Tsy maintsy ovaina ny fitsipi-dalao.

– Iza no tianao ny fanavaozana sa ny fiovana mahery vaika ?

 Tena izany marina ve ny olana ? Efa nisedra fiovana mahery vaika sy fanavaozana betsaka ny mahantra fa tsy nitondra na inona na inona ho azy ireny. Ireny rehetra ireny dia fomba nizarana foana ny karatra ho an’izay efa nilalao ihany. Raha te hampiditra mpilalao vaovao, tsy ampy fotsiny ny mizara karatra ; tsy maintsy ovaina ny fitsipi-dalao. Ny Fkambanana dia mahazo tsiny foana matetika fa tsy miditra amin’ny lalao. Tsy miditra amin’ny lalaon’ny miara-miombona antoka efa malaza izy. Marina izany ; mpilalao vaovao no entiny eo amin’ny latabatra. Ary manembantsembana ny rehetra izany.

Ahoana ny fomba isafidianana izay hombana amin’ny ady ifanaovan’ny tia ny fanavaozana sy ny tia ny fiovana mahery vaika ? Ny adidinay dia ny manontany ny hevitry ny tsirairay : aiza no misy ny tena mahantra ? Ny momba izany, ny Firohotana dia manao ny asan’ny miambina amin’ny alina. Rehefa mametraka amin’ny rehetra ny fanontaniana momba ny mahantra izy dia manambara ny finoany fa ny rehetra dia tokony handray anjara amin’ny famoronana fitsipika vaovao. Fitsipika roa mbola tsy mihatra ireo ankehitriny. Ny mino fa malemy ny tetika sy ny firehan-kevitsika, ny manaiky fa ilaina ny manombana ny mahamety  ny zavatra rehetra ataontsika eo imason’ny voailikilika, tsy soatoavina vaovao ho an’ny fiarahamonintsika velively  izany, saingy tsy nampihariny. Tsy vaovao toy izany koa ny filazana fa ny mpiray tanindrazana amintsika rehetra, ny antoko sy ny sendikà rehetra, ny andrim-pajkana rehetra sy ny Eglizy dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny fikarohana sy amin’ny fampidirana ny mahantra ao amin’ny fiainany. Fa tsy tafiditra ao amin’ny fitsipi-dalao koa amin’izao androntsika izao  io ezaka hiray manodidina ny mahantra io. (…)

Ny resaka tsy fanovana antsipiriana-javatra izatsy na izaroa, heverina ho mavesa-danja noho ny hafa,  ka mitaky ezaka mbola mafy kokoa. Ny mampatahotra dia ny mamatotra ny olona ohatra ny saosisy ka mitetitetika azy ho olana maromaro. Ny fiovana tadiavina dia ny miantsoroka tanteraka ny hasin’ny mahantra, ny mandray ny heviny ho marika hamantarana ny politikantsika rehetra, mandray ny fanantenany ho marika hamantarana izay asa rehetra atao.  Manirikiry ny olona rehetra io fiovana mahery vaika amin’ny fomba fihevitra  sy amin’ny fomba fijery ny olona io, toy izany koa io fiarahamonina miray volo tanteraka amin’ny fangatahan’ny mahantra io. Rehefa isaky ny mihetsika sy eny amin’ny kihon-dalana rehetra eny no mandre ny hoe : «Inona no nanaovanao ahy ? », dia ho rava daholo ny  antoka ara-tsaina  sy ara-pitaovana rehetra. Tsy maintsy antoka hafa karazana no hatao fototra. Izay ilay antsoin’ny Firohotana hoe fampitsimbadihana ny laharam-pahamehana.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.