ampahany tamin’ny mpiray tanindrazana amintsika ohatra ny nahilika tany ivelan’ny tantara, nefa tsy nahatsikaritra izany akory ny mpiara-belona. Fifandisoan-kevitra mamohehatra io. Any amin’ny fiarahamonina rehetra any dia nisy fotoana anankiray ohatra ny nampivily lalana ny tantara. Ireo izay mba nanana fahefana kely, nanan-kafitsoka kely ara-tsaina, ara-pahalalana, ara-piarahamonina na ara-politika, dia nizotra tamin’ny lalana hafa, navelany handeha any amin’ny anjara hafa ireo izay tsy afaka nanampy azy, na tsy naharaka azy mihitsy. Nanomboka tamin’ny fotoana iray dia ohatra ny nisy fisarahana nivaingana ka nahatonga ny ampahany tamin’ny olombelona ho voaozona hanohy hivelona tany ivelan’ny hafa. Ny notadiavin’ny Firohotana dia ny hifaranan’izany, ny hifaranan’io fiviliana io. Ny notadiaviny dia ny hanery ny olona hihaona, hifankahalala ; hahalala ny fisian’ireny olona nendahina tamin’ny hafa ireny. Mety ho izany ve angamba ny fahombiazan’ny Firohotana ? Ny niriany dia ny fihaonana, ary izany akory tsy hoe mba hanolorana fanampiana, fa mba hisian’ny fifanakalozan-kevitra ka ny fiarahamonina mihitsy  no hanambara ny tsy mampitombina azy.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.