Misy foana ny zavatra tsy ampoizina rehefa miresaka momba ny ankizy . Toa hitako indray i Patricia; mpikarakara faty ny rainy, ary mahatsiravina be ny tao an-tranon’izy ireo satria rakotra lambam-paty avokoa ny zavatra rehetra tao! Lambam-paty ny lamban-databatra, lambam-paty ny lamba famaohana. Lasa ny reniny, nisy ankizy enina anefa tao an-trano ankoatran’i Patricia. Teo amin’ny fandrian-drainy izy no natory amin’ ny alina ary nasiany paingotra nampiraikitra azy tamin’ny rainy tamin’izany mba tsy ho avy haka azy sy ny mpiray tampo aminy ny pôlisy. Nandritra io ady tamin’ny pôlisy io koa, dia niafina teo anelanelan’ny tafo sy ny valindrihan’ny akanin-jaza izy sy ireo mpiray tampo aminy, niray tsikombakomba taminy aho tamin’izany, ary indraindray dia maharitra alina maromaro mihitsy izy ireo no niafina tao mba tsy hakan’ny pôlisy azy. Ary indray andro taty taorian’ izany rehetra izany, dia niverina ny reniny, ary nisy masoandro indray. Taty aoriana ela be, rehefa tafahaona tamin’ny fiainana tamin’i Patricia indray aho dia hoy izy : ” Tena nahafinaritra tamin’izaho mbola zaza ireny , tena faly ery aho, nandray an-tanana ny zavatra rehetra i dada”
Mino aho fa izay no maha- ankizy ny ankizy. Ataony lasa hasambarana kely avokoa ny zavatra rehetra , ary izany no hafaliana ho an’ny lehibe satria rehefa ekena ny hasambarana kelin’ny ankizy , dia tsy vitan’ny hoe te-hanome hasambarana lehibe ho azy ireo fotsiny fa mahazo toky koa fa tsy misy marika izy ireo, tsy manana fankahalana eo amin’ny fiainana. Nahatsikaritra foana koa aho —ary tena mahavariana tokoa—fa nihalehibe tsy nisy fankahalana ny ankizin’ny fahantrana lalina.
Angamba satria mavesatra loatra ny mitondra izany? Angamba koa satria nanao ezaka tena mafy ireo ray sy ireo reny, ary neken’ireo ankizy ireo ny ezaka nataon’ izy rehetra tsirairay. Angamba vokatr’izany koa no nahatonga ireo ankizin’ny fahantrana lalina niraiki-po tanteraka tamin’ny ray aman-drenin’izy ireo. Matetika, dia gaga ny olona ary miteny hoe: ” Kanefa dia mijanona eo izy ireo, tsy lasa mandeha! »Lazaina izy ireo fa mivangongo eo saingy tsy marina izany. Ny tena izy dia satria tsapan’izy ireo tsara fa niharan’ny kapoka maro ho azy ireo ny rainy sy ny reniny. Tsia, tsy ampinga nanarona fotsiny izy ireo, fa mihoatra lavitra noho izany aza , izy ireo no fo nandrakotra ny fon’izy ireo. Tena mahavariana tokoa.
Raha ankizy no resahina dia ireo ankizy izay, indray hariva tena nangatsiaka ny volana Febroary iny, tamin’ny rivotra mamanala be iny no lasa izy ireo nandeha nivarotra tapakila noho ny fetin’ny ren.. Efa tsy nisy mofo intsony tao an-trano nandritra ny andro maromaro izay, ary tsy nisy hanina hohanina mihintsy. Tonga tany amiko izy ireo, saingy tsy nanana na inona na inona koa aho. Lasa aho nangataka tetsy sy teroa, mofo efa nialin’andro no azoko , dia nomeko azy ireo . Fa tamin’io andro io, dia nifampiresaka izy ireo hoe : ” Fetin’ny reny izao, inona no homentsika an’i Neny?” Dia lasa izy ireo nivarotra tapakila ary nitondra mofo ho an’ny reniny ny hariva.
Izany ny ankizy. Tsy misy na inona na inona mihintsy ao amin’ny ankizin’ny fahantrana lalina. Hitako koa i Nônô tao anaty fotaka; tena nampatahotra fa ny orana avy, feno rano niangona teny rehetra teny. Iny nisy ramatoa nihaingo be tonga, nitondrany sôkôla izy fa lasa i Nônô nankany amin’ny zandriny vavikely hizara aminy ilay sôkôlà.
Izany ny ankizin’ny fahantrana lalina. Toa azy ireny aho fony mbola kely, namorona zavatra, nahita zavatra, nitady, nangalatra kely, nandrombaka koa , nitsakaraka aho mba tsy ho noana loatra izahay tao an-trano. Toy izany koa ny ankizin’ny fahantrana lalina, tompondaka amin’ny zavatra maro izy ireo, tompondaka amin’ny fitiavana. Mampalahelo fa tsy misy manaiky izany.
