Ny fahasalamana : tena tebiteby tokoa any amin’ny tontolon’ny fahantrana lalina.

Any amin’ny tontolon’ny fahantrana lalina, (…) ny fahasalamana dia tena mampivadika atidoha mihitsy ; io firariantsoa atao momba azy tsy an-kijanona io dia avy amin’ny tsy fahafahan’ny ny olona mifehy ny vatany sy ny aretina…Tsy voafehiny ireo satria havizanana tafahoatra sy tebiteby lalandava no iainany ;  Voatery izy « hitarika tsy an-kijanona toy ny ampondra » ; tsy afa-mijanona izy noho ny filàn’ny vatana.

Ny fanairana dia ny fivatravatran’ny fijaliana. Rehefa marary izy, ary rehefa marary ihany, vao mijanona Ny hany fotoana ikarakaran’ny mpitrongy vao homana ny fahasalamany dia rehefa izy mijaly. Fijalina manikitra be fa tsy ilay fijaliana mahazatra. Araka izany,  dia gaga ny fianakaviana any amin’ny site raha nahita mpirotsaka an-tsitrpo ao amin’ny Firohotana ATD Quart Monde noho izy « folaka fotsiny teo amin’ny tongony » niresaka fialan-tsasatra. Toy izany koa, ny vehivavy dia mihevitra fa noho ny fiterahana tsy aretina (ary marina aloha izany), dia mbola afaka manohy miasa izy ora vitsivitsy aorian’ny niterahany ; ny fari-piainan’ny fianakaviana moa no tena manery azy amin’izany.

Eny, mba hijanonana any amin’ny Quart Monde,dia tsy maintsy misy fijaliana tsy ampoizina, tampoka, (fery mivonto eo amin’ny kibo, raboka, homamiadana…), ny aretina rehetra izay matetika lovan’ny mahantra. Amin’ny ankapobeny, ny havizanana tsy misy farany, ny harerahana, dia manjary miteraka fahazarana amin’ny faharariana hany ka tsy tsaroana ny fijaliana, tsy afaka manambara azy ; tsy afaka « hihaino ny tena » tokoa mantsy raha tsy efa tena azo antoka fa tsy hisy voka-dratsy mety haterak’izany.

Tsy manana fitaovana enti-mifehy ny vatana ny mahantra ka roso hatramin’ny farany ; mino rahateo izy fa tsy mendrika ny hotsaboina. Angaha tokoa moa tsy rehefa tena mahazo antoka ny momba ny tena, ny momba ny asa fivelomana, ny momba ny vady aman-janaka, , mahazo antoka fa tena mahazo an-tsaina marina izy ka hiandraikitra ny fandehan-javatra ka ho afaka mifandamina tsy misy anao hankato, tsy misy tebibety hanaiky hotsaboina ? Araka izany, Rtoa H. voan’ny homamiadana,dia nandositra ny hopitaly vao tsy mbola natomboka akory ny fitsaboana azy : tsy azony antoka fa ho vitan’ny vadiny ny hikarakara ny ankizy ; Sao izy ireo dia hapetraka any aman’olona toy ny efa nahazo azy taona vitsivitsy lasa izay noho io antony io ihany ?

Tsy takatry ny tontolony izany, tsy ekeny, hany ka very hevitra izy rehefa misy aretina mahazo azy. Sady rehefa ao anatin’ny tsy fahampiana tanteraka, dia tsy misy azo atao afa-tsy ny miantehitra amin’ny tena ihany. Na misy aza olona te hanome tanana anao, dia tsy afaka ny hiantehitra aminy tahaka izany. Mihabetsaka ny ahiahy mikasika azy ;  Raha toa moa ka very fotsiny ny vola ?  Ary raha laniany any izay mba kely ananana ? Ary raha tsy manan-koraisina intsony ny ankizy aorian’izany ?

Mikasika ny fitsaboana harahina, mitovy ihany ny ahiahy sy ny tsy fahalalana manjakazaka.Any amin’ny Quart Monderaha vao afaka ny maharary dia tsy azo inoana intsony ny mbola fisian’ny aretina sy ny tokony mbola hanohizana ny fitsaboana , hany ka matetika no izany no atsahatra. Raha tsy misy toejavatra manentana, raha tsy misy tontolo manodidina manohana ny ezaka ataonao, any amin’ny sehatra izay tsy ahitana mihitsy intsony ny fiheverana ny maharitra sy ny mitozo, ahoana moa no haharetana amin’ny fitsaboana ?

Maro be loatra ny zavatra tsikaritra mampiteny sy mampamerina antsika hiteny fa ny tontolon’ny fitsaboana dia tsy maintsy manome ho an’ny rehetra, ary loha laharana amin’izany ny ankizy  tena fadiranovana, ny hafalian’ny vatana, ary hafaliana ahitana : fahafahana manana vatana voakarakara, voavatsy, voakolikoly ho tsara (Fikolokoloana endrika amam-bika, fampiasam-batana). Vatana azo ireharehana, izay ahazoana milaza zavatra betsaka ; fahatsapan-tena ho afa-po amin’ny vatan’ny tena, tsy misalasala intsony, tsy matahotra intsony hiseho, hiteny…

Izany zavatra izany dia ny mpitsabo no voalohany nioty ny tombontsoa avy amin’ny Quart Monde, anjarany ny mampihatra marina ny Satan’ny Firenena Mikambana momba ny Fahasalamana : « Ny fananana toe-pahasalamana faran’izay tsara mety ho azony dia anisan’ny zo fototra ho an’ny olon-drehetra, na inona na inona volon-kodiny, na finoany, na hevitra politikany, na toe-piainany ara-tokarena na ara-tsosialy. »Ary tsy hanao izany izy raha tsy manolo-tena ho an’ny valala tsy mandady harona, raha tsy tena mpanabe momba ny fiainana sy ny fahasalamana marina tokoa izy rehefa any amin’ny site.

Ho fehiny, hita amin’izany fa tsy maintsy vehivavy sy lehilahy mahavita mamorona kolontsaina vaovao momba ny fahasalamana miainga avy any amin’ny mahantra indrindra izy ireny, mamorona fitsaboana ho an’ny hoavy izay hampitovy amin’izay ny olona rehetra manoloana ny fiainana, ary indrindra ho an’ny ankizy.

Amin’izay fotoana izay ny mpitsabo dia tsy ho ireo mpanao majia intsony izay mpizara fanafody mahagaga manome vokany malaky dia malaky : hanjary sakaiza izy ireo izay azo itokisana, izay mpiara-manorina ny fanafahana sy ny maha olona manontolo, na dia ho an’izay faran’izay osa indrindra aza, miara-manangana fiarahamonina vaovao tanteraka izay mametraka ny mahantra eo amin’ny laharana voalohany.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.